BEALANANA ,FARITRA SOFIA
TONGASOA ETO AMIN’NY DISTRIKAN’NY BEALANANA ,FARITRA SOFIA NY MINISITRY NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA.
Ankoatry maha tanana mamoka-bary an’ny Distrikan’ny Bealalana dia Anisan’ny ahitana mpiompy trondro maro ihany koa eto an-toerana izay hahazo tombony mandritra ity fitsidihana izay tanterahin’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert ity satria hisitraka fampiofanana maimaimpoana arahina fanentanana ny fomba fiompiana trondro ho an’ny vahoakan’ny Bealalana ny tenany . Hisy ihany koa ny fitsidihana ireo toeram-piompiana trondro ao an-toerana Ary ny fifampitafana mivantana amin’ireo izay Efa misehatra ny amin’izany hampiroboroboana ny vokatra ao aminy. Tsara ny mizara ny fahaizana amam-pahalalana ho an’ireo olona manodidina anao ka izany no Maha zava-dehibe izao fitsidihana izao , ahafahan’ireo izay Liana rehetra mahaleo tena amin’ny sehatry ny asa Fiompiana trondro. #MPEB #FIOMPIANA_TRONDRO #DISTRIKA_BEALALANA
Loharano, Kaominina Ambanivohitra Ambila, Manakara, Faritra Fitovinagny
Fanentanana momba ny lalàna mifehy ny Jono
Nidinana ifotony tany Loharano, Kaominina Ambanivohitra Ambila ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Fitovinagny ny faha 22 May 2025 nanao hetsika fanentanana sy fampatsahivana momba ireo fehezan-dalàna mifehy ny Jono toy ny refy ny Oratsimba na Langouste, izay tokony mihoatra ny 20cm vao azo trandrahana, sy ireo fitaovampanjonoana izay voarara ny fampiasana azy toy ny haratobe, fagnamo, sns. Ankoatra izay dia nomena fampiofanana izy ireo izay niompana tamin’ny fitantanana ara-bola ao an-tokatrano sy ny fiainam-pikambanana. #MPEB #DRPEB_Fitovinagny
Nosy Be, Fascene, Faritra DIANA
Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, niaraka tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta maromaro, tonga hanatrika ny filan-kevitriny ny Ministra
Nigadona androany maraina 22 May 2025 tao Nosy Be, Fascene, Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, niaraka tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta maromaro, tonga hanatrika ny filan-kevitriny ny Ministra izay hotanterahana any an-toerana hiarahana amin’Atoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA, sy Atoa Lehiben’ny Governemanta, NTSAY Christian. Tonga nitsena sy nanome voninahitra azy ireo mpiara-miasa any an-toerana ka nitohy tamin’ny fifanan-kalozan-kevitra tamin’ireo mpiara-miasa any an-toerana ny fotoana. #MPEB #DRPEBDIANA #ConseilDesMinistres #NosyBe
Kaominina Alakamisy Ambohijato, Distrika Ambositra, Faritra Amoron’i Mania
Fampiofanana fiompiana trondro
Notanterahina ny faha 21 May 2025 tato amin’ny efitrano malalaka ny Kaominina ny fampiofanana fiompiana trondro izay notanterahin’ny DRPEB_Amoro_i_Mania. Miisa 96 ny mpiofana izay nahitana mpianatra sy mpampianatra avy ao amin’ny Lycée kilasy 1ère sy famaranana ary ireo misehatra sy maniry hiompy trondro. Ny fampiofanana moa dia natrehin’ny Ben’ny Tanàna sy CP miandraikitra ny Kaominina ary nanazava ny lalàna mifehy ny fiompiana trondro ny CP ary nanamafy fa raha misy fisoparana na tranga halatra trondro dia tsa misalasala fa manatona ny Biraon’ny zandarmaria aty ifotony manao fitarainana. Nofaranana tamin’ny fitsidihana dobotrondron’ny Fikambanana Miarina izay ahitana mpikambana miisa 16. #MPEB #Fiofanana_fiompiana_trondro #Fampamokarana_ny_Atirano
Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava
Fanjohiana ireo Mpiompy trondro
Taorinanan’ny fampiofanana nomena ireo tantsaha liana amin’ny fiompiana dia niroso amin’ny fanjohiana ny fiompiana ataon’izy ireo indray ny ekipan’ny DRPEB Bongolava. Arak’izany dia ny 17 sy 19 Mai lasa teo ny no nanatanterahina izany tao amin’ny kaominina Bevato sy kaominina tsiroanomandidy fihaonana. Natao izany ho fitarafana ny fampiharana eny ankianja ny fampiofanana nomena ireo mpiompy sy ho fanamafisana ny fampanarahana ara-tekinika ny toeram-piompina sy ny fomba fiompiana mba entina hanatsarana bebekokoa ny vokatra tokony ho azo. Tsapa ary mahavelombolo ny fahavitrihan’ireo mpikambana amin’ny finiavana amin’ny fampiroboroboana ny fihariana anaty rano any amin’ny Faritra Bongolava. #MPEB #DRPEB #Bongolava
Ambovombe, Faritra Androy
Fitsidihana toeram-pivarotana trondro ao Berary sy Solima Taloha
Nidina ifotony ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny faha 20 May 2025, nanentana ireo mpanao kinanga miisa 45 mba hanamboatra « carte mareyeur », noho ny fisiany fisavana hataon’ireo mpanaramaso ny jono. Nomena fe-potoana izy ireo hatramin’ny farany volana May ny hanara-dalàna momba ny fananana karatra. Nampiana fanazavana ny amin’ireo taratasy ilaina sy ny vola aloa arakaraky ny hazan-drano ho avarotra. Nitaraina ireo mpanao kinanga fa misy olona misoloky tonga maka vola eo am-pivarotana fa hoe mpanamboatra karatra dia tsy miverina intsony. Misy ihiany koa ireo mpisoloky misava karatra Mareyeur, koa rehefa mahazo fia na vola kely dia mangina. Nisy ny vahaolana raisina arak’ozany toy ny tsy maintsy hanaterana any amin’ny birao ny DRPEB ny antota-taratasy ilaina sy ny vola mifanaraka amin’izany, ny fampahafantarana fa ireo mpanaramaso ny jono ihiany no afaka misava azy ireo ary tsy maintsy manao ny akanjo amantarana sy badge maha mpanaramaso azy manokana. #MPEB #DRPEB_Androy
Faritra Melaky
Fidinanana tao amin’ny Nosy Barren
Ho fanamafisana ny fanentanana ireo mpanjono n’y amin’ny Faritra Arovana ao amin’ny Nosy Barren dia nisy ny fidinana ifotony tany an-toerana nataon’ireo manampahefana izay notarihin’ny DREDD sy DRPEB Melaky. Nampahafantarina azy ireo tamin’izany ny Faritra arovana, ny DINA sy ny lalana mifehy ny jono Ary ny fifindramonina an’ireo mpanjono. Nosy Telo no nanaovana fanentanana tamin’ity andiany voalohany ity dia Nosy mangily, Nosy Lava Ary Nosy Dondosy. Noararaotina tamin’izany ihany koa ny fihaonana tamin’ireo mpanangombokatra nanentanana azy ireo mba hanaraka ny fepetra rehetra amin’ny fivarotana hazan-drano. Marihina moa fa Blue ventures no nanampy ny arapitaovana izay vatsiany BAF vola. #MPEB #DRPEB #MELAKY #DREDD #VEZO_MIRAY
Kaominina Ambanivohitra Tanambe, Distrikan’Amparafaravola, Faritra Alaotra Mangoro
Fametrahana vato fototra amin’ny fananganana trano Fitehirizam-bokatra.
Notanterahina anio 19 Mey 2025 tao ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Tanambe, ao anatin’ny Distrikan’Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro ny fametrahana ny vato fototra amin’ny fananganana ny trano fitehirizam-bokatra . Izay niarahan’ny Direction Régionale de la Pêche et de l’Économie Bleue (DRPEB) Alaotra Mangoro, ny tetik’asa DURRELL, ary ny ben’ny tanànan’ny kaominina. Ity trano fitehirizam-bokatra ity dia hahitana vata fampangatsiahana manana habe 1500 litatra, izay natao hanohanana ny fikambanana avy amin’ny kaominina telo, dia ny Vohitsara, Tanambe, ary Ambodimanga. Ity tetik’asa ity dia mikendry ny hampiroborobo ny fitahirizana sy ny fivarotana ny vokatra avy amin’ny jono, ka hanampy amin’ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ireo mponina ao an-toerana sy ny fiarovana ny vokatra azo avy amin’ny hazan-drano. Ankoatran’izay dia nanararaotra nanentana sy nanao fampiofanana momba ny fitrandrahana maharitra ny hazan-drano ny ekipan’ny DRPEB ary nisy ihany koa ny fandraisana ny hetahetan’ireo mpanjono mba hahafahana mamaly ny filàna sy ny fanamby atrehin’izy ireo. Miisa 42 ny olona nanatrika ity fotoana ity izay solontenan’ny mpanjono. #MPEB #DRPEB_Alaotra_Mangoro #tetik_asa_DURRELL
Sekoly Ambonin’ny Zandarimariam-pirenena (ESGN) Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro
Resy lahatra ary hiroso amin’ny sehatry ny fiompiana trondro ho matianina kokoa.
Tontosa ny faha 16 Mey 2025 teo ny fampiofanana fiompiana trondro ho an’ireo mpianatra ho zandary miisa 97 teo anivon’ny Sekoly Ambonin’ny Zandarimariam-pirenena (ESGN) ao Moramanga. Fahalalana fototra mikasika ny fiompiana trondro no nozaraina nandritra izany ary niijerena ihany koa ny toeran’ny ivo-toerana hanatontosana ny fampiharana. Tsara ny manamarika etoana fa misy loharano tsy ritra, dobo efa vita ary tanimbary izay afaka havadika ho dobo ao an-toerana. Nitondra ny fampiofanana nandritra izao hetsika izao ny ekipan’ny Fitaleavana misahana ny Fihariana anaty rano (DA) avy any amin’ny Ministera sy ny ekipa avy ao amin’ny Fari-piadidin’ny Jono sy ny Toekarena Manga (CirPEB) tao Moramanga. Manampy ireo toerana izay azo hatao valan-tahaka akaiky ity toerana ity rehefa voajary. #MPEB #DA #DRPEB #CirPEB #ESGN_Moramanga #Fampiofanana_Fiompiana_Trondro #Toekarena_Manga
Marolomainty, Faritra Androy
Fandraisana ara-tekinika ny « glacieres » miisa 105 ao amin’ny Kaominina Maroalomainty avy amin’ny tetikasa MIONJO miaraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ny AIM
Notontosaina ny 16 mai 2025, fandraisana ara-tekinika ny « glacieres » miisa 105 ao amin’ny Kaominina Maroalomainty. « Glacieres » mahazaka 60l, izay avy amin’ny tetikasa MIONJO miaraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ny AIM. Ny Be ny tananan’ny Kaominina Maroalomainty no nandray izany, Tonga nanatrika izany moa ny ekipa ao amin’ny DRPEB Androy, MIONJO, AIM ary ireo mpanjono ao an-toerana. #MPEB #MIONJO#, #AIM#, #DRPEB #ANDROY,