Centre Botovasoa Antsiranana I, Faritra Diana
Atrikasa fifampidinihana regionaly

Notanterahina tao Antsiranana ny 24 Aprily 2025, ny « Atrikasa regionaly momba ny famolavolana ny boky torolalana ho an’ny fametrahana Rafi-pandrindrana ho Fanajariana ny Fari-dranomasina (PSM) eto madagasikara » ,izay notarihain’ny Ministeran’ny Fanapariaham-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany #MDAT, ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB, ary ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy #MEDD niaraka tamin’ny fanohanan’ny #WWF. Ity atrikasa ity dia nahafahana nizara tamin’ny fomba mahomby ireo antanatohatra efa vita tao anatin’ity dingana manan-danja ny #PSM sy nanangona antontan-kevitra tena ilaina avy tamin’ireo mpisehatra an-dranomasina tao amin’ny Faritra Diana. Nivohitra tamin’ity fifanakalozan-kevitra ity ny momba ny firafitra sy ny andraikitra ny #COPIL, ny fitantanana ny angon-drakitra an-dranomasina,ny fomba fisorohana sy fitantanana ny fifandonana, ary ny fanamafisana ny fahaizamanao an’ireo mpisehatra ao an-toerana ho an’ny fampiharana mahomby ny PSM eto Madagasikara.

MPEB-SINA
Fanatsarana ny fiaraha-miasa miompana amin’ny Toekarena Manga.

Noraisin’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert teny amin’ny Birao fiasany teny Ampandrianomby ny 23 Aprily 2025 ireo « CICDA » avy any Sina miaraka amin’ny Masoivohon’ny Firenena hoentim-bahoaka an’i Sina monina sy miasa eto Madagasikara. Nandritra izany no niresahana ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny Toekarena Manga, toy ny fikarohana, ny fanjoana, ny fihariana anaty rano, ny fanatsarana ny fanondranana ireo vokatra an-dranomasina mankany Sina. Voaresaka ihany koa ny  » Forum Économique » izay ho karakarain’izy ireo ho atao anay Sina, hanasany an’Atoa Minisitra hanatrika izany. Noresahina koa ny hijerena ireo tetikasa iarahan’ny roa tonta ka Atoa Masoivohon’ny Firenena hoentim-bahoaka an’i Sina sy ireo ekipa teknikan’ny sy ny Ekipa Teknikan’ny Ministera no hiaraka hanokatra ilay tetikasa amin’izay fotoana izay. Hojerana miaraka ihany koa ny fanatsarana ny fiainan’ireo mpanjono sy ireo mpampiasa ranomasina amin’ny alalan’ny « amélioration du système d’alerte précoce », iarahana mahalala ny fahasahiranan’ireo mpanjono manoloana ny fiovaovan’ny toetry ny andro ankehitriny. #MPEB #SINA #FIARAHA_MIASA #TOEKARENA_MANGA

Mahajanga, Faritra Boeny
Fanentanana ICAM

Ho fanamafisana ny fanentanana mahakasika ny filao izay niteraka ICAM dia nisy ny fidinana ifotony ny 20 Aprily 2025 izay notanterahin’ireo teknisiana eto anivon’ny DRPEB Boeny. Namafisina arak’izany ny fanentanana ireo mpivarotra ao Morafeno, Mahavoky, Tsaramandroso, Jirama Amboboka ary mazava huile, mba tsy hivarotra ny filao antsoina hoe « Takolakola » hita ao anatin’ny « Famille Muillidae » ary ny fanentanana azy ireo ihany koa ny tsy ihinana azy io. Taorinanan’ny fanentanana izay natao sara ny dia tsy nahitana ilay filao intsony ireo bazary ireo. Raha araka ny tatitra avy amin’i Médecin inspecteur dia tsy nisy intsony ny tranga hoan’olona voapizina vaovao ny Alahady. #MPEB #DRPEB #Boeny #Fanentanana #ICAM

Maevatanàna sy Antafia, Distrikan’I Maevatanàna I sy II, Faritra Betsiboka
Fanentanana ireo mpivarotra trondro

Ny faha 18 sy ny faha 19 Aprily 2025 teo dia nisy ny fidinana ifotony notontosain’ny ekipa avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Betsiboka tao Maevatanàna antampo-tanàna sy tao amin’ny Fkt Antafia, Kaominina Ambanivohitra Maevatanana-II izay nifantoka tamin’ny fanentanana ireo mpivarotra haza an-drano. Ny tanjona dia ny hampahafantatra sy hamporisika ireo mpivarotra mba hanaraka ny lalàna mifehy ny fivarotana haza an-drano, indrindra ireo mpivarotra filao. Nohamafisina nandritra ny hetsika fa ilaina ny fanajàna ny fepetra napetraka, satria ny fanjonoana sy ny fivarotana ny filao madinika dia hisy fiantraikany ratsy amin’ny fiveloman’ireo mpanjono sy mpivarotra ary haharingana tanteraka ireo harena voajanahary izay tokony ho lovainjafy. Nanamafy ny DRPEB Betsiboka fa hanohy ny fanentanana toy izao izy ireo mba hampiroboroboana sy ho fampandrosoana maharitra ny sehatry ny jono ao amin’ny Faritra. Nanentana ireo mpivarotra sy ny mpanjono ihany koa izy ireo mba hiara-hiasa ho fiarovana ny harena an-dranomasina, izay ivon’ny toekarena sy ny fiveloman’ny mponina ao Maevatanàna sy ny manodidina. #MPEB #DRPEB_Betsiboka #Fanentanana_Mpivarotra_Hazandrano

FOJAEB
Les participants à la deuxième édition du Forum des Jeunes Africains sur l’Economie Bleue tenu à Toliara (Madagascar)

Les participants à la deuxième édition du Forum des Jeunes Africains sur l’Economie Bleue tenu à Toliara (Madagascar) les 17, 18 et 19 avril 2025, adressent leurs vifs remerciements et leur profonde gratitude aux autorités politiques et administratives de la République de Madagascar, pays hôte de la deuxième édition du FOJAEB, en occurrence à : Son Excellence Monsieur Andry Rajoelina, Président de la République de Madagascar, Chef de l’Etat Son Excellence Monsieur Ntsay Christian, Premier Ministre de la République de Madagascar, Chef du Gouvernement Son Excellence Madame Rafaravavitafika Rasata, Ministre des Affaires étrangères Son Excellence Monsieur Ralambofiringa David Herizo Ministre de l’Industrialisation et du Commerce Son Excellence Monsieur Ramonjavelo Manambahoaka Valéry, Ministre des Transports et de la Météorologie Son Excellence Monsieur Paubert Mahatante, Ministre de la Pêche et de l’Economie Bleue Son Excellence Madame Viviane Dewa, Ministre du Tourisme et de l’Artisanat Son Excellence Monsieur Fontaine Max Andonirina, Ministre de l’Environnement et du Développement Durable Son Excellence Monsieur Abdoulah Marson Moustapha, Ministre de la Jeunesse et des Sports L’honorable Deputé d’Ampanihy, Razafiarison Andriamanantena, President de la Commission recherche au sein de l’Assemblée Nationale Le Gouvernorat d’atsimo Andrefana La Préfecture de Tuléar La Commune Urbaine de Tuléar Les Assistants parlementaires Nos remerciements sont également adressés à nos partenaires institutionnels : Les délégations de l’Union des Comores, de la Guinée Bissau et de la Guinée Equatoriale ; en tant que Pays associés l’Union Européenne ; ’Union Africaine ; la Banque Africaine de développement (BAD) ; l’Organisation Internationale du Travail (OIT) ; le Programme des Nations Unies pour le Développement ( PNUD) ; la Commission économique des Nations Unies pour l’Afrique (CEA), The Food and Agriculture Organisation (FAO) la SOGET – AIRUDI : BEST FOR AFRICA GROUP ; CMCP-Bénin ; Orange Marine ; IBL ; au World Ocean Council ; à la Zone de Libre-Échange Continentale Africaine (ZLECAF) ; la Société de Port à gestion Autonome de Toamasina ; (SPAT) la Société de Manutention des Marchandises Conventionnelles (SMMC) l’Agence Portuaire Maritime et Fluviale (APMF) au Projet Pôles Intégrés de Croissance (PIC) ORTU Observatoire de la Jeunesse Global Fishing Wacth au projet MIONJO ; l’ARSTM ; le CEFMC ; l’Université de Tuléar et l’Institut Halieutique et des Sciences Marines (IHSM) ; l’Université de Nantes ; Alliance Française YAS les compagnies aériennes Ethiopian Airlines, Air France et Madagascar Airline ; Honko Salama MAPROSUD COPEFRITO IOT OCEAN FARMERS MUREX FDA EDBM Fishes Banking Mada Survey RENAFEP MADA WOMESA YSO MADAGASCAR SANSAFA WWF BLUE VENTURES CARSO EQUINVEST AMBINITSOA SIRINE SUSANE LOHARIAKE la presse nationale et internationale ; Enfin, l’OPJEB exprime sa profonde gratitude et son soutien à toute la jeunesse africaine et Malagasy pour leur mobilisation et participation active. #ENSEMBLE_ON_IRA_LOIN

Toliara ,Faritra Atsimo Andrefana.
AMARANANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FIVORIAMBEN’NY TANORA ATY AFRIKA MAHAKASIKA NY TOEKARENA MANGA

Tamin-mpiraviravoana tanteraka no namaranana ny hetsika lehibe Iraisam-pirenena natao Teto Toliara nandritra ny Telo izay nanantaterahina ny Fivoriamben’ny Tanora aty Afrika mahakasika ny Toekarena Manga. Nandritra izany Dia samy resy lahatra ny rehetra fa anisan’ny sehatra iray azo hivelarana tsara ny sehatry ny Toekarena Manga n’a amin’ny lafiny #famoronan_asa ho an’ireo Tanora izany na amin’ny ady amin’ny #tsy_fanjarian_tsakafo na ny lafiny #ara_pivelomana izay manampy betsaka amin’ny fidiram-bola isan-tokantrano. Tonga nanome voninahitra ny Famaranana izany Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert #MPEB , ny Minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahatena A/toa MARSON MOUSTAPHA Abdullah #MJS, Ny filohan’ny #OPJEB Mr Ernest TINDO,Ny fifanomezan-tanana tamin’ny Ministeran’ny fizahantany sy ny asa-tanana izay notarihin’ny R/toa Viviane DEWA #MTA sy ny Ministeran’ny fitanterana sy ny famantarana ny toetr’andro notarihin’ny Minisitra Valéry RAMONJAVELO #MTM nandritra ity Hetsika lehibe ity. Tsy adino ireo Tompon’andraikitra Ambony isan-tsokajiny Teto amin’ny Faritra Atsimo andrefana izay notarihin’A/toa Governoran’ny Faritra. Hinoana fa nahazo ny Tandrify azy avokoa ireo Tonga nanatrika indrindra fa ireo Tanora izay Tonga maro nandritra izany , Tanjona ny hampalehotena azy ireo ,tsy hiankin-doha fa hahay hiarina sy hamindra irery. #FOJAEB #MPEB #MTA #MJS #MTM #TOLIARA #ATSIMO_ANDREFANA

FOJAEB, JOUR 3. PANEL 7
Thème 1 : Etat des lieux à aujourd’hui et planification, prospective sur les formations et les emplois dans l’économie bleue

LES PANELISTES : M: Pof. Francis Roberto VERIZA / PDT de l’Université de Toliara. Directeur exécutif adjoint de AEF Spécialiste de l’économie bleue et emplois verts, Bureau de Pays de l’OIT pour Madagascar,les Comores, Maurice et les Seychelles Expert Économiste, Directeur du Laboratoire CRED de l’université d’Antananarivo Intervention du directeur du CDMO de l’université de Nantes (France) Directeur adjoint du CEFMC ( France) Directrice de SOGET Academy ( France) Directeur ARSTM LIEN DE LA VIDEO https://www.facebook.com/share/v/19VtNwSZjN/

FOJAEB ,PANEL 5
THÈME : INNOVATIONS TECHNOLOGIQUES ET DÉVELOPPEMENT DE L’ÉCONOMIE BLEUE DURABLE.

LES PANELISTES : Andriantsilavo Jean Michel RABARY Responsable Marketing SOGET Conseiller d’Afrique du PDG de la SOGET Directeur Général AIRUDI Afrique Directeur maintenance des câbles sous-marins à Orange marine Coordonnateur Pôle Intégré Croissance (PIC) Madagascar. Directeur Interrégional du développement Numérique,des postes et de Télécommunication. LIEN DE LA VIDEO : https://www.facebook.com/share/v/18wxH7ocdy/