Ampefy, Distrika Soavinandriana, Faritra Itasy
Atrikasa Fankatoavana ny Drafi-Panajariana ny Jono Itasy (PAP Itasy)
Notanterahina tao Ampefy, ao amin’ny Distrika Soavinandriana, Faritra Itasy, ny 03 Jona 2025, ny atrikasa fankatoavana ny Drafi-Panajariana ny Jono ho an’ny farihin’Itasy (PAP Itasy). Io hetsika io dia vokatry ny dingana maromaro anisan’izany ny fanadihadiana lalina natao tamin’ireo mpanjono ny mpisehatra isan-tsokajiny eo anivon’ny fokontany ary ny fakan-kevitra betsaka teo amin’ny kaominina sy ny faritra mba hahazoana antoka fa mirindra amin’ny zava-misy eny ifotony ny drafi-panajariana.
Ny tanjona lehibe amin’ity drafi-panajariana ity dia ny hiantohana ny fitantanana maharitra ny harena anaty rano ao amin’ny farihin’Itasy. Io drafitra io dia mikendry ny hampifandanja ny fitrandrahana ny harena voajanahary amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, mba hahazoan’ny taranaka ankehitriny sy ho avy tombony avy amin’ireo harena ireo. Ankoatr’izay ihany koa dia mikatsaka ny hampiroborobo ny fampandrosoana lovainjafy eo amin’ny sehatry ny jono sy ny fiompiana anaty rano.
Nisy fandraisan’anjara mavitrika avy amin’ireo mpisehatra isan-karazany tamin’ny fanatontosana ity atrikasa ity. Nanatrika ny hetsika ny Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Famokarana Anaty Rano, miaraka amin’ny ekipany avy ao amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toe-karena Manga (MPEB) foibe Nanampy tamin’ny fanohanana ny hetsika koa ny Governoran’ny Faritra Itasy, ny ekipa avy amin’ny Fitalevam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy,ny DRPEB Itasy, ary ireo avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Rano, Fidiovana ary Fanadiovana. Nisy ihany koa ny solontenan’ny kaominina sy fokontany voakasika, ny Vondrona Iombonan’ny Sehatra sy ny Tontolo Iainana (VISTI), ny solontenan’ny mpanjono, ny mpivarotra trondro, ary ny mpisehatra hafa toy ny avy amin’ny fandaharanasa RINDRA sy ny mpanamahay MAMIA.