AMBOVOMBE,FARITRA ANDROY
FOVORIANA NIARAHANA TAMIN’IREO STD ISAN-TSOKAJINY
Anisan’ny loza voajanahary namely mafy Teto amin’ny Faritra Androy ny rivodoza Jude izay tsy ela akory izay . Betsaka ireo foto-drafitrasa rava , betsaka ihany koa ireo Tsy mana-kialofana ka mifandrimbona ireo Tompon’andraikitra isan-tsokajiny eny ifotony mijery akaiky ireo vahoaka.
Nisy arak’izany ny Fivoriana niarahana tamin’ireo sampan-draharaham-panjakana STD , BNGRC , PAM , FAO, sns…. Nentina nifampizarana sy nifanakalozana mahakasika ireo fahasimbana sns.. ahafahana mijery ireo laharam-pahamena amin’ny tokony hanampiana ireo mpiray tanindrazana amintsika
Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga no Sady mpiahy ny Faritra Androy A/toa #MAHATANTE_Paubert no Nitarika ny Fivoriana ,natrehin’ny Governoran’ny Faritra Sy ireo tale sy Tompon’andraikitra isan-tsokajiny.