Nosy Faly , Antafiambotry, Distrikan’ny Ambanja , Faritra DIANA
Fizarana marim-pakasitrahana nomena ireo nanaraka Fiofanana mahakasika ny Fitadiavana vahaolana miankina amin’ny natiora niarahana tamin’ny Tetikasa Resea
Ankoatry ny fanokafana ny Jono mahaloky dia nisy ny fizarana marim-pakasitrahana nomena ireo nanaraka Fiofanana mahakasika ny Fitadiavana vahaolana miankina amin’ny natiora mba hitondra vokatra ho an’ny firenena Izay niarahana tamin’ny Tetikasa Resea. Ny fampitaovana ho an’ny fikambanan’ny mpanjono toy ny Vedette hanaovana ny surveillance communautaire avy amin’ny Blue Ventures. Misy ihany koa ireo tady mahazaka hampiasaina eny ampanjonoana avy amin’ny Blue Ventures, ireo kits de surveillance ho an’ny polisin-drano, ny permis de collecte sns… Hisaorana hatrany ireo Mpiara-miombon’antoka sy izay nisalahy rehetra nandritra ny hetsika fanokafana amin’ny fomba ny fanjonoana mahaloky #MPEB #PROJET_RESEA #RESAU_MIHARI #UICN #PROJET_RIAKA #BLUE_VENTURE
NOSY FALY , AMBANJA, FARITRA DIANA
LANONAM-PANOKAFANA NY FANJONOANA MAHALOKY
Nandritra ny 3 volana nanomboka ny 31 décembre hatramin’ny 31 mars no nikatona ny fanjonoana mahaloky ho an’ireo mpanjono eto aty amin’ny Faritra avaratry ny Nosy eto Madagasikara. Notanterahina Anio 31 Martsa ny lanonana fanokafana izany amin’ny fomba ofisialy Raha ny 01 Aprily kosa no mandeha manjono midina an-dranomasina ireo mpanjono. Ny Antony dia ahafahana mampanara-dalana hatrany ireo mpanjono izay misehatra amin’ity mahaloky ity . Hazan-drano Anisan’ny mampidibola ny mahaloky. Nisy kosa anefa ny fanentanana maro samihafa nandritran’izany ahafahana mahazo vokatra maro. Ny firaisankina sy firaisan-tsaina no tena mampiavavaka an’ireo mponina satria izay no ahafahana manatsara sy mahita tombotsoa hoy a/toa Minisitra MAHATANTE Paubert nandritra ny fandraisam-pitenenany. Izao no tanteraka dia nisy ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny sehatra tsy miankina isan-tsokajiny. Marihina fa Hananan’ny Faritra avaratra avokoa ireo harena mampiavaka an’i Madagasikara izay ho lovain’ireo taranaka fara-mandimby. Hisaorana ireo sehatra tsy miankina sy mpiara-miombon’antoka toa ny Projet Resea , blue Ventures, Projet Mihari , UICN , Projet Riaka , C3 sy ireo izay niara-nisalahy tamin’ny Fanantaterahina izany. MAHALOKY ,FIVELOMAKO KA AROVAKO #MPEB #JONO_MAHALOKY #FANOKAFANA #MPIARA_MIOBON_ANTOKA #FARITRA_AVARATRY_NY_NOSY
FARITRA DIANA
FITSIDIHANA IARAHANA AMIN’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert
Mitohy eto amin’ny Faritra Diana indray ny fitsidihana entina hampandrosoana ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga izay tarihin’A/oa Minisitra MAHATANTE Paubert. Tonga soa amantsara eto Nosy be ny tenany Anio 30 Martsa 2025 Maro ireo hetsika izay ho Tanterahina anisan’izany ny : FANOKAFANA ny #JONO_MAHALOKY ao #Nosy_Faly Fizarana « Vedette » hanaovana ny surveillance communautaire ao #Nosy_Faly . Fizarana ireo lakana en fibre de verre ho an’ny fikambanan’ny mpanjono ao Nosy Faly. Ary fitsidihana ireo foto-drafitrasa rehetra mifandraika amin’ ny sehatry ny Jono ao Nosy be sy ny ahafahana mampiasa ireo araky ny tokony ho izy . Haharitra 4 Andro kosa ny fitsidihany eto an-toerana. #MPEB #FARITRA_DIANA.
Ampasikely , kaominina Antafia Ambotry , Distrika Ambanja
MIFAMENO NY ASA FANJONOANA SY NY FAMBOLENA LOMOTRA
Efa an-taonany maro ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga no manao izao asa fampiroboroboana ny asa fambolena lomotra izao eto Madagasikara, Raha tsiahivina dia lomotra manodidina ny 3000 taonina d’algues sèche no ho tratrarina manodidina ny taona 2030. Ho an’ny androany dia nijery Mivantana ny toerana izay hambolena lomotra izay ataon’ny orinasa Riaka A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert, orinasa noho ny Mampifandray ny asa fanjonoana sy ny asa fambolena lomotra , Mamelona olona maro ny fambolena lomotra satria dia ao anatin’ny ray volana dia mahazo hatrany amin’ny 2 tapitrisa ariary ireo mpanjono, Raha eto amin’ity toerana ity manokana dia mahazo 225 000 isan-kerinandro ireo mpanjono. Ny Tanjona amin’ny ho avy arak’izany dia ny ahafahana manodina azy ireto vokatra ireto eto Madagasikara #MPEB #FAMBOLENA_LOMOTRA #ORINASA_RIAKA #FARITRA_DIANA #AMBANJA.
TOLIARA , FARITRA ATSIMO ANDREFANA
Fizarana zana-trondro maimaimpoana ho an’ireo tanora sy Renimpianakaviana
Tanteraka soamatsara ny fizarana ireo zana-trondro maimaimpoana ho an’ireo tanora sy Renimpianakaviana izay efa nisitraka ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro Teto Toliara , miisa 50 izy no hisitraka izany. Hisaorana ny Teo anivon’ny « la bonne fermière » tamin’ny fanomezana ireo zana-trondro Ary Hisaorana ihany koa Isika Tanora izay niarahana nisalahy tamin’ny lamina sy fandaminana rehetra Ho antsika izay te #hisitra #fampiofanana #fiompiana_trondro eto toliara kosa dia manome fotoana antsika afaka roa herinandro dia Efa hanantateraka izany eto an-toerana A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert hanantateraka izany ka dia Efa mampiomana antsika sahady. #Ndao_hampiroboroboantsika_ny_sehatry_ny_fiompiana_trondro.
Hôtel NAMBININA Ambositra, Faritra Amoron’i Mania
Atrikasa fampahafantarana ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa 4F/ASAM
Atrikasa fampahafantarana ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa 4F/ASAM, vatsian’ny #BMZ coopération Allemande vola, iarahana amin’ny Minisitera ny Jono sy ny Toekarena Manga ka ny #ONG_APDRA no manatanteraka ny asa ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania, izay notanterahina ny faha 28 Marsa 2025. Nisy ny fanaovana tombana ny ezaka vita tamin’ny PADM mba hahafahana manatsara ny fomba fiasa amin’ny #4F_ASAM. Ny tanjony tetikasa dia ny fampiroboroboana ny sehampihariana trondro mba ho ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ho fidiram-bola maharitra ho any isam-batan’olona. Izao atrikasa izao dia natrehan’ny Mme VPAN sy Solombavambahoaka 2 voafidy tao amin’ny Distrika ny Ambatofinandrahana sy Manandriana ary ny AP ny solombavambahoaka voafidy tato amin’ny Distrika Ambositra, tao iany koa ny SG any Faritra sy ny Ben’ny Tanàna ao amin’ny Kaominina 28 izay iasan’ny Tetikasa ary ireo solotenany mpiompy trondro sy ireo mpiaramiombonantoka isantsokajiny ao amin’ny Faritra. #MPEB #DRPEB_Amoron_i_Mania #Fampamokarana_ny_Atirano
Fokotany Ambavarano, Kaominina Mahavanona, Distrika ny Antsiranana II, Faritra Diana
Fisokafan’ny Jono Horita 2025 ilany atsinanana Faritra Diana
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny faha 28 Marsa 2025 tao Baie d’antalaha, Fokotany Ambavarano, Kaominina Mahavanona, Distrika ny Antsiranana II izay anatin’ny faritra arovana tantanan’ny Conservation Internationale, ny jono horita ato amin’ny faritra Antsinana ny Diana raha nihidy nanomboka ny 01 Janoary 2025. Ny lehiben’ny Distrika ny Antsiranana II no nitarika ny solontenam-panjakana nandritra izany fotoana izany ary notron’ireo delegasiona hafa avy amin’ny Ministera roa mpiahy dia ny #MEDD sy #MPEB ary ireo olona rehetra misehatra amin’ny fampiasana, fiarovana sy fikobabiana ny harena an-dranomasina sy ny rohivoahary ao aminy. Marihina fa tsara ny vokatra horita tamin’ity taona ity noho ny taona lasa izay ratsy noho ny fandalovan’ny rivo-doza GAMANE. Nisy nahatratra hatramin’ny 102kg ny horita azon’ny mpanjono iray tamin’ity andro voalohany ity. Tsara fantarina fa mbola misy andro maromaro hiasana ireo mpanjono mandritra ity samonta voalohany ity izay mbola alefa miandalana eo ny antotan’isa. #DRPEB_Diana #CI #jono_horita
FORUM DES JEUNES AFRICAINS SUR L’ÉCONOMIE BLEUE #FOJAEB , TOLIARA
J-19 Mialohan’ny hetsika lehibe FOJAEB 2025 izay ho Tanterahina eto toliara ny 17 au 19 Aprily 2025 dia miezaka manakaiky sy mifampizara mivantana amin’ireo tanora eto an-toerana ny ekipan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga izay tarihin’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert. Hampahafantarina azy ireo ny maha-zava-dehibe ny hetsika toy izao ho an’ny firenena indrindra ho an’ny ho avin’izy ireo Raha manam-pikasana hisehatra amin’izany lafiny Toekarena Manga izany. Izao ihany koa no hatao hoy A/toa Minisitra dia hahatonga ny zanaky Toliara ho tompony fa tsy ho mpindrana satria hita ao an-toerana avokoa ireo singa ahafahana manatanteraka ity fihaonam-be ity Raha tsy hiteny ny fananany ranomasina Anisan’ny lava indrindra, ireo karazana renirano, ny seranantsambo sns .. #MPEB #FOJAEB2025 #TOLIARA #FARITRAATSIMOANDREFANA
FOJAEB 2025
MANAMPY IREO TANORA ATY AFRIKA AMIN’NY FAMPANAN’ASA IZAY MITODIKA BEBE KOKOA AMIN’NY SEHATRY NY TOEKARENA MANGA
20 andro mialohan’ny fihaonam-ben’ny Tanora mahakasika ny Toekarena Manga eto Toliara dia mitohy hatrany ny famelabelaran-kevitra manodidina ny Fanantaterahina izany niarahana tamin’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert. Nosokajiana manokana ireo Tanora mpianatra ety amin’ny anjery manontolo ahafahan’izy ireo mahalala misimisy kokoa ny maha-zava-dehibe ny hetsika toy izao sy ny tombotsoa entiny amin’ny ho avin’izy ireo eo amin’ny sehatry ny asa. Ankoatr’izay Dia fotoana ihany koa Hampahafantatra an’i izao tontolo izao ireo Zavatra mampiavaka an’iMadagasikara amin’ny sehatry ny Toekarena Manga Marihina hatrany fa Tanora maherin’ny 500 no andrasana andray anjara amin’ity fihaonam-be izay ho Tanterahina aty amin’ny Faritra Atsimo andrefana ity. #MPEB #FORUM_DES_JEUNES_AFRICAINS #MADAGASIKARA
SYSTÈME D’ALERTE PRÉCOCE
FANJONOANA LAVITRY NY LOZA NO TANJONA
Taorian’ny Faritra Androy sy Anôsy dia eto amin’ny Faritra Atsimo andrefana indray no nanantaterahina ny Atrikasa mahakasika ny fampahafantarana an’ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny ranomasina momban’ireo fahaiza-manao sy ireo fitsipika rehetra noraisin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ahafahana mampisy izany fanjonoana tsy misy loza izany eto Madagasikara. Marihina fa i Madagasikara dia anisan’ny Nosy lasibatry ny fiovaovan’ny toetr’andro izay mitarika ny fahabetsahan’ny rivotra sy rivodoza Ary indrindra ny tsioka Atsimo izay matetika mandalo ato amin’ny Faritra Atsimo andrefana raha nambaran’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert. Miha-malemy arak’izany ny fahafahan’ireo mponina miatrika izany indrindra ireo mpanjono ka zava-dehibe ny fanamafisana ny fampahafantarana misimisy kokoa azy ireo mikasika ny #Systeme_d_Alerte_Précose (SAP) Izay no mahatongan’ny hery velona rehetra ato amin’ny Faritra Atsimo andrefana izay Mifanome tanana amin’ny ahafahana manamafy ny fiarovantenan’ireo mpanjono. Ezahina ho aparitaka amin’ny Faritra rehetra amoron-dranomasina izao hetsika izao izay Hisaorana an’ny Tetikasa MIONJO amin’ny fanohanana rehetra. #MPEB #SAP #TETIKASA_MIONJO #ATSIMO_ANDREFANA