Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana, Vatovavy et Fitovinany
Communiqué sur l’ouverture de la Pêche aux langouste pour la campagne 2025
DIANA
Communiqué sur l’ouverture de la Pêche aux Mahaloky pour la campagne 2025
CCI, Tsimenatse I, Toliara
Fihaonana ho fanamafisana ny fikarakarana ny #FOJAEB
Ny faha 17, 18 sy 19 ny volana Aprily izao no ho tanterahina ao Toliara ny #FOJAEB na ny » 𝐅𝐨𝐫𝐮𝐦 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐉𝐞𝐧𝐞𝐮𝐬𝐬𝐞 𝐏𝐚𝐧𝐚𝐟𝐫𝐢𝐜𝐚𝐢𝐧𝐞 𝐬𝐮𝐫 𝐥’𝐄𝐜𝐨𝐧𝐨𝐦𝐢𝐞 𝐁𝐥𝐞𝐮𝐞 » na ny Fivoriamben’ny Tanora Panafrikanina momba ny Toekarena Manga andiany faha 2. Tonga any Toliara ny Minisitry ny Jono sy Toekarena izao maraina izao hivory amin’ireo sokajin’olona maro samihafa mba samy hifarimbona hifanome tànana amin’ny fikarakarana sy ny fanatanterahana izany ho tombotsoan’i Madagasikara. Nanamafy ny hambopon’ny rehetra izao fihaonana izao ary nifanome toky ny hifanohana. Fihaonana voalohany natao niaraka tamin’ireo Orinasa miantsehatra amin’ny Toekarena Manga eto Toliara izao natao izao izay notarihin’Atoa Minisitra MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert izay notronin’ireo Mpiaramiasa anaty Kabinetra sy Fitaleovam-paritra any ifotony. #FOJAEB #Economie_Bleue #Jeunesse #Toliara #MPEB
Faritra Boeny Distrikan’i Mahajanga I,Kaominina ambonivohitr’i Mahajanga
Atrikasam-pirenena mahakasika ny Jono lamatra eto Madagasikara.
Manatontosa ny atrikasam-pirenena fakan-kevitra mahakasika ny fitantanana ny jono lamatra eto Madagasikara ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Natomboka androany faha 26 ka hifarana ny faha 28 martsa hoavy izao izany, izay ahitana mpandray anjara marolafy toy ny avy amin’ny fiarahamonimpirenena, ny mpandraharaha, ny mpanjono madinika, ny fikarohana, ny mpiaramombon’antoka ary ny mpitantandraharaham-panjakana foibe sy ny avy amin’ny faritra.Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy andriamatoa TILAHY Désire Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Tanjona mandritra ity ny fijerena ny fanampahan-kevitra raisina mandritry ny fivoriambe faha 29 ny vaomiera mitantana ny jono lamatra eto anivon’ny Ranomasimbe Indiana (CTOI) izay hatao any la Réunion Frantsa. #MPEB #DRPEB_Boeny #Jono_Lamatra #CTOI #Toekarena_Manga
Fokontany Ampandratokana, Faritra Ihorombe
Nidina ifotony ny Fitaleavam-paritry ny Jono nitondra tantsoroka ara-teknika eo amin’ny fitantanana ny sakafon-trondro
Nidina ifotony ny faha 25 Marsa 2025, ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Ihorombe, tao amin’ny Fokontany Ampandratokana, Kaominina Ambanivohitra Ankily, Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe. Nitondra tantsoroka ara-teknika eo amin’ny fitantanana ny sakafon-trondro sy ny kalitaon’ny rano izay nampianarina an-dry Masera izay manana olana eo amin’ny kalitaon’ny rano nohon’izy diso maitso loatra. #MPEB #DRPEB_Ihorombe #Fampamokarana_ny_Atirano
Kaominina Ambanivohitra Boanamary, Distrikan’i Mahajanga II
Fanentanana ifotony sy fampitaovana ireo mpanjono madinika.
Nanatanteraka fihaonana tamin’ireo mpanjono ny teo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Boeny ny faha 25 Martsa 2025 teo tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Boanamary. Maromaro ny fifanakaloazana sy ny fifampizarana natao teto anisan’izany ny fanentanana mahakasika ny lalàna mifehy ny Jono an-dranomasina ,fanentanana mahakasika ny fanajana ny tontolo iainana ny rohy voaary sy ny ala honko,fizarana karatra maha mpanjono ary fizarana fitaovana hoan’ireo mpanjono ara-dalàna toy ny harato,salotra vonjy aina sns. Nanome voninahitra ny fotoana moa ny lehiben’i Distrikan’i Mahajanga II, ny Ben’ny Tanana Boanamary ary ny solotena avy amin’ny DREDD Boeny.Marihina fa ny DELC no nitondra ny tan-tsoroka nahafahana nanatanteraka izao fifampizarana izao. #MPEB #DRPEB_Boeny #DELC #Fampitaovana _Mpanjono #Mpanjono
MADAGASIKARA & IRAN
HO HATSARAINA NY FIFANARAHAM -PIARAHA-MIASA AMIN’NY LAFINY ARA-TOEKARENA
Ampandrianomby,Antananarivo , 26 Martsa 2025 Noraisin’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert Teto anivon’ny Ministera ny iraka avy amin’ny Masoivohon’i Iran hijery ny ahafahana #manatsara hatrany ny #fiaraha_miasa amin’ny lafiny #ara_toekarena. Marihina fa ny sehatry ny Toekarena Manga dia Anisan’ny kitro hifaharan’ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara. Tafiditra tao anatin’izany ny Fanatsarana ny fihariana anaty rano ( Aquaculture) , ny fomba fanamboarana ireo Sambo Madinika , ny fomba ahafahana miaro sy mijery ny sisin-dranomasin’i Madagasikara amin’ny alalan’ilay drone maritime manoloana ny mety hisian’ny tsy fanaraha-dalàna. Marihina ihany koa fa Efa nisy ny fiaraha-miasa Téo aloha ka aorian’ izao fihaonana izao dia hirariana fa hampiakatra avo ny lafiny ara-toekarena eo amin’ny firenena roa tonta. Ankoatr’izay Dia misy ny fanasana ataon’izy ireo ho antsika avy eto amin’ny Ministera hanatrika ny « Conférence économique Iran-Afrique » andiany fahatelo izay atao ny faha 27 aprily hatramin’ny 1 May 2025 ao Téhéran Ary koa ny 7eme Iran expo 2025 izay atao ny 28 Aprily hatramin’ny 2 May 2025. #MPEB #IRAN #FIARAHAMIASA
𝐅𝐎𝐉𝐀𝐄𝐁 𝟐𝐞̀𝐦𝐞 𝐞́𝐝𝐢𝐭𝐢𝐨𝐧 𝟐𝟎𝟐𝟓
𝐌𝐀𝐍𝐎𝐃𝐈𝐃𝐈𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝟓𝟎𝟎 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐓𝐀𝐍𝐎𝐑𝐀 𝐇𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐀 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍𝐀 𝐅𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝟓𝟒 𝐀𝐓𝐘 𝐀𝐅𝐑𝐈𝐊𝐀.
I Madagasikara dia anisan’ny firenena ivon’ireo fivoriambe manerantany indrindra aty Afrika amin’ity taona 2025 ka iray ao anatin’izany ity #fihaonam_ben_ny_tanora mahakasika ny #toekarena_manga izay ho tanterahina any Toliara ,faritra Atsimo Andrefana ny 17,18,19 Aprily 2025 ho avy izao . tanora manodidina ny 500 avy amin’ny firenena 54 avy aty Afrika no Andray Anjara amin’izany ao koa ireo manam-pahaizana maro izay hifampizara traikefa ary ireo mpiara- miombon’antoka isan-tokony . Nosafidiana manokana i Toliara noho izy anisan’ny ahitana ranomasina , renirano, seranan-tsambo, fanjonoana Madinika vaventy Ary salatsalany , fiompiana zanga , fambolena lomotra, Ny institut halieutique et des sciences marine eto Madagasikara sy ireo valanjavaboahary anaty ranomasina harovana isan-karazany sy ny maro hafa. Marihina famanodidina 60% n’ny tanora eran’izao tontolo izao dia Afrikanina avokoa. Ahoana arak’izany no ahafahantsika miatrika ny ho avin’ireo tanora ireo na amin’ny lafiny sakafo ,na arak’asa , na maha olona? Izany indrindra no maha-zava-dehibe ny resaka #toekarena_manga amin’ny maha #fanohitra azy ahafahantsika #miatrika_ny_filana rehetra amin’ny maha olombelona antsika tsirairay avy. #MPEB #MJS #OPJEB #TOLIARA #FOJAEB_2025
Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga
Fihaonana tamin’ny Masoivohon’ny Repoblika Entimbahoakan’i Sina
Noraisin’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert tao amin’ny birao fiasany teny Ampandrianomby androany 24 Martsa 2025 Son excellence Atoa JI Ping, Masoivohon’ny Repoblika Entimbahoakan’i Sina. Nifampiresahan’ny roa tonta nandritra ny fihaonana ny hanatsara hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Sina amin’ny lafiny Toekarena Manga sy ny fanamafisana hatrany ireo fiaraha-miasa hatramin’izay. Hisy ihany koa ny fijerena akaiky ny mahakasika ny lafiny fikarohana, ny fanondranana entana sy fanafarana entana mahakasika ny Toekarena Manga. Amin’ny volana May ho avy izao dia handalo eto Madagasikara ireo avy amin’ny « douanes Chinoises » na ny GACC dia efa miomana sahady manoloana izany isika eto Madagasikara. Fehiny izany dia anisany nahazoanatsika vaovao tsara ny amin’ny hanatsarana ny fiaraha-miasa miaraka ny fandalovan’Atoa Masoivoho eto izao afahantsika manatsara ny sehatry ny Toekarena Manga. #MPEB #CHINE #Fiaraha_miasa #Fanatsarana #Toekarena_Manga
Taolagnaro, Faritra Anôsy
Fanadihadiana mahakasika ny trondro Lamatra na « Thon » eo amin’ny jono madinika sy fametrahana ekipa mpanao fanadihadiana
Notanterahina ny 11 ka hatramin’ny 22 Marsa 2025 lasa teo ny fanadihadiana sy fakàna antontanisa momba ny jono lamatra na » thon » amin’ny alalan’ny jono madinika ato amin’ny faritra Anôsy izay tanterahin’ny ekipa avy amin’ny #DESP na « Direction des Études, de la Statistique et de la Planification » avy amin’ny Minisitera foibe sy ny #DRPEB_Anôsy. Ankoatra izay, dia nisy ihany koa ny fametrahana sampana hanao ny asa fanadihadiana mandritra ny taona mahakasika ireo karazana hazandrano ireo ao amin’ny Faritra Anôsy ka tanàna miisa roa no hametrahana azy dia i Analapatsy sy i Ste Luce izay samy ao anatin’ny Distrikan’ny Taolagnaro. Nomena fiofanana manokana sy nozaraina fitaovana hoentina miasa ireto ekipa ireto toy ny « tablette », « imperméable », « botte de pluie », sy « bloc note », sns. Tontosa izao, dia noho ny finiavan’ny fitondram-panjakàna tamin’ny alalan’ny Ministera ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB, hanaraka ny fepetra izay lany teo anivon’ny vondrona #CTOI. Marihina fa i Madagasikara dia mpikambana feno ao anatin’ity vondrona ity. Tanjona, ny hametrahana fitantanana maharitra sy mirindra ny lamàtra ato anatin’ny fari-dranomasin’ny Madagasikara sy ny Ranomasimbe Indianina.