Kaominina Ambanivohitra Ambalanjanakomby, Distrikan’i Maevatanàna, Faritra Betsiboka
Akon’ny taom-pambolen-kazo 2025

Ny faha 14 Febroary 2025 teo no nanatanterahana ny fambolen-kazo ho an’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) avy ao Betsiboka izay niarahana tamin’ny Fikambanan’ny Mpanjono FIMPA avy ao Ambalanjanakomby ary notontosaina tao amin’ny Kaominina Ambalanjanakomby ihany. Zana-kazo miisa 500 izay nahitana zana-kazo mahabibo niisa 440 sy Kahya izay natolotry ny avy eo anivon’ny Fari-piadidian’ny Rano sy Ala (CIREF) ao Maevatanàna ary zanakazo manga miisa 60 avy amin’ireo Mpanjono FIMPA no novolena teo amoron’ny ranovory Besalohy mba hoentina hiarovana ity ranovory ity izay manana velarana 0,4Ha eo eo. Tonga niara nisalahy tamin’ity fambolen-kazo ity ny Ben’ny tanàna tao an-toerana, ny Sefo fokontany ary ireo fokonolona ary nampahatsiahivina hatrany teto ny maha-zavadehibe ny ala eo amin’ny sehatrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga satria tsy misy ny Toekarena Manga raha tsy misy ny rano ary ny fambolenkazo no miteraka ny fisian’ny ala izay hampisy ny rano. #MPEB #DRPEB_Betsiboka #FIMPA #Fambolen_kazo# Toekarena Manga

Madagascar :
Le Ministre Paubert MAHATANTE démarre l’année 2025 sur les chapeaux de roue pour la croissance de l’économie bleue malagasy

Plusieurs initiatives majeures visant à renforcer le secteur halieutique et à promouvoir l’économie bleue du pays engagées avec célérité dès le premier mois de l’année. Inauguration d’une usine d’aliments pour poissons à Ambohimangakely Le 30 janvier, le ministre, Dr Paubert Mahatante, a inauguré l’usine Arbiochem à Ambohimangakely, la première unité de production à grande échelle dédiée à la fabrication d’aliments pour carpes et tilapias. Avec une capacité annuelle de 10 000 tonnes, cette usine vise à soutenir le développement de l’aquaculture à Madagascar, réduisant ainsi la dépendance aux importations et renforçant l’autosuffisance alimentaire en poissons. Dr Mahatante a souligné l’importance de rapprocher la production des consommateurs pour garantir des prix compétitifs et assurer la sécurité alimentaire pour les populations de la grande île. Promotion de l’aquaculture pour répondre à la demande croissante de crabes Face à une demande mondiale en forte croissance, notamment pour les crabes mous très prisés sur les marchés internationaux, le ministre, Dr Mahatante, a encouragé le développement de l’aquaculture. Il a mis en avant l’élevage de crabes comme solution pour compléter la pêche sauvage et assurer une offre régulière, tout en préservant les écosystèmes naturels tels que les mangroves. Des partenariats avec des pays experts en aquaculture, comme les Philippines et le Vietnam, sont envisagés pour moderniser les pratiques et augmenter la production nationale. Sauvetage de plus de 400 pêcheurs dans l’extrême sud Fin janvier, après des conditions météorologiques extrêmes ayant entraîné la disparition de centaines de pêcheurs dans la région de l’Androy, le Ministre, Dr Mahatante, a supervisé les opérations de recherche qui ont permis de retrouver 424 pêcheurs sains et saufs. Il a souligné la nécessité de former et de sensibiliser ces nouveaux pêcheurs, souvent d’anciens agriculteurs reconvertis en raison de la sécheresse, aux consignes de sécurité en mer et aux prévisions météorologiques. Le ministre a également mentionné la construction d’une école de pêche dans l’Androy pour renforcer ces efforts. Préparation du Forum des Jeunes Africains sur l’Economie Bleue (FOJAEB) Approuvé par le Conseil des Ministres en sa séance du 18 décembre 2024, le FOJAEB sera co-organisé par le Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue et l’Organisation Panafricaine de la Jeunesse pour l’Economie Bleue (OPJEB). Dr Paubert Mahatante a engagé les actions pour la mobilisation des partenaires techniques et financiers ainsi que des acteurs locaux de la Ville de Toliara où le FOJAEB aura lieu du 17 au 19 avril 2025. Ces actions illustrent l’engagement du Dr Paubert Mahatante à dynamiser le secteur de la pêche et de l’économie bleue à Madagascar, en mettant l’accent sur l’innovation, la durabilité, l’inclusion des jeunes et la sécurité des communautés de pêcheurs. Gantchéxo Sèssomissou Source : Blue eco africa

Kaominina Bongatsara, Distrikan’Atsimondrano, Faritra Analamanga
Fambolen-kazo 2025

Araky ny ambeti-tenin’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert matetika dia : « Ny ala no mahatonga ny orana.Ny orana no miteraka ny rano. Ny rano no mampisy ny Tokarena Manga sy mahatonga ny fihariana anaty rano » sy ny vinan’ny Filoham-pirenena amin’ny fandrakofana ala an’i Madagasikara dia niroso tamin’ny famitahana ny adidy fambolen-kazo 2025 ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tao amin’ny Kaominina Bongatsara, Distrikan’Atsimondrano androany 13 Febroary 2025. Zana-kazo miisa 3000 ahitana acacia, Kininina, Frêne no novolena tamin’ny velaran-tany 2ha. Nitarika ny hetsika tamin’izany Atoa Minisitra notron’ireo mpiara-miasa maro eo anivon’ny Ministera, ny Solombavambahokan’ny Distrikan’Atsimondrano sy ireo mpiara-miombon’antoka miaraka amin’ireo mponin’ny Bongatsara ary ireo manampahefana ao an-toerana. Nanome baiko moa Atoa Minisitra amin’ny hanaraha-maso sy hikojakojana ireo Zana-kazo novolena, nanome toky ny avy ao amin’ny DRPEB Analamanga sy ny Kaominina Bongatsara ny amin’izany. Loha-hevitra nandritra ity hetsika ity ny hoe:  » Ny ala antoky ny rano sy ny angovo ». #MPEB #Hazo #Ala #Toekerena_Manga #Fihariana_anaty_rano #Fambolen_kazo

FESTIVAL CAMÉLÉON 2025
Ho Tanterahina ao Amboasary Atsimo Faritra Anôsy ny andiany Voalohany

Anisany Mampiavaka an’i Madagasikara ny fananany ireo zava-manan’aina maro , ny 50% n’ireo dia tsy hita raha tsy eto amintsika izay miteraka harena sy laza ho an’i Madagasikara . Ny festival caméléon dia hetsika iray entina ampahafantarina ireo zava-manan’aina rehetra ao amin’ny toerana iray . Nosafidiana manokana ny Faritra Atsimo nohon’ny fananany ireo harena voajanahary sy zava-manan’aina tsy fahita firy anisan’izany ireo karazana tanalahy sns.. Raha ho an’ny sehatry ny Jono indray dia manana ny Lac Anony Isika ao Amboasary izay ahitana karazana trondro toy ny Angera izay tsy fahita Raha tsy eto ihany koa izay handraisan’ny MPEB anjara . Mila harovana avokoa izy ireo Mbola ho fantatr’ireo taranaka any aoriana . Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert no anisan’ny Mpiahy ity hetsika andiany Voalohany ity , izay ho Tanterahina ny 13,14,15 Jona 2025 ho avy izao .Ny ONG Caméléon Madagasikara kosa no mikarakara ity hetsika ity. #MPEB #RICHESSENATURELLE #FESTIVALCAMELEON2025 #AMBOASARYATSIMO

MPEB Ampandrianomby, Antananarivo
Fitsidihan’Atoa Solotena maharitra ny PNUD niresahana ny fikarakarana ny fanatanterahana ny FOJAEB

Tonga nitsidika an’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, tao amin’ny Birao fiasany, Ampandrianomby, Antananarivo, androany faha 11 Febroary 2025, ny solotena maharitra ny PNUD eto Madagasikara, Atoa Dr Edward A. CHRISTOW. Nivoitra nandritra ny fihaonana ny fanamafisan’ny PNUD amin’ny fandraisana anjara feno amin’ny fikarakarana, fandraisana an-tanana ary indrindra amin’ny fanatanterahana ny FOJAEB (Forum des Jeunes Africains sur l’Economie Bleue) na Fivoriam-be hoan’ny tanora aty Afrika mahakasika ny Toekarena Manga izay hotanterahana any Toliara ny faha 17 hatramin’ny 19 Aprily 2025. Marihana moa fa ity hetsika ity dia mifanindry an-dalana amin’ny « Youth Connekt Africa » hiarahan’izy ireo amin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena, ahitana tanora Afrikana manodidina ny 25 000 ho tonga eto Madagasikara. Hetsika roa samihafa nefa afaka mifandray ireo satria dia samy mahakasika ny fampiroboroboana tanora avokoa. Hitodika amin’i Madagasikara noho izany ny mason’ny Firenena Afrikana sy izao tontolo izao amin’ity taona ity manoloana ireo hetsika roa lehibe sy manan-danja ireo ka isaorana ry zareo ao amin’ny PNUD nanampy antsika, indrindra Atoa Dr Edward A. CHRISTOW, Solotena maharitra, amin’ny fahavononana. #MPEB #PNUD #FOJAEB #EconomieBleue #YouthConnektAfrica

Akadinondry Sakay
Fitokanana amin’ny fomba ofisialy Tsangam-bato marim-pahatsiarovana tamin’ny fandalovan’Atoa Minisitra Teo an-toerana

Hafaliana Ary voninahitra lehibe ho an’ireo vahoan’ny Akadinondry Sakay ihany koa izao fandalovan’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert izao , ny ankamaroan’izy ireo izay misehatra amin’ny fiompiana trondro ,Nisy koa anefa ireo Vao hisehatra amin’izany. Nisy arak’izany ny fitokanana amin’ny fomba ofisialy ny tsangam-bato izay marim-pahatsiarovana tamin’ny fandalovan’A toa Minisitra Teto an-toerana. Nirary soa Ary Maniry ny tenany fa aorian’izao fandalovany izao dia hitombo avo roa heny ireo vahoaka hisehatra amin’ny fiompiana trondro #MPEB #BONGOLAVA #ANKADINONDRY_SAKAY.

FARIHY LEHIBE AKADINONDRY SAKAY
ZANA-TRONDRO MIISA 10 000 NO NAROTSAKA.

Miisa 8 ny Farihy ao Akadinondry Sakay,ny 6 amin’ireo no nandrotsahana zana-trondro miisa 10 000 izay hetsika natao nandritra ny fambolekazo tao an-toerana. Nisy ny fanomezana ireo zana-trondro ireo tamin’ny fikambanan’ny mpanjono ao an-toerana izay Ahitana renin-trondro miisa 5 Ary trondro lahy miisa 4. Nandritra izany dia Nisy hatrany fanazavana tsotsotra nataon’A/toa Minisitra amin’ireo teknika rehetra Rehefa mandrotsaka zana-trondro. Nanotrona Ary Niaraka nandrotsaka ny zana-trondro hatrany ny solombavam-bahoaka voafidy tao an-toerana,ny Governoran’ny Faritra, Sy ireo manam-pahefana eny ifotony. Hita nandritra izany fa maro be ireo Liana ny hampiroboroboany sehatry ny fanjonoany aty amin’ny Faritra Ary Vonona ny hampihatra ireo teknika rehetra. #MPEB #BONGOLAVA #FANDROTSAHANAZANATRONDRO

Akadinondry Sakay ,Faritra Bongolava
FAMBOLEN-KAZO : Zana-kazo miisa 4300 fototra no novolena.

Anisan’ny miantoka betsaka amin’ny fisian’ny rano ny ala , miaro ireo renirano Ary ahafahana hitehirizana ireo loharano. Tsy misy kosa ny resaka fanjonoana Raha tsy misy ny ala . Nanantateraka fambolekazo tao Akadinondry Sakay Niaraka tamin’ny Fikambananan’ny AISPA A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert izay notronin’ny solombavam-bahoaka voafidy tao an-toerana,ny Governoran’ny Faritra Bongolava Sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny eny ifotony, ny ekipan’ny avy ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana Lovain-jafy. Nandray anjara tao avokoa na ireo mpianatra na olon-tsotra ,sivily sy miaramila. Zana-kazo miisa 4300 no novelana Ary iront karazana-kazo Frêne izay anisan’ny hazo tsara indrindra. Ho an’ny Ministeran’ny Jono : Ny ala nonmampisy ny rano. Ary ny rano mampisy ny Toekarena Manga. #MADAGASIKARA_RAKOTRA_ALA_NO_TANJONA. #MPEB #FAMBOLENKAZO #AISPA #DIREDD #BONGOLAVA

Kaominina Ambanivohitra Sakalalina,Distrikan’Ihosy,Faritra Ihorombe
Fidinana ifotony ho fanaraha-maso ny fizotry ny fiompiana trondro.

Nanatanteraka fidina ifotony ny 05 Febroary 2025 teo tao amin’ny FKT Marokoliva, Kaominina Ambanivohitra Sakalalina ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) sy ny CSRPA Ihorombe nanara-maso sy nanjohy ny fizotry ny fiompiana trondro ataon’ny vondron’ny Tantsaha izay manana dobo miisa sivy ka ny fito amin’ireo dia hiompiana Karpa izay miisa 2100, ary ny roa kosa Tilapia miisa 800 eo. Vinavinaina havoaka amin’ny volana May izao ireto vokatra ireto raha tany amin’ny volana oktobra 2024 tany no nampidirana azy. Mandeha ny fiompiana na dia misedra olana eo amin’ny rano sy ny sakafon-trondro. Nisy arak’izany ny toromarika nomena ny amin’ny fomba hitantanana ny rano sy ny fitsinjarana ny sakafo. Noentanina ihany koa izy ireo mba hanala ireo pirina izay hita fa maro ao anaty dobo mba hampihenana ny mpifaninana amin’ny fihinanana ny sakafo. #MPEB #DRPEB_Ihorombe #Fiompiana_Trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga