MANAMPISOA, ANTSIRABE II , FARITRA VAKINANKARATRA
BEBE RAZAFIARINETY : MIVELONA AMIN’NY ASA FIOMPIANA TRONDRO
75 taona i Bebe Razafiarinety izao Milona tanteraka anatin’ny fiompiana trondro izao . Resy lahatra tanteraka ny tenany noho izy ity izay manala fahasahiranana , ahafahany mampisakafo ara-dalana ireo zafikeliny izay misy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo Ary koa ahafahany mampianatrabazy ireo. Miara-miasa akaiky amin’ny APDRA izay mpanatanteraka ny Tetikasa SANUVA ny tenany izay anisan’ny mpanetsiketsika ny asa Fiompiana trondro ao amin’ny tanana misy azy . Marihina fa Sady mamboly ihany koa ny tenany izay sehatra afaka ampiarahana tsara amin’ny toerana misy rano toy izao amin’ny alalan’ny fanaovana ny « rizipisciculture » Faly Ary nankasitraka ny tenany tamin’ny fanohanana rehetra izay nataon’ny Tetikasa fa indrindra ireo toromarika rehetra Mbola nohamafisin’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert nandritra ny fitsidihany ahafahana mampiroborobo ity sehatry ny fiompiana trondro ity. #MPEB #APDRA #SANUVA #FIOMPIANA_TRONDRO #ANTSIRABE #VAKINANKARATRA.
VAKINAKARATRA
Mme Dorety : MANAMBOATRA FANAMPIN-TSAKAFON-TRONDRO AMIN’NY ALALAN’NY FIOMPIANA LALITRA MAHASOA NA NY BSF
Tsy mandany vola Ary mora hiompiana sy karakaraina hoy Mme Dorety ny fiompiana lalaitra Mahasoa na BSF izay mamokatra olitra vaventy ho fanampitsakafon’ny biby fiompy toy ny trondro. Marihina fa Anisan’ny tsara ho an’ny trondro izy ity izay mora sy tsara ny tahan’ny fampamokarana manoloana ny provandy noho ny olitra vokarin’ity farany manana taha ambony amin’ny otrikaina (protéines) sy menaka « lipides » ilain’ny trondro, izany oe mahasolo tanteraka ny provandy mihintsy. Sakafo organika raha teo ny sakafony toy ny ambin-tsakafo any an-tokatrano tsirairay ka tsy misy akora simika mihintsy. Anisan’ny mpisitraka ny Tetikasa SANUVA ihany koa ny tenany izay ahafahany mahazo ireo toromarika ara-teknika rehetra hanatsarana ny asa fihariana. #MPEB #BSF #SAKAFON-TRONDRO #SANUVA #APDRA #VAKINANKARATRA
Kaominina Fieferana, Distrikan’Avaradrano, Faritra Analamanga
𝐅𝐞𝐫𝐦𝐞 𝐌𝐀𝐌𝐈𝐑𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀: Fiompiana trondro Karpa sy Tilapia an-dobo, an-tanimbary ary ivelan’ny tany
𝐑𝐀𝐊𝐎𝐓𝐎𝐌𝐀𝐕𝐎 𝐌𝐚𝐧𝐝𝐚𝐧𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐍𝐨𝐞́ 𝐅𝐞𝐫𝐦𝐞 𝐌𝐀𝐌𝐈𝐑𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀
ANTANANARIVO ATSIMONDRANO
FIFAMPIZARANA NIARAHANA TAMIN’IREO MPIANATRA AMIN’NY ONIVERSITE U-MAGIS BEVALALA.
Mpianatra maherin’ny 600 no Tonga nanatrika ny fifampizarana niarahana tamin’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert nandritra ny fitsidihany tao an-toerana. Voaresaka tao avokoa ireo fahalalana ankapobeny izay manitikitika ireo mpianatra tao ny mahakasika ny maha olona , ny haitondra sy ny fitantanana , ny fihariana anaty rano sy ny tontolony sns… Izao no natao ahafahan’izy ireo mijery sahady ny asa sy ny fanirian’izy ireo rehefa any aoriana Ary koa tsy ho tompotrano mihono amin’ireo Zava-misy rehetra manodidina ny maha olona sy fahiza-mitantana sy fahaiza-mihary. #MPEB #CONFERENCE #UMAGIS #BEVALALA
NY FANJONOANA AKAMBA NA MAKAMBA NA ORANDAVA NA TSITSIKA NA ATSIKORANA NA CREVETTES HO AN’NY TAOM-PANJONOANA 2025 AMIN’NY ENDRINY REHETRA DIA MISOKATRA manomboka ny 01 martsa 2025 amin’ny misasak’alina
LA PECHE CREVETTIERE POUR LA CAMPAGNE 2025 EST OUVERTE à partir du 01 mars 2025 à 00 heure du matin
ANTANANARIVO ATSIMONDRANO
U-MAGIS BEVALALA: MANOFANA TANORA AMIN’NY SEHATRY NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA ARY JONO
MANOFANA TANORA AMIN’NY SEHATRY NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA ARY JONO. Tanora manodidina ny arivo any ho any no miofana eto amin’ny mompera amin’ny U-Magis bevalala izay manao ny resaka fambolena ,ny fiompiana Ary ny fihariana anaty rano. Raha ny hita tena an-toerana dia hananan’izy ireo ny rano sy ny tany manodidina ny 100 ha mahery izay ahafahana mametraka ny ZEP (Zone d’Emergence Piscicole) . Azo ambolena ao avokoa ireo akora fototra ho atao provandy na sakafon-trondro na ireo biby hafa. Tonga teny an-toerana ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert nijery ny fomba hiara-miasa amin’izy ireo entina hampiroboroboana izany ahafahana mamatsy sy mamaly ny filàna an-tanan-dehibe toy ny eto Antananarivo fa indrindra hanatrarana ny vina amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Marihina hatrany fa ny toerana Rehefa misy rano dia afaka hiompiana trondro Rehefa voafehy ireo teknika rehetra . #MPEB #UMAGIS #FIOMPIANATRONDRO #BEVALALA
Antaninarenina-Antananarivo, Faritra Analamanga
Fivoriana faha dimy nokarakarain’ny Vondrona Afrikanina tamin’ny alalan’ny UA-BIRA.
Tanterahina eto Madagasikara mandritra ny 03 andro ao amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny » Réunion Consultative des Parties Prenantes Nationales pour élaborer une feuille de Route visant à renforcer la mise en œuvre et la gouvernance des Zones de Protection Marine (ZMP)en République Madagascar » izay iarahana amin’ny Vondrona Afrikanina amin’ny alalan’ny UA-BIRA. Fivoriana afahantsika mifampizara traikefa maro izay ananantsika amin’ny fitantanana ireo Faritra Arovana. Andrasana aorinan’izao arak’izany ny tondro-zotra hanatsarana ny fametrahana sy fitantanana ireo Faritra arovana an-dranomasina hampiroborobo ny Toekarena Manga sy ny fidirambolan’ireo vondron’olona ifotony. Ny fananana izany tondro-zotra izany dia hitondra avo dia avo ny « visibilité » an’i Madagasikara ary indrindra hampitombo ny fahatokisan’ireo mpiara-miombon’antoka amintsika. Nosokafan’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert tamin’ny fomba ofisialy moa izany fivoriana izany ny 19 Febroary 2025. Nanamafy moa ny tenany fa « Tsy misy ny Toekarena Manga maharitra raha tsy misy ny fikajiana ny tontolo iainana sy ireo harena voajanahary ananantsika ».Marihina fa izao no fivoriana faha dimy nokarakarain’ny Vondrona Afrikanina tamin’ny alalan’ny UA-BIRA teto Madagasikara ho fampandrosoana ny Jono sy ny Toekarena Manga. #MPEB #UA_BIRA #Faritra_Arovana #Jono #Toekarena_Manga
Toliara, Faritra Atsimo Andrefana
Fidinana ifotony ho fanazavana sy fanentanana mahakasika ny SAP amin’ny alalan’ireo « Panneaux agro-météorologiques »
Ao anatin’izao fiovaovan’ny toetrandro sy manoloana ny vanim-potoanan’ny rivodoza ary ireo tranga faharendrehana an-dranomasina tato ho ato dia naka fotoana Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, nanazava sy nanentana mba ho fanamafisana ny antony sy ny tanjona nametrahana ny SAP amin’ny alalan’ireo « Panneaux agro-météorologiques » napetraka eny amin’ny Tanànan’ny mpanjono ireny. Voalohany amin’izany ny fanambarana : ARO LOZA : Famerenana ny fomba famakiana (lecture) azy ireny mba hafahana manapa-kevitra alohan’ny hiandriake ka hisorohana ny loza azo antoka fa hitranga. Faharoa manaraka izany ny : FITANTANAM-BOLA : Ny fahalalana ny mety ho toetry ny andro dia mampiomana sy manampy amin’ny fikajiana ny vola ao an-tokatrano. #MPEB #DRPEBAtsimoAndrefana #SAP #Panneaux_agro_météorologiques
Manatantely, Kaominina Soanierana, Distrikan’ny Tolagnaro, Faritra Anôsy
Fitsidihana Fiompiana trondro « intensif en circuit fermé »
Toeram-piompiana trondro iray ao Manatantely, Kaominina Soanierana, Distrikan’i Tolagnaro, no efa miditra amin’ny sehatra matianina amin’izao fotoana izao ary mampiasa ny fomba fiompiana « intensif en circuit fermé » na fomba fiompiana trondro manana hakitroka ambony ary misy fanadiovan-drano manonkana ka tsy mampiasa rano avy ivelany intsony. Tonga nitsidika ny toerana ny avy eo anivon’ny DRPEB Anôsy ny faha 15 Febroary 2025. Marihana fa efa maherin’ny roa taona izao no nitsanganan’ity toeram-piompiana trondro ity ary Tilapia 8 000 isa no ompiana anaty dobo « hors sol » vita amina simenitra miisa 04. Ny Fikambanana Tanamaintso izay tarihin-dRtoa Lova no mitantana azy. Ity fomba fiompiana fia iray ity dia anisan’ny mamaha olana ary manampy amin’ny fiompiana trondro an-tanana ka manoloana izany indrindra dia nisy ny fanomezana toromarika ho fanatsarana isan-karazany toy ny rano izay hita fa maintso loatra. #MPEB #DRPEBAnôsy #FiompianaTrondro #Intensif_en_circuit_fermé #Dobo #Hors_sol #Tanamaintso