Distrikan’i Vavatenina, Faritra Analanjirofo
Fizarana Zana-trondro
Nandritra ny hetsika fizarana zana-trondro tao amin’ny Distrikan’i Vavatenina, Faritra Analanjirofo izay natao ny faha 24 Mey 2025 teo dia nahazo tombony ireo mpiompy trondro izay efa nandray fampiofanana mialoha. Zana-trondro tilapia miisa 5 000, fantatra amin’ny kalitaony avo lenta, no natolotra tamin’ireo mpahazo tombony. Tonga nanatrika izao ny Lehiben’ny Distrikan’i Vavatenina, ny Mpandrindra Faritra misahana ny Tsy Fifanjanan-tsakafo ao Analanjirofo, ary ny Tale Mparitry ny Jono sy ny Toekarena Manga ao amin’ny faritra. Ity hetsika ity dia tohana avy amin’ny tetikasa HAFA VELONTEGNA, izay vatsian’ny UNICEF vola. Ny tanjona lehibe dia ny hampiroborobo ny fihinanana trondro eo amin’ny vahoaka, satria ny trondro dia manome otrikaina tena ilaina ho an’ny vatantsika. Nandritra ny lanonana, nanamafisana fa ny zana-trondro natolotra dia tsy vitan’ny hoe manampy amin’ny fanatsarana ny sakafo fa manampy koa amin’ny fampandrosoana ara-toekarena eo an-toerana. Ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga dia manohy manohana ny hetsika tahaka izao mba hiantohana fa ny fiompiana trondro dia sehatra iray maharitra sy mampidi-bola ho an’ny mpiompy ao Vavatenina sy ny manodidina. #MPEB #Fizarana_zana_trondro #Vavatenina #Analanjirofo #ORN #DRPEB_Analanjirofo
MADA Forum Mobilisation Ressource
FORUM DE MOBILISATION DES FINANCEMENTS ET PARTENARIATS DURABLES POUR LA PÊCHE ET L’AQUACULTURE À MADAGASCAR 📅 27 AU 28 Mai 2025 📄 Télécharger INVITATION AUX MÉDIAS FORUM DE MOBILISATION DES FINANCEMENTS ET PARTENARIATS DURABLES POUR LA PÊCHE ET L’AQUACULTURE À MADAGASCAR 📄 Télécharger COMMUNIQUÉ DE PRESSE FORUM DE MOBILISATION DES FINANCEMENTS ET PARTENARIATS DURABLES POUR LA PÊCHE ET L’AQUACULTURE À MADAGASCAR Vers une économie bleue inclusive et durable : Echanges, engagements, et feuille de route 📄 Télécharger
Fokontany Antafiapatsy , Distrikan’ny Antsohihy, Faritra Sofia
NIROBOROBO NY ASA FIOMPIANA TRONDRO AN’A/TOA VICTORIEN TAORIAN’NY NAHAZOANY FANOHANANA AVY AMIN’NY MINISTERA
Ny taona 2024 no nidina ifotony nijery ireo Dobo Teto Antafiapatsy ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE . Miisa 70 ireo Dobo teny am-piandohana Ary Mbola tsy Nisy trondro. Ankehitriny , miroborobo tanteraka izany nohon’ny tantsoroka izay nomen’ny Ministera azy tamin’ny alalan’ny fanomezana zana-trondro. Tafiakatra 100 isa ireo Dobo nandritra ny fitsidihana Teny an-toerana Ary mamelona fianakaviavana miisa 12. Nisy hatrany ny Toro-hevitra ara-teknika izay nomena azy na ny lafiny fanjonoana izany na ny sakafo , ny ahavon’ny rano sns… Nanentana ireo olona izay Mbola te hisehatra amin’ity fiompiana trondro ity ny tenany satria asa Mahavelona no mampidibola betsaka izy ary tsy sarotra atao Rehefa mahafehy tsara ireo teknika rehetra . #MPEB #FIOMPIANA_TRONDRO
Anahidrano , Distrika Antsohihy, Faritra Sofia
MIROSO NY ASA FANAMBOARANA NY « Zone d’Emergence Piscicole »
Tamin’ny taona 1964 no nametrahan’A/toa Tsiranana ny « station Piscicole » Voalohany Teto amin’ity toerana ity , Ankehitriny Dia ho avadika ho Zone d’Emergence Piscicole izany izay entina hamokarana zana-trondro hatramin’ny 5 tapitrisa , ahafahana mamokatra trondro azo sakafoanana avy hatrany , ary koa toerana ahitana toerana fampiofanana ireo tanora amam-behivavy mba hampananan’asa azy ireo Sy ny maro hafa. Tonga nijery ny fandrosoan’ny asa teny an-toerana ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert Sy izay nanome ny Toro-marika entina hanafainganana ny asa. Tsy ho ela Dia ho hiasa soamantsara ity fotodrafitrasa lehibe izay entina hampiroboroboana ny sehatry ny Jono aty amin’ny Faritra Sofia ity. #MPEB #ZEP #SOFIA
Bealanana, Faritra Sofia
FAMPIOFANANA FIOMPIANA TRONDRO
Mankasitraka antsika vahoakan’ny Bealanana tamin’ny fandraisana makotroka izay tena nanehoanareo ny fahavononanareo fa hisehatra amin’ny fiompiana trondro . Resy lahatra ihany koa Isika fa anisan’ny kitro hifaharan’ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara ity sehatra iray ity ka araraotina ny fotoana rehetra ahafahana mianatra sy mampihatra izany avy hatrany Rehefa misy ny hetsika fampiofanana maimaimpoana toy izao . Hirariana arak’izany fa hitombo Ary hiroborobo ny asa Fiompiana trondro eto amin’ny Distrikan’ny Bealalana Ary hanenika eraky ny Faritra Sofia sy Madagasikara manontolo MANKASITRAKA #ENSEMBLE_ON_IRA_LOIN
BEALANANA , FARITRA SOFIA
FIDINANA IFOTONY NENTINA NAMPIHARANA AVY HATRANY NY FAMPIOFANANA FIOMPIANA TRONDRO
Taorian’ny fampiofanana dia Nisy avy hatrany ny Fidinana ifotony izay Nampiharana avy hatrany ny lesona azo tao anatin’ny fampiofanana. Toy ity eto amin’ny matsabory madio lehibe ity izay mirefy 4ha eo no eo . Nojerena ny ahafahana mampiroboro ny fiompiana trondro ao aminy satria anisan’ny manampy betsaka amin’ny foto-piveloman’ireo mponina anatin’ity Fokontany Anandrobato ity matsabory lehibe ity. Ny fiompiana trondro anaty fefy mitsingevana no afaka atao eto amin’ity matsabory ity araky ny nambaran’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert nandritra ny Fidinana teny an-toerana. Mila fahaiza-mitantana avokoa anefa izany rehetra izany mba hisian’ny fiakaran’ny vokatra sy hampaharitra izany. Ny Ministera dia Vonona hatrany amin’ny fanomezana ireo tohana ara-teknika rehetra ahafahantsika mampiroboro ity sehampihariana ity. #MPEB #ENSEMBLE_ON_IRA_LOIN
FAMPIOFANANA FIOMPIANA TRONDRO DISTRIKAN’NY BEALANANA ,FARITRA SOFIA
VONONA ARY RESY LAHATRA NY VAHOAKAN’NY BEALANANA
Karazam-piompiana trondro miisa 4 no nampianarina maimaimpoana ho an’ireo vahoakan’ny Bealalana izay maro Tonga nanatrika ny fampiofanana androany 24 mai 2025 niarahana tamin’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert. Nomena avokoa ireo #teknikam_piompiana trondro rehetra ahafahan’izy ireo mampihatra izany avy hatrany aorian’ny fampiofanana. Anisan’izany ny fomba fanamboarana Dobo ,ny toetry ny rano, ny sakafon-trondro sns … Tanana mahavokatra ny Distrikan’ny Bealalana Ary manankarena rano ihany koa izay ahitana matsabory miisa 17 ka afaka atao tsara ny mamadika izany ho lasa loharanombola amin’ny alalan’ny Fiompiana trondro hoy hatrany A/toa Minisitra . Ankoatry ny asa Mahavelona ary mampidibola betsaka ny fiompiana trondro dia tsara ho an’ny fahasalamana ihany koa ny fihinanana azy. Anisan’ny vina lehibe ho an’ny Ministera ihany koa ny hampianatra ny tahan’ny fihinanana trondro eto Madagasikara ka ho hampitombointsika izany amin’ny alalan’ny fanomezana fampiofanana toy izao. #MPEB #FAMPIOFANANA_FIOMPIANA_TRONDRO #BEALALANA #FARITRA_SOFIA
Mahajanga, Faritra Boeny
Fampiroboroboana ny Asa Manga amin’ny alalan’ny Famokarana anaty rano
Tanteraka ny faha 23 May 2025 teto anivon’ny CDA Mahajanga ny fiofanana mahakasika ny fambolena « Spiruline », nahitana mpandray anjara miisa 28 mianadahy mianaka. Fiofanana narahana fampiharana no nisy tamin’ity andiany ity mba nahafahan’ireo mpandray anjara nahita hoe inona tokoa moa izany « Spiruline » izany tamin’ny alalan’ny fijerena izany tamin’ny « Microscope »…. Nisy ihany koa ny fitsidihan’ireto mpandray anjara ireto ny toeram-pambolena lomotra tsy hita maso na « Algue microscopique » (sakafom-biby anaty rano) notanterahana teo anivon’ny CDA Mahajanga hatrany. Nandritra ity fiofanana ity dia nampahafantarina ny mpandray anjara ihany koa izay tombony lehibe ho azy ireo, ireo karazan-trondro andalam-pikarohana imasoan’ny CDA Mahajanga ao anatin’ny fanantanterahana indrindra ny vinan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toe-karena Manga toy ny : 𝑷𝒂𝒓𝒆𝒕𝒓𝒐𝒑𝒍𝒖𝒔 𝒔𝒑 (Damba), 𝑳𝒊𝒛𝒂 𝒎𝒂𝒄𝒓𝒐𝒍𝒆𝒑𝒊𝒔 (Zompona), 𝑯𝒆𝒕𝒆𝒓𝒐𝒕𝒊𝒔 𝒔𝒑 (Vangolopaka), 𝑶𝒔𝒑𝒉𝒓𝒐𝒏𝒆𝒎𝒖𝒔 𝒈𝒐𝒓𝒂𝒎𝒚 (Laobazaha), 𝑷𝒂𝒓𝒂𝒕𝒊𝒍𝒂𝒑𝒊𝒂 𝒑𝒐𝒍𝒍𝒆𝒏𝒊 (Marakely),… #MPEB #CDAMahajanga #FamokaranaAnatyRano #Fampiofanana #Spiruline
Antsiranana, Faritra Diana
Ady amin’ny jono tsy ara-dalana
Tanterahana any Antsiranana, Faritra Diana ny 21 hatramin’ny 23 May 2025 ny atrikasa fampiofanana mikasika ny fampiasana « drône ». Tafiditra ao anatin’ny paikady fanamafisana ny ady amin’ny jono tsy manara-dalana, tsy voambara, ary tsy voafehin-dalana ity hetsika ity. Ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ary ny WWF no nikarakara ny atrikasa. Tanjona ny hampahafantatra ny teknolojia vaovao amin’ny fanaraha-maso eny an-dranomasina. Eo koa ny hanamafisana ny fifehezana ny jono amin’ny fomba mahomby. Nandray anjara ny avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono, ny Ivon-toerana mpanara-maso ny jono, ary ny FITSINJO. Manam-pahaizana avy any ivelany no tonga nanome ny traikefa. Eo ny « GRID Arendal » avy any Norvezy sy « Distant Imagery Solution » avy any Dubai. Samy manam-pahaizana amin’ny famokarana sy ny fampiasana « drône » amin’ny tontolo an-dranomasina izy ireo. #MPEB #CSP #FITSINJO #WWF #GRIDArendal #DistantImagerySolution #Drône #PêcheINN
Lapan’ny kolotsaina sy Lapan’ny Faritra Vakinankaratra, Antsirabe renivohitra, Faritra Vakinankaratra
Fivoriana andiany fahatelo ho fihomanana amin’ny « FifaninanaTanàna madio » ho an’ny Faritra Vakinankaratra.
Notanterahina ny faha 23 May 2025 ny fivoriana andiany fahatelo ho fihomanana amin’ny « FifaninanaTanàna madio » ho an’ny Faritra Vakinankaratra. Tsiahivina fa araka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny Ministra natao tany Toliara dia atao izao fifaninanana izao ho an’ireo renivohi-paritra 23 mba hanatsarana ny endrik’i Madagasikara sy hampanjakana ny fanjakana tsara tantana. Ho an’Antsirabe manokana dia tafiditra ho isan’ireo tetikasa hotanterahina ny sosokevitra roa naroson-dRtoa Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga izay makasika ny fanadiovana ankapoben’ny Tanàna sy ny fanavaozana sy fandaminana ny Tsena Asabotsy mba ho mendrika ny maha tsena lehibe indrindra azy ato anaty ny Ranomasimbe Indianina sy Afrika. Miara-mientana ny hery velona rehetra ary efa anatin’ny asa ny avy ao amin’ny #DRPEB_Vakinankaratra amin’ny fanomezana endrika ny birao sy ny manodidina ka isaorana ny fanohanana avy amin’ny #ENSOA sy ny #kaominin_ Antsirabe. #MPEB