Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ambodihady, Ambohimanarina
Voamarina fa tafiditra ao anatin’ny fianakaviamben’ny karaza-trondro atao hoe gogo ilay hita teny an-toerana.

Azo ompiana tsara ny karazan-trondro gogo, na poisson chat na catfish toy ny hita amin’ireo Firenen-dehibe maro manerantany fa atao ao anatin’ny fanarahan-dalàna  » hoy ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Andriamatoa MAHATANTE Paubert.
Voamarina fa ao anatin’ny fianakaviamben’ireo trondro ireo ilay karazan-trondro hita tetsy Ambodihady Ambohimanarina ny herinandro lasa teo. Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny ekipan’ny MPEB, ny MEDD, ary ny tetikasa AMPIANA ny faha 17 martsa 2025 teo. Nandritra izany no nitafàna mivantana tamin’ireo mpanarato, ny mpanihika, ny mpiompy trondro ary ny avy ao amin’ny Fokontany.
Nohazavaina tao anatin’izany fa azo hoanina tsara io karaza-trondro io. Natao izany mba hanalàna ny ahiahin’ny maro satria tsy dia mahazatra ny olona loatra ny manjifa azy. Nankasitraka ireo tompon’andraikitry ny ministera tonga teny an-toerana ireo fokonolona eny an-toerana noho ny fampahafantarana sy fanazavana nentin’izy ireo.
Nambara ry zareo eny ifotony izay notarin-dRamatoa lehiben’ny fokontany fa vonona ny hifanome tànana, hitrandrahana ny lafin’ny mahasoa, sy hiarovana ny mety ho lafy ratsy eo amin’ity sehatra ity. ‎Ireo ekipa marolafy kosa dia manohy hatrany ny fanaraha-maso, mizara ireo torohevitra mahasoa, ary miara-miasa hatrany amin’ny mpikaroka ao anatin’izany rehetra izany mba hafahana mifehy an’izany ara-tekinika ary hamadika azy ho tombon-tsoa azo trandrahina.
Nitarika ireo ekipa marolafy ireo, Atoa TILAHY Désiré, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.
MPEB# MEDD# Tetikasa_AMPIANA # Fidinana_ifotony # Poisson_chat
eu-ua.org
kidstravel2.com
oren-sarmats.ru