Tsianolondroa, Distrikan’i Fianarantsoa I, Faritra Matsiatra Ambony
« Fanonkafana amin’ny fomba ofisialy ny iraivolan’ny fiahiana ara- tsosialy »
Tontosa ny faha 09 May 2025 ny varotra fampiratiana ireo vokatra rehetra azo tamin’ny alalan’ny fiahiana ara- tsosialy. Nandray anjara tamin’ny trano eva ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Matsiatra Ambony, izay nampahafantatra ireo tolotra rehetra omena eo anivon’ny DRPEB ho an’ireo mpiara- belona fa indrindra ireo mpiompy trondro. Teo ihany koa ny fivarotana trondro velona avy amin’ireo tantsaha izay nomen’ny #DRBEB_Matsiatra_Ambony fihofanana sy tantsoroka. 35 Kg no trondro namidy io andro io ary lafo tamin’ny vidiny 18 000 Ar/kg izy rehetra. #MPEB
Efitrano fivoriana, DRPEB Est Tribunal Antsirabe, Faritra Vakinankaratra
« Fangaraharana sy ady amin’ny kolikoly »
Taoriana ny fametrahana ny rafitra rejionaly iadiana amin’ny Kolikoly, #STAC teo anivon’ny #DRPEB_Vakinankaratra dia mitohy hatrany ny ezaka mba hisian’ny fangaraharana sy iadiana amin’ny kolikoly manoloana ny andraikitry ny tsirairay. Ho fanamafisana ny fahaiza-manao ny ekipa sy ho fanaraha-maso ny fanatanterahana ny drafi-trasa, PTA, mifanandrify amin’izany ary ho fametrahana ireo « dispositifs Anti -corruption » sy ny « Valeur régionale » dia mandray sy miara-miasa amin’ny ekipa STAC izay iraka avy any amin’ny Ministera Foibe izahay eto anivon’ny DRPEB Vakinankaratra, ny 08 sy 09 May 2025. #MPEB
Ihosy, Faritra Ihorombe:
Resy lahatra amin’ny Fiompiana trondro ireo Tantsaha.
Miha-mitombo hatrany ny olona resy lahatra amin’ny fiompiana trondro ao amin’ny Faritra IHOROMBE, isan’izany ny Fikambanana SOATATA(SOa gne TAnora Tea Asa) ao Ankatsaky, FKT Bemahabo, CR Sahambano, Distrikan’Ihosy.Taorian’ny fiofanana nomen’ny DRPEB Ihorombe sy ny ekipan’ny DA ny volana Avrily lasa teo dia tapa-kevitra ireo mpikambana fa fa hiditra amin’ny sehatra fiompiana trondro an-dobo sy an-tanimbary. Ho fanamafisana ireo toromarika ara-teknika nandritra ny fiofanana mba hahafahan’izy ireo miroso avy hatrany amin’izany seha-pihariana izan dia nidina ifotony tany an-toerana ny DRPEB sy ny CSRPA Ihorombe ny 08 Mai 2025. Marihina fa misy rano mandavan-taona vokatry ny fisian’ny « chute d’eau » avy any amin’ny alan’i Analamanara ity toerana, izay manondraka tanimbary sahabo ho 20Ha ary ireo Fikambanana SOATATA no mitrandraka izany. #MPEB #DRPEB #Ihorombe #Fiompiana_trondro
Mahajanga, Faritra Boeny
Tontosa soa amantsara ny fitsirihina momba ny asa fanjonoana niarahana tamin’ny « Telonify »
Tafaverina soa aman-tsara tao an-tseranan-tsambon’ny Mahajanga ny faha 08 mey 2025 teo ny sambo « Telonify », sambo malagasy mpanao fisafoana ny jono eo anivon’ny CSP na ny « Centre de Surveillance des Pêches » izay rantsa-mangaika eto anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) izay miandraikitra ny asa fanaraha-maso sy fitsirihina ny jono eto anivon’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Naharitra 14 andro izany fitsirihina izany ary notanterahina tany amin’ny fari-dranomasin’ny firenena niisa telo (3) dia i Kaomoro, Tanzania ary i Madagasikara. Nandray anjara mavitrika tamin’ izany ireo « inspecteurs des pêches » avy amin’ireo firenena telo ary izao iraka izao dia tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny fandaharan’asa ny Vaomiera ny ranomasimbe Indianina na COI antsoina hoe « ECOFISH » izay manohana ny « Plan Régional de Surveillance des Pêches » na ny Drafitra Rejionaly misahana ny fanaraha-maso ny Jono izay vatsian’ny Vondrona Eropeanina. Ny Famatsiam-bola ho an’i Kaomoro no nampiasaina nanetsehana ny sambo Telonify nandritra izao iraka fitsirihina izao araky ny fandaminana izay efa voapetraka eo anivon’ny PRSP. Amin’ny ankapobeny dia tsy nahitana sambo mpanjono an-tsokosoko intsony ny fari-dranomasina izay nanaovana ny asa fitsirihina nandritra izao iraka izao raha toa ka sambo niisa efatra (4) no tratra nanao asa fanjonoana tsy ara-dalàna sy antsokosoko no tratra ary nandraisana fanapahan-kevitra nandritra ny fitsirihina izay notontosaina ny taona 2024. #MPEB# COI #ECOFISH #CSP #Telonify #PRSP #63ème_mission_PRSP #Ady_amin_ny_Jono_Tsy_ara_dalàna_tsy voafanambara_tsy voafehin_dalàna #Pêche_INN
Distrikan’ny AMPARAFARAVOLA,FARITRA ALAOTRA MANGORO
HAMAFISINA NY FIAROVANA NY FARIHIN’NY ALAOTRA
Distrika Anisan’ny betsaka mpiompy trondro sy mpanjono ny eto Amparafaravola nohon’ny fananan’izy ireo ny farihin’ny Alaotra izay anisan’ny ahitana trondro Baraoa betsaka Ary manampy betsaka amin’ny asa fihariany tsirairay avy. Miha-mihena anefa ny vokatra nohon’ny fisian’ny tsy fanaraha-dalàna amin’ny fampiasana ny lay misy ody moka ka izany indrindra no antony lehibe nisian’ny fifanakalozan-kevitra teo amin’izy ireo niaraka tamin’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert Ary notron’ireo Tompon’andraikitra isan-tsokajiny teny an-toerana. Nomena vahana izy ireo nametraka ireo fanontaniana rehetra izay manitikitika azy ireo sy ny hetahetan’izy ireo nandritra ny fihaonana. Notsindriana mafy ny fandrarana ny fampiasana ny lay misy ody moka izay tena voararan’ny lalàna,eo ihany koa ny fisian’ireo fanafody maro be ao anatiny izay tsy mety amin’ny fahasalamana. Ho Hamafisina arak’izany ny fiarovana ity farihy lehibe eto Alaotra ity. Asa masina ny resaka fiompiana trondro hoy A/toa Minisitra ka tsy tokony hatao hatsirambina. Rehefa tsy miasa ihany koa ny mpanjono dia tsy misy trondro Tonga eny amintsika ka Mila mifampitsinjo sy hifanome tanana hatrany . #MPEB #LALANA_MIFEHY_NY_JONO #ALAOTRA_MANGORO #AMPARAFARAVOLA.
Nanisana-Antananarivo, Faritra Analamanga
FEPA andiany faha 17
« Ny Fiompiana, fanoitra lehibe amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara, izay no lohahevitra avoitra mandritra ny FEPA na Tsenaben’ny Fiompiana sy ny Vokatra azo avy aminy na « Foire de l’Élevage et de la Production Animale » andiany faha 17 izay tanterahina etsy Nanisana. Hetsika izay eo ambany fiahianan’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Manan-danja tokoa ity hetsika ity satria hanasongadinana sy hampirantiana ireo vokatry ny fiompiana an-tanety sy anaty rano. Hitantanana ireo mpamokatra ihany koa ahita lalam-barotra hanamorana ny famoaham-bokatra. Arak’izany dia hita eny an-toerana ireo trano eva misy ireo vokatra hazan-drano isan-karazany. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany ny FEPA andiany faha 17, nanontrona izany Atoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga TILAHY Désiré niaraka tamin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Haharitra 04 andro moa ity hetsika ity, izay hifarana ny Alahady ho avy izao. Tsara ny mana-marika fa ny MPE na ny » Malagasy Professionnels de l’Élevage » no mikarakara izao hetsika izao izay tafiditra anatin’ny fankalazana ny faha 30 taonany Ankehitriny. #MPEB #FEPA_2025 #Vokatra #Hazan_drano
FAMPIOFANANA FIOMPIANA TRONDRO
NAHAZO FAHALALANA MARO NY VAHOAKAN’NY BEMBARY MIISA 650
Vina lehibe izay napetraka ary Anisany ho tratrarintsika ny fizakan-tenan’i Madagasikara ara-tsakafo. Ny eto anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga dia miezaka hatrany manaparitaka ny teknikam-piompiana trondro manerana an’i Madagasikara ahafahan’ireo rehetra mahaleo tena Ary mahavita mande irery amin’ny asa fihariany amin’ny alalan’ny Fiompiana trondro . Anisan’izany ny fampiofanana izay notanterahin »A toa Minisitra MAHATANTE Paubert Teto amin’ny kaominina Bembary izay nahavory olona maro be. Tao ireo Vao hisehatra izay Vao handrato fahalalana ,ao ireo manampy traikefa Ary koa ireo izay te hiditra amin’ny sehatry ny matihanina kokoa . Fampiofanana Feno Ary maimaimpoana no natolotra azy ireo izay hirariana fa hampihatra izany avy hatrany ny tsirairay Rehefa vita ny fampiofanana ka hitondra avo ny kaominina izay misy azy ireo Ary hanenika erak’i Madagasikara #MPEB #FAMPIOFANANA #FIOMPIANA_TRONDRO #ALAOTRA_MANGORO.
BEMBARY , DISTRIKAN’NY MORAMANGA,FARITRA ALAOTRA MANGORO
Fampiofanana_fiompiana_trondro maimaimpoana
Tamin-kafaliana no nandraisan’ny vahoakan’ny Bembary an’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert izay Tonga nitsidika azy ireo ny 8 Mai 2025 . Fitsidihana izay nentiny nanomezana #fampiofanana_fiompiana_trondro maimaimpoana ho an’ireo rehetra izay Liana entiny hanampiana ireo vahoaka amin’ny resaka fidiram-bola ao an-tokatrano Ary koa ho an’ireo tsy an’asa. Ankoatry ny fampiofanana dia nanentana ihany koa ny tenany amin’ny Tsy tokony hampiasaina ny lay moustiquaires na lay misy ody moka amin’ny resaka fanjonoana noho izy voararan’ny lalàna. Nisy ihany koa ny fitsofandrano izay nataon’ireo tangala mena teny an-toerana nandritra ny fitsidihany. Hitohy hatrany Amparafaravola ny fitsidihany mandritra ity tontolo andron’ny 8 May ity izay entina hatrany hampiroboroboana ny sehatry ny Jono aty amin’ny Faritra Alaotra MANGORO sy eraky Madagasikara #MPEB #FIOMPIANA_TRONDRO #ALAOTRA_MANGORO #BEMBARY .
GREEN PARK ETO BEMBARY, DISTRIKAN’NY MORAMANGA:
MANAO NY FIOMPIANA TRONDRO ANATY FEFY MITSINGEVANA AMIN’NY FOMBA HAFA
APPEL MANIFESTATION D’INTERET POUR RECRUTEMENT DES AGENTS ENQUETEURS REGION ANALANJIROFO (VM)
Télécharger AMI