Diego Suarez, Faritra DIANA : 15 Oktobra 2026
Natao teto Diego Suarez ny fihaonana teo amin’ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Pr MAHARAVO Jean, izay nitarika ny ekipa teknika miara-miasa aminy sy ny delegasiona avy amin’ny tanàna Zhan JIANG (Sina), izay notarihin’ ny lefitry ny ben’ny tanàna , Atoa WU Guoxiong sy ny ekipany. Nifantoka tamin’ny laharam-pahamehana napetraka ny Minisetra ny fifanakalozan- kevitra momba ny Toerana Manga, mba hampiroborobo io sehatara io eto Madagasikara. « Zhan Jiang » dia tanàna iray ao Sina, efa lavitra amin’ny resaka fampandrosoana ary indrindra ny resaka izany Toekarena Manga izany. Nanamafy ny fahavononany hanohana an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana ireo laharam-pahamehana ireo ry zareo hoy i lefitry ny ben’ny tanàna , Atoa WU Guoxiong ary nanamafy ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ho fampandrosoana maharitra ny Toekarena Manga eto Madagascar. #MPEB #DGEB #DPEB #ZANG_JIANG_SINA
