Ambanja, Faritra Diana
Fankalazan ny faha 20 taona nijoroan’ny ONG Blue Ventures teto Madagasikara
Notanterahina ny faha 30 May 2025, ny fankalazana izay natomboka tamin’ny « Carnaval » tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambanja ny fankalazana ny 20 taona nijoroan’ny #Blue_Ventures, tao Tsimipaika, Distrikan’ Ambanja, Faritra Diana.
Nitohy tamin’ny kabary fifandimbiasam-pitenenana nataon’ny manampahefana ary Sefo Distrika sy fanolorana marim-pankasitrahana avy tamin’ny Ministera ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny BV.
Teo ihany koa ny fanolorana fitaovana maro karazana ho fanohanana ireo mpanentana aram-pahasalamana sy toby, ireo mpaka antontanisa, ny mpanodim-bokatra trondro asaly na « fumé »,ny fanolorana lakana misy « moteur » miisa 04 hoan’ny #TGRH, VOI Ambohimena ny TGRH Nosy Komba, sy ny TGRH Ambatozavavy ary ny fanofanana fanamboarana savony ho an’ny Vondron’ny Tanora. Tsy adino ny fitsidihana trano eva.
Ny tapany hariva dia nisy ny hetsika fanentanana arahan’ny fizarana loka mifandray amin’ny fiarovana ny harena voajanahary toy fitantanana alahonko sy ny ranomasina.
Isaorana ireo izay tonga nanotrona na ny avy eo amin’ny fitondram-panjakana, na ny avy eo amin’ny fikambanan’ny mpanjono sy ny vondrona tanora.