Toamasina, Faritra Atsinanana
Akon’ny fampiroboroboana ny asa Manga

Ho famporisihana ireo mpandray anjara miisa 57 tonga nanatrika ny fampiofanana fiompiana trondro an-dobo tao amin’ny efitrano malalaky ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Atsinanana, ny faha 30 May 2025, mba hiditra lalindalina sy hanohy ary hampiatra ny fiofanana noharatovina dia nampanantena ny hanome zanatrondro mamaim-poana hoan’ireo telo voalohany mahavita dobo aorian’izao fiofanana izao ny Fitaleavana. #MPEB #DRPEBAtsinanana #Fiofanana #FiompianaTrondro #Zanatrondro

KAOMININA ISORANA , DISTRIKAN’NY ISANDRA , FARITRA MATSIATRA AMBONY
FITSIDIHANA HIARAHANA AMIN’A/TOA MINISITRA MAHATANTE PAUBERT

Miezaka mampivelatra sy mampiroboro ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga ny eto anivon’ny Ministera ka izany indrindra no hitetezana ireo kaominina sy Distrika manerana an’i Madagasikara. Izany Dia ahafahana mampiakatra hatrany ny tahan’ny fihinanan’ny Malagasy trondro . Ho an’ny Distrikan’ny ISANDRA dia ahitana rano betsaka Ary irony pirina be irony no anisan’ny mampalaza azy, ho ezahina arak’izany ny hanaparitraka izany manerana an’i Madagasikara Hisy ny fitsidihana ny Dobo fiompiana izany eto an-toerana mandritra ity fitsidihana ity eo ihany koa ny fanomezana Toro-marika ho an’ireo izay efa miompy ahafahan’izy ireo miditra amin’ny matihanina kokoa . Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert #ISANDRA #ISORANA #FARITRA_MATSIATRA_AMBONY

Distrikan’ny Vohibato ,kaominina Alakamisy Itenina,Faritra Matsiatra Ambony
FAMPIOFANANA FIOMPIANA TRONDRO

Tontosa soamatsara ihany koa ny fampiofanana fiompiana trondro Teto amin’ny Kaominina Alakamisy itenina izay niarahana tamin’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert. Tonga nanatrika tao avokoa ireo olona isan-tsokajiny na Tanora na lahy na vavy na ireo renim-pianakaviana ihany koa izay manodidina 300 isa eo noho eo. Anisan’ny manana tombony ihany koa izy ireo nohon’ny fisian’ireo farihy sy tanimbary Ary rano betsaka ao an-toerana. Azon’izy ireo atao tsara arak’izany ny mamadika ireo farihy sy renirano ho lasa loharanombola amin’ny alalan’ny Fiompiana trondro. Nisy hatrany ny fanontaniana naraham-baliny taorian’ny fampiofanana Ary koa ny fampiharana izany eny an-kianja. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert #FIOMPIANA_TRONDRO #ALAKAMISY_ITENINA #MATSIATRA_AMBONY

Ambanja, Faritra Diana
Fankalazan ny faha 20 taona nijoroan’ny ONG Blue Ventures teto Madagasikara

Notanterahina ny faha 30 May 2025, ny fankalazana izay natomboka tamin’ny « Carnaval » tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambanja ny fankalazana ny 20 taona nijoroan’ny #Blue_Ventures, tao Tsimipaika, Distrikan’ Ambanja, Faritra Diana. Nitohy tamin’ny kabary fifandimbiasam-pitenenana nataon’ny manampahefana ary Sefo Distrika sy fanolorana marim-pankasitrahana avy tamin’ny Ministera ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny BV. Teo ihany koa ny fanolorana fitaovana maro karazana ho fanohanana ireo mpanentana aram-pahasalamana sy toby, ireo mpaka antontanisa, ny mpanodim-bokatra trondro asaly na « fumé »,ny fanolorana lakana misy « moteur » miisa 04 hoan’ny #TGRH, VOI Ambohimena ny TGRH Nosy Komba, sy ny TGRH Ambatozavavy ary ny fanofanana fanamboarana savony ho an’ny Vondron’ny Tanora. Tsy adino ny fitsidihana trano eva. Ny tapany hariva dia nisy ny hetsika fanentanana arahan’ny fizarana loka mifandray amin’ny fiarovana ny harena voajanahary toy fitantanana alahonko sy ny ranomasina. Isaorana ireo izay tonga nanotrona na ny avy eo amin’ny fitondram-panjakana, na ny avy eo amin’ny fikambanan’ny mpanjono sy ny vondrona tanora. #MPEB #DRPEB_Diana

ZEP AMPAMAHERANA , KAOMININA ALATSINAINY IALAMARINA, DISTRIKAN’NY LALANGINA FARITRA MATSIATRA AMBONY
Dobo miisa 67, mirefy 4 hektara

Mirefy 4 hektara ity ZEP eto Ampamaherana ity izay manana Dobo miisa 67. Ity izany no Anisan’ny ZEP lehibe eto Madagasikara. Vinavinaina arak’izany fa hamokatra zana-trondro manodidina 40 taonina hatramin’izay 80 taonina isan-taona ity toerana ity Ary manodidina 10 tapitrisa ka hatrany amin’ny 15 tapitra any ho any ny zana-trondro tokony hivoaka ao satria ireo toerana fampanatodizana sy famokarana trondro no tena betsaka amin’ireo Dobo. Malalaka ity toerana ity ka afaka mamatsy avy hatrany zana-trondro eto amin’ny Faritra matsiatra Ambony na any ivelan’ny Faritra na eo koa ireo trondro afaka hohanina avy hatrany. Tafapetraka soamatsara ity toeram-pamokarana zana-trondro ity Ary vita soamatsara ihany koa ny fanajariana ireo Dobo izay Efa tsy niasa an-taonany maro tao an-toerana izay ho ezahina ny hampandeha azy Aignana ao anatin’ny roa volana eo ho eo. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert #ZONE_D_EMERGENCE_PISCICOLE #AMPAMAHERANA #FIANARANTSOA #HAUTE_MATSIATRA

FIANARANTSOA FARITRA MATSIATRA AMBONY
FAMPIOFANANA FIOMPIANA TRONDRO ,

Feno ny Fampianarana izay nomena an’ireo olona Liana amin’ny sehatry ny fiompiana trondro Tonga maro be nandritran’ny fampiofanana maimaimpoana izay nomen’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Anio 30 Mai 2025 Teto amin’ny tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera Fianarantsoa. Nomena avokoa ireo Karazam-piompiana trondro afaka ataon’izy ireo aorian’ny fampiofanana izay natao amin’ny fomba tsotra sy mazava ,ny tombotsoa azo na arak’asa na ara-pivelomana amin’ny ankapobeny. Hirariana arak’izany fa hitombo ny olona izay hiditra amin’ity sehampihariana mahavelona Sady mampidibola ity ho reharehan’ny Fianarantsoa Manontolo. #MpEB #FIANARANTSOA #MATSIATRA_AMBONY

ONIVERSITE ANDRAINJATO FIANARANTSOA , FARITRA MATSIATRA AMBONY
FIFAMPIZARANA NIARAHANA TAMIN’A/TOA MINISITRA

Ny resaka #hay_tarika sy ny mahakasika ny tontolon’ny #Toekarena_Manga no nifampizarana niarahana tamin’ireo mpianatra maro Teto amin’ny Oniversiten’ny Fianarantsoa androany. Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert no nitarika izany izay nentiny nanamafisana ny Tombotsoa entin’ny Toekarena Manga na ho an’ny isam-batan’olona na ho an’ny Madagasikara manontolo. Ankoatr’izay dia ny fampahafantarana ireo mpianatra ny atao hoe hay tarika ahafahan’izy ireo mandray an-tanana sy mamolavola sahady ny ho avin’izy ireo satria miankina amin’izy tenany ihany no hampandroso na tsia azy eo lafim-piainana rehetra. Tonga maro be ireo mpianatra Ary nomena sehatra manokana amin’ny alalan’ ny fametrahana fanontaniana izay manitikitika azy ireo. #MPEB #FIFAMPIZARANA #HAITARIKA #TOEKARENA_MANGA #FIANARANTSOA

FIANARANTSOA, FARITRA MATSIATRA AMBONY
HIARA-HIASA NY MINISTERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA SY NY ONIVERSITEN’ NY FIANARANTSOA

Mitohy eto Fianarantsoa ny fitsidihana entina hampiroboroboana ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga izay hiarahana amin’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert. Betsaka ireo fanamby ho tratrarina hoy A/toa Minisitra ka Ilaina ny fifanomezan-tanana amin’ireo hery velona rehetra. Anisan’ny ho Hamafisina arak’izany ny fiaraha-miasan’ny Ministera sy ny Oniversiten’ ny Fianarantsoa amin’ny alalan’ny fijerena ireo toerana rehetra ahafahana miompy trondro ao an-toerana Ary mba ahafahana ihany koa mamantatra ny tena zava-misy amin’ny mahatonga ny olona sasany tsy Liana amin’izany. Ho hatsangana ihany koa ny ivontoeram-pikarohana sy fitiliana mahakasika ity sehatra iray ity ho fanohanana ireo mpianatra ho lasa mpandraharaha amin’ity sehatra ity ihany. Nohamafisiny fa Rehefa toerana misy rano dia afaka Hanaovana ny fiompiana trondro avokoa Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert #ONIVERSITE_FIANARANTSOA #FARITRA_MATSIATRA_AMBONY

Hôtel Le Vesseau, Cocody Abidjan, Côte d’Ivoire
Fikaonan-doha iraisam-pirenena ho fanjohiana ireo dingana vitan’ny Firenena tsirairay mpikambana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina makasika ireo fifanarahana iraisam-pirenena sy kaotinantaly ary rejionaly momba ny Jono sy ny Toekarena Manga.

Tanterahina ao Abidjan mandritra ny telo andro, ny faha 27 la hatramin’ny faaha 29 May 2025, ny « Fikaonan-doha iraisam-pirenena ho fanjohiana ireo dingana vitan’ny Firenena tsirairay mpikambana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina makasika ireo fifanarahana iraisam-pirenena sy kaotinantaly ary rejionaly momba ny Jono sy ny Toekarena Manga. » Ankoatra ireo Firenena Afrikanina maro dia manatrika manokana ity Fikaonan-doha ity ihany koa ny FAO, ny AUC, ny AFRI-FISHNET, ny AWFISHNET, ny CDEAO sy ireo ORGP (ICCAT) ary ireo mpanamahay maro. Mandray anjara mavitrika mandritra izany i Madagascar amin’ny alalan’ny Rtoa #DRPEB_Vakinankaratra sy Point Focal ny Birao Iraisan’ny Afrika momba ny Biby sy Harena anaty rano eo anivon’ny Vondrona Afrikanina (AU-IBAR) eto Madagascar. Nambara fa miisa 22 ankehitriny ireo fifanarahana nosoniavin’ny Madagasikara ary miroso amin’ny fanatanterahana izany isika ka isan’ireo nozaraina manokana ny momba ny fampiharana ny fifanarahana AMREP/PSMA sy ny dingana misy Antsika eo amin’ny fankatoavana ny hampiharana ny BBNJ. Notsiahivina ihany koa fa mifanitsy 76,75% amin’ny paikady Iraisan’ny Afrika (PFRS) ny paikady nasionaly ny Toekarena Manga momba ny Jono sy ny Fampamokarana Anaty rano malagasy. Mahaliana ny Firenena maro hafa araka izany ny ezaka vita na eo aza ireo mety ho olana atrehina ary midera sy mankasitraka izany ireo mpiara-miombon’antoka amintsika. #MPEB

KAOMININA ANDROY , DISTRIKAN’NY LALANGINA,FARITRA MATSIATRA AMBONY
FIOMPIANA TRONDRO : HAFAPO TAMIN’NY EZAKA SY NY VOKATRA AZO IREO MPAMATSY VOLA SY TETIKASA MIARA- MIASA AMIN’IREO MPIOMPY TRONDRO.

Mpiompy trondro avy ato amin’ny Kaominina ambanivohitry Androy , Distrikan’ny lalangina no nihaona mivantana tamin’ireo solotena avy amin’ny Tetikasa izay miara-miasa amin’izy ireo androany, niaraka tamin’ny solotenan’ny mpamatsy vola izay ahitana ny GIZ sy ny Masoivoho Allemagne (BMZ) . Izy ireo izay miara-miasa amin’ny Tetikasa ASAM ka ny APDRA no manatanteraka izany eny ifotony. Fifanakalozan-kevitra nijerena ny zava-misy eny ifotony ahafahana manana vokatra tsara. Anisan’izany ireo endriky ny asa rehetra eny an-toerana ,ny mahakasika ny fikambanan’ny mpiompy trondro, ireo vokatra azo sy ny tombony azo,ny karatra maha piompy trondro,ny sakafony sns…. Izy ireo izay manao ny #famokarana_zana_trondro, #fampanatodizana_trondro ary #fanatavezana_trondro ary efa mamatsy trondro sy mizara traikefa amin’ireo manodidinana ihany koa izy ireo. Hatreto dia fikambanana miisa 4 no misy ka miisa 60 izy ireo no ao anatiny . Tena mamokatra Ary mahafapo Raha ny vokatra hita eny an-toerana.Hofanamorana ny famatsiambola ihany koa dia ho avadika koperativa ireo fikambanan’ny mpiompy trondro eto an-toerana izay manampy azy ireo hampiasa vola bebekokoa . #MPEB #GIZMadagascar #AmbassadeAllemagneAntananarivo #PROJET_ASAM #APDRA #FIOMPIANA_TRONDRO