Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga
Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’Atoa Directeur du Bureau de pays de l’ OIT pour Madagascar, Comores, Maurice et Seychelles Frédéric MUIA

 

Nitsidika an’Atoa MAHATANTE Paubert, Minisitran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, Atoa Frédéric MUIA, Directeur du Bureau de pays de l’ OIT pour Madagascar, Comores, Maurice et Seychelles (Organisation Internationale du Travail), miasa eto Madagasikara anio faha 25 Oktobra 2023, tao Ampandrianomby, Antananarivo.

Noresahana nandritra ny fihaonana ny fampandrosoana ny Toekarena Manga eto Madagasikara toy ny fametrahana ny « Projet pilote Eco Langouste » any Taolagnaro mba hitantana maharitra ny vokatra Oratsimba eto amintsika ary koa mba ho rehareha sy fitaratra amin’ny firenena eto Afrika ihany koa isika.
Teo ihany koa ny famoronana asa mendrika ho an’ireo tanora eo amin’ny sehatry ny fitaterana an-dranomasina mba hanenana ny tahan’ny tsy fananan’asa eto Madagasikara.
Voaresaka ihany koa ny fiaraha-miasa mba hampiroboroana ny Toekarena Maintso sy Manga eo amin’ny fitadiavana lalam-barotra hanondranana ireo vokatra any ivelany.

 

eu-ua.org
kidstravel2.com
oren-sarmats.ru