Jakarta – INDONÉSIE
Atrikasa fanatsarana ny fampitàna ny antotanisa mahakasika ny Jono lamatra (thon)
Tanterahana nanomboka ny 26 May ka hatramin’ny 30 May 2025 izao ao Jakarta – INDONÉSIE ny atrikasa fanatsarana ny fampitàna ny antotanisa mahakasika ny jono lamatra ho an’ireo Teknisianina maromaro avy amin’ny firenena samihafa mivondrona ao anatin’ny CTOI (Commission des Thons de l’océan Indien). Nisolotena an’i Madagasikara nandritra izao Atrikasa izao Atoa BETKOU Ghislain Thierry, Teknisianin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, avy eo anivon’ny DESP (Direction des Etudes, de la Statistique et de la Planification). Antoka iray hisian’ny fitantanana maharitra sy mirindra ny lamatra no ifananakalozana ao anatin’ity atrikasa ity ary hitondra fiovana miabo ho an’ny fampandrosoana izany sehatra izany indrindra ho antsika eto Madagasikara ka voakasik’izany avy ireo jono madinika, salantsalany ary indostrialy. #MPEB #DESP #Jono #Lamatra #Thon #CTOI
Fokontany Sakalava, Kaominina Ambany Morarano Gara, Distrikan’i Moramanga,Faritra Alaotra Mangoro
Akon’nyFampiofanana fiompiana trondro
Tontosa tao amin’ny CirPEB Moramanga ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro an-dobo sy an-tanimbary, izay natao mba ho fampiroboroboana ny fahaiza-manao sy ny famoronana asa ho an’ny vahoaka ifotony ao amin’ny Fokontany Sakalava, ao anatin’ny Kaominina Ambanivohitra Morarano Gara, Distrikan’i Moramanga. Ity hetsika ity koa dia natao mba hanohanana ny fiarovana ny alan’ Atsinanana izay efa mandalo fahasimbana lehibe ka ny fikambanana Conservation International no niara-niasa tamin’ny CirPeb Moramanga tamin’ny fandaminana sy fanatanterahana ity fampiofanana ity. Telo amby efapolo (43) ny olona avy amin’ny Fokontany Sakalava tonga nanatrika ity fampiofanana ity. Ireo mpandray anjara dia nampianarina teknika vaovao sy azo ampiharina amin’ny fiompiana trondro, toy ny fomba fanamboarana dobo, ny fitantanana ny kalitaon’ny rano, ny sakafo mety ho an’ny trondro, ary ny fomba fiompiana maharitra mba hiantohana ny vokatra tsara. Antenaina fa hahay hampihatra izay nianarany ireo mpandray anjara mba hahazoana tombony ara-toekarena sy ara-tsosialy, sady hitondra fampandrosoana ho an’ny fiarahamonina ary indrindra manampy amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’ny mponina ao amin’ity toerana ity #MPEB #DRPEB_Alaotra_Mangoro #Fiompiana_Trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga
𝐅𝐚𝐦𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐤𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧𝐝𝐨𝐡𝐚 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐞𝐭𝐬𝐞𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐟𝐚𝐦𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐨𝐦𝐛𝐨𝐧’𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐣𝐨𝐧𝐨 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐡𝐚𝐫𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐲 𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚
𝐅𝐨𝐫𝐮𝐦 𝐝𝐞 𝐦𝐨𝐛𝐢𝐥𝐢𝐬𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞𝐬 𝐟𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭𝐬 𝐞𝐭 𝐩𝐚𝐫𝐭𝐞𝐧𝐚𝐫𝐢𝐚𝐭𝐬 𝐝𝐮𝐫𝐚𝐛𝐥𝐞𝐬 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐥𝐚 𝐩𝐞̂𝐜𝐡𝐞 𝐞𝐭 𝐥’𝐚𝐪𝐮𝐚𝐜𝐮𝐥𝐭𝐮𝐫𝐞 𝐚̀ 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐜𝐚𝐫. RAKOTOSOA Rado (Directeur Général de l’Economie Blueu/MPEB) MAMINIAINA Marc (Chargé de Mission COI)
Ambalamanga, Fokontany Befitina, Nosy Be hell Ville, Faritra Diana.
Fametrahana « Disposition de Concentration des Poissons » miiisa 06
Noho ny fiarahamiasa tamin’ny #MNP_Nosy_Tanikely sy Fédération de Pêcheurs ary CirPEB Nosy Be, dia tontosa ny faha ny 27 May 2025 ny fametrahana « Disposition de Concentration des Poissons » na DCP miiisa 06, ao amin’ny TGRH Ambalamanga, izay Faritra tantaniny Fikambanana Mpanjono ao Hell-ville Nosy Be. Tonga nanontrona ny fametrahana izany ny solontena avy ao amin’ny #CirPEB_Nosy_Be, ny avy ao amin’ny Fikambanan’ny mpanjono ny avy ao amin’ny MNP Nosy Tanikely. #MPEB
Fokontany Ambohiponana, Kaominina Ambanivohitra Manandona, Distrika Antsirabe II, Faritra Vakinankaratra
TGRH, VOI fahadimy ho an’ny Faritra Vakinankaratra.
Napetraka tamin’ny fomba ofisialy ny 27 May 2025, tao Manandona ny #VOI_FIAMI ary notolorana ny boky izay mirakitra ny famindram-pitantanana ny Farihy Manaramila manaraka ny dingana takin’ny #TGRH. Ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny Ben’ny Tanàna Manandona ary ny Filohan’ny VOI FIAMI no miara-manao sonia ary hanara-maso ny fanatanterahana ny bokin’andraikitra. Isaorana Atoa Lehiben’ny Distrika Antsirabe II, tonga nanome voninahitra ny fotoana ary nitarika izany. Ny tanjona dia ny hanomezana asa mahavelona ho an’ny mpanjono, hitantanana ny farihy amin’ny fomba mangarahara sy maharitra, ary hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ao an-toerana. Naneho ny fahavononany araka izany ity VOI vaovao ity ka dia mirary soa azy ireo. Ankasitrahana hatrany koa ny fanohanan’ny programa #FANAINGA+ amin’ny alalan’ny #koperativa_FIFIMPAVA. #MPEB #DRPEB_Vakinankaratra
Carlton Anosy, Faritra Analamanga
Fikaonandoha ho fanetsehana ireo famatsiambola sy ireo fiaraha-miombon’antoka maharitra ho an’ny jono sy ny fihariana anaty rano eto Madagasikara
Araka ny efa fantantsika dia Firenena efa manana ny fitaovana rehetra afaka hampiasana hafahana mampiroborobo ny Toekarena Manga i Madagasikara. Maro amin’ireo Firenena eo anivon’ny SADC no maka tahaka antsika noho izany. Manoloana izany indrindra dia mila mitady loharanom-bola ny Ministera entina hanatanterahana an’izany, mamadika ny loharanon-karena ho holoharanom-bola. Eo ihany koa ny fanamby hafahana manome sakafo ara-pahasalamana ny Malagasy na ny fanjarian-tsakafo sy ny famoronana asa hoan’ny Tanora amam-behivavy, indrindra fa ny fampihenana ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara manoloana ny fampiroboroboana ny Toekarena Manga. Noho izany rehetra izany indrindra dia miaraka mifanome tanana amintsika ankehitriny ireo mpiara-miombona antoka hatramin’izay toy ny Vondrona Eoropeanina (UE), COI, ny fandaharan’asa Tetikasa ECOFISH, FAO, OIT, MIONJO sy ireo mpiara-miombona antoka rehetra ary ireo fikambanana maro mivondrona ao anatin’ny GAPCM, fikambanan’ny mpiompy trondro, vonona hanatanteraka ireo paikady izay napetrak’i Madagasikara hanatontosana amin’ny antsakany sy handavany ny fampiroboroboana ny Toekarena Manga eto amintsika. Hodinihana mandritra ny roa andro eto amin’ny Hôtel Carlton Anosy, manomboka androany 27 Mey 2025 mandritra ny Fikaonandoha ho fanetsehana ireo famatsiambola sy ireo fiaraha-miombon’antoka maharitra ho an’ny jono sy ny fihariana anaty rano eto Madagasikara (Forum de mobilisation des financements et partenariats durables pour la pêche et l’aquaculture à Madagascar) ireo fanambarana misy mahakasika ny tombony mety ho azon’ireo mpampiasa vola amin’ny sehatry ny Toekarena Manga, eo ihany koa ny fanatsarana ny lalàna rehetra mety ho sakana hampihena ny fahazotoan’ireo mpampiasa vola eto amintsika. Hisy noho izany ny tondrozotra hametrahana tontolo madio sy mangarahara, hisitomana ireo mpandraharaha sy mpampiasa vola ho tonga eto Madagasikara hampiasa ny volany. #MPEB #ECOFISH #ToekarenaManga #Jono #FiharianaAnatyRano #SADC #FAO #OIT #GAPCM #MIONJO
FIOMPIANA TRONDRO TAO AMIN’NY CIS AMBOHIBAO
TAO ANATIN’NY ENIM-BOLANA DIA MANODIDINA NY 250KG NY VOKATRA AZO
Ny volana desambra 2024 no nandrotsaka zana-trondro Teto amin’ity Dobo trondro eto anivon’ny Direction générale ny CIS Ambohibao ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Enim-bolana aty aoriana , vokatra dia vokatra ireo trondro tao an-toerana izay manodidina ny 250 kg eo no ho eo. Raha ny hita dia nahomby ny ezaka natao satria sady vaventy ireo trondro no betsaka . Porofo izao hoy A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert fa azon’ny rehetra atao tsara ny miompy trondro. Rehefa misy ny mitarika dia manaraka ho azy ny aoriana hoy hatrany izy. Teto izao dia Dobo kely no tsotsotra no niompiana ireo trondro kanefa manodidina ny 4 hatramin’ny 5 tapitrisa ariary any ho any ny vola miditra amin’izy ireo. Nanentana hatrany ny tenany ho an’ireo Tanora , ireo tsy an’asa ireo renim-pianakaviana indrindra, satria asa mahavelona izy ankoatry ny maha sakafo ara-pahasalamana azy. Vonona hatrany ihany koa ny Ministera hanampy sy hanohana antsika rehetra izay Liana ny amin’ity sehatry ny fiompiana trondro ity #MPEB #FIOPIANA_TRONDRO #CIS #AMBOHIBAO
Nosy Be, Faritra Diana
Fampiofanana ny CCS sy ny KMD ao amin’ny Faritra Arovana AMP Ankivonjy
Notontosaina manomboka ny faha 26 May 2025 hatramin’ny faha 28 May 2025 ao Nosy Be Hell ville ny fiofanana ireo CCS miisa 27 sy KMD miisa 15 avy amin’ny Faritra Arovana Ankivonjy, Kaominina Ambanivohitra Bemanevika Ouest Distrika Ambanja, Faritra Diana. Mahakasika ny fiarovana ny harena voajanahary na antanety na anaty rano ny fiofanana, izay notronon’ny Lehiben’ny Distrika Ambanja , Ben’ny Tanàna Bemanevika Ouest, ny #CirPEB_Ambanja, ny avy ao amin’ny Cantonnement Ambanja, ny avy ao amin’ny #CSP Mahajanga sy Nosy Be, ny Zandarimariam-pirenena avy ao Berambo. Isaorana ny #WCS nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka izao fiofanana izao. #MPEB
Distrikan’i Tsihombe sy Distrikan’Ambovombe Faritra Androy
Fakan-kevitra momba ny AMP Atimo Vata’e
Tontosaina nandritra ny telo andro ny faha 20, 21 ary 22 May 2025, nifampidinihana teny ifotony momba ny « Aire Marine Protégée » na AMP Atimo Vata’e tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Faux Cap Kaominina Ambanivohitra Anjapaly ao amin’ny Distrikan’i Tsihombe, ary tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Maroalopoty, Kaominina Ambanivohitra Maroalomainty, Kaominina Ambanivohitra Ambazoa, ary Kaominina Ambanivohitra Erada ao amin’ny Distrikan’i Ambovombe, Faritra Androy. Natao izao fakan-kevitra izao mba hanohizana ny dingana efa natomboka tamin’ny taona 2018 ho fametrahana ny Faritra Arovana Atimo Vata’e. Nandritra izany, nifanakalozan-kevitra ny amin’ny mety ho fiantraikan’ny AMP amin’ny lafiny sosialy sy tontolo iainana, ary koa ny vahaolana natolotry ny mpanjono mba hanatsarana ny vokatra an-dranomasina. Hita fa tena mafana fo sy vonona tanteraka ny mpanjono amin’ny fametrahana ny AMP Atimo Vata’e. #MPEB #DRPEB_Androy #AMP_Atimo_Vata_E
FOKONTANY AMBOLOMOTY , KAOMININA AMBOLOMOTY, DISTRIKAN’NY MAROVOAY ,FARITRA BOENY
FITSIRIHANA NY FANDROSOAN’NY ASA FANANGANANA NY ZONE D’ÉMERGENCE PISCICOLE
Tonga nijery ny fandrosoan’ny asa fametrahana ny ZEP na Zone d’emergence Piscicole Teto amin’ny fkt Ambolomoty A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert Anio 25 Mai 2025 izay nentiny nanomezana Toro-marika entina hanatsarana ny foto-drafitrasa. Raha ny hita teny an-toerana dia eo am-pamaranana ireo pitsopitsony farany ireo orinasa ankehitriny alohan’ny tena hisokafan’ity toeram-pamokarana zana-trondro ity. Tsiahivina fa Dobo trondro miisa 10 manana refy 100m toradroa isany no hapetraka ao an-toerana izay entina hamokarana zana-trondro hatramin’ny 5tapitrisa , ahitana toeram-pikotrehana , toeram-piofanana ho an’ireo liana te hisehatra amin’izany ,ny « laboratoire » sns… Marihina fa ny rano avy ao amin’ny reniranon’ny Ampijoroha avy any amin’ny tohadranon’ny Tsiasesy kosa no hosaritina amin’ny fanondrahana ireo Dobo miisa 10. #MPEB #ZEP_BOENY #FAMOKARANA_TRONDRO.