Fkt Loharano, Kaominina Ambanivohitra Ambilao, Distrikan’i Manakara, Faritra Fitovinagny
Fanentanana mahakasika ny fikatonan’ny Jono Oratsimba

Mba ho fanamafisana ny ezaka fandresena lahatra ny mpanjono hitsinjo hatrany ny hampaharitra ny Jono Oratsimba (Langouste) dia nitohy tao Loharano, Kaominina Ambanivohitra Ambilao, Distrikan’i Manakara, ny fidinana ifotony narahana fanentanana nataon’ny ekipan’ny DRPEB Fitovinagny, ny faha 04 Febroary 2025, . Nisy araka izany ny fampatsiahivana ny didy aman-dalana mamaritra fa mbola mikatona ny Jono Oratsimba amin’izao fotoana izao. Amin’izao vanim-potona fahavaratra izao ihany koa dia nentanina ny mpanjono hanaraka tsy tapaka ny vaovao mahakasika ny toetrandro amin’ny alalan’ny fihainoana ireo onjam-peo (Radio) fa indrindra hampiasa ireo takelaka (panneaux) SAP izay nozaraina. Nofaranana tao Andranodaro ny hetsika izay niresahana ireo tsara ho fantatra mahakasika ny ICAM. Fokonolona sy mpanjono manodidina ny 90 no tonga nanatrika ireo hetsika ireo. #MPEB #DRPEBFitovinagny #Oratsimba #Langouste #ICAM #SAP #Mpanjono

Antananarivo, Faritra Analamanga,
ANDRO MANERAN-TANY HOAN’NY FARITRA MANDO

Nanotrona ny fankalazana ny andro maneran-tany hoan’ny faritra mando izay natao ny faha 03 Febroary 2025, ny #MPEB notarihan’Andriamatoa Tale Jeneraly ny Toekarena Manga ary notronon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Analamanga teo amin’ny farihin’ny Mandroseza, Antananarivo. Nisongadina tamin’izany ny fanentanana ny tsy hanimbana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny tsy fandoroana tanety, ny fikajiana ny rano sy ny renirano izay antoky ny aina ho an’ny olombelona, ny biby indrindra fa ny trondro, tsy fandotoana ny eny an-tanenty amin’ny tsy fanariana fako isakarazany satria ireny no entin’ny orana izay manentsina ny lakandrano. Nofaranana tamin’ny fanadiovana ny sisin-dranon’Ikopa izany hetsika izany. #MPEB #MEDD #DGEB #DRPEB_Analamanga #Faritra_mando

Camp ENSOA Antsirabe, Faritra Vakinankaratra
Famoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpiofana manam-boninahitra lefitra nandritra ny fanamarihana ny « Andron’ireo manam-boninahitra lefitra »

Notontosana teo anivon’ny ENSOA Antsirabe ny faha 31 Janoary 2025 hatramin’ny 01 Febroary 2025 ny fanamarihana ny « Andron’ireo manam-boninahitra lefitra » ka tonga namaly ny fanasana sy nanotrona izany ny DRPEB Vakinankaratra sy ny ekipany. Nasongadina nandritra izany ireo ezaka rehetra vita teo anivon’ny Sekoly vokatr’ireo fiaraha-miasa isan-karazany ka tsy latsa-danja amin’izany ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy nandritra io fotoana io ihany koa ireo mpiofana manam-boninahitra lefitra rehetra ny taona 2024 ka nisy tamin’izy ireo nisafidy manokana ny taranja « Fiompiana trondro ». Hita sy tsapa miroborobo ihany koa ny « Station vitrine » ankehitriny izay azo sokajiana ho ZEP satria ahitana ny singa rehetra mahakasika ny fiompiana trondro ary efa maro ireo tanora mpianatra nandray soa avy aminy. Trondro matavy an-taonina no niakatra ary efa manatavy ireo zana-trondro novokariny ny ENSOA ankehitriny (10 000 Alevins carpes). Miisa 500 mahery kosa no nampiofanina hiompy trondro na sivily io na miaramila ka notolorana fankasitrahana avy amin’ny ekipan’ny DRPEB Vakinankaratra. #MPEB #DRPEBVakinankaratra #ENSOA #FiompianaTrondro

Hôtel Vakinahandro,Kaominina Ambonivohitra Antsirabe,Distrikan’Antsirabe I,Faritra Vakinankaratra
Atrikasam-paritra ho fifanakalozan-kevitra sy ho fampandraisana andraikitra ireo hery velona rehetra voakasika momba ny sehatry ny Jono an-dranomamy tao Vakinankaratraizay.

Taorian’ny fikaroam-bahaolana momba ny fampandriana fahalemana eo amin’ny fiompiana trondro natao tany Amoron’i Mania dia nisy ihany kosa ny atrikasam-paritra ho fifanakalozan-kevitra sy ho fampandraisana andraikitra ireo hery velona rehetra voakasika momba ny sehatry ny Jono an-dranomamy eto Vakinankaratraizay natao ny faha 31 Janoary 2025. Nanatrika izany ireo Fitaleavam-paritra isan-tsokajiny dia ny teo anivon’ny Jono sy Toekarena Manga, Varotra sy Fanjifana, Fanajariana ny Tany, Fambolena sy Fiompiana, ny Tontolo iainana ny teo anivon’ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe ny Tale misahana ny Fampandrosoana eo anivon’ny Faritra ary ny solotenan’ireo mpanjono avy amin’ireo VOI mpikambana ao amin’ny koperativa FIFIMPAVA. Taorian’ny famelabelaran-kevitra isan-karazany dia narafitra ny paikady iraisana hisorohana ny tsindry mihatra amin’ireo mpanjono araka izay azo atao. Naneho ny fahavononany amin’ny andraikitra manandrify azy avy ireo mpisehatra tsirairay. Marihana fa ny tetikasa FANAINGA+ sy ny Koperativa FIFIMPAVA no nanohana ka nahafahana nanatanteraka izao atrikasa izao. #MPEB #DRPEB_Vakinankaratra #VOI_FIFIMPAVA #tetikasa_FANAINGA+ #Asa_Manga #Toekarena_Manga

Un drame humain évité de près dans le Sud de Madagascar

Des centaines de pêcheurs portés disparus en mer secourus à temps dans la région Androy et Anosy grâce au leadership du Ministre Dr. Paubert Mahatante. Ce 30 Janvier 2025, 154 pirogues ont été déclarées disparues en mer au large d’Ambovombe, région Androy. Malgré le rouge affiché sur les tableaux agrométéorologiques en raison du mauvais temps, les pêcheurs ont bravé les vagues à cause de la recherche de revenu de subsistance selon eux. Ils espéraient ramener de quoi subvenir aux besoins quotidiens de leurs familles. Lire la suite de l’article en cliquant sur le lien suivant: Source : Blue Eco Africa https://blueecoafrica.com/un-drame-humain-evite-de-pres…/ #Madagascar #pêche #pêcheur #mer #pêchemaritime #sauvetage #Afrique

EFA TAFAVERINA AN-TANETY AVOKOA IREO MPANJONO 424 TAVELA AN-DRIAKA TATY AMIN’NY FARITRA ANDROY

Isaorana ny lehibe indrindra fa tafaverina avokoa ireo mpanjono 424 refa noentin-driaka nandritra ny andro ratsy teto amin’ny Faritra Androy ny Talata lasa teo ary tsy nisy ny aina nafoy . Ho an’ny androany, voatatitra avokoa ny hakamaroan’ireo mpanjono izay tao amin’ny kaominina Ranobory, Sarisambo sy Analapatsy ary Faradofay. Samy haterina ao Maroalomainty avokoa izy ireo izay toerana fonenany avy. Marihina fa Nisy ihany koa ireo vadina mpanjono izay nahavita dian-tongotra lavitra tamin’ny fitsenana ireo mpanjono. Niaraka tamin’ny fakana sy fanaterana azy ireo hatrany ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert nandritra izany . Hisaorana hatrany ny fitondram-panjakana, ireo mpisehatra rehetra sy ireo mpiara-miombon’antoka tamin’ny fanampiana rehetra nandritra ny fanavotana ireo mpanjono ireo. #MPEB #MPANJONO #FARITRA_ANDROY #ANDRORATSY.

AMBOVOMBE ANDROY
MITOHY NY FITANTERANA IREO MPANJONO FEFIKA

Hatramin’ny omaly dia mitohy Amin’izao fotoana izao ny fitanterana tsikelikely ireo mpiandriaka tavela an-dranomasina. Miisa 32 ireo mpiandriaka izay fefika tany Analapatsy naterina teto Maroalomainty fonenan’izy ireo . Tsara ny manamarika fa nandray an-tanana azy ireo tamin’ny famahana sakafo ireo fédération des pêcheurs tao Analapatsy . tsy Nisy aina nafoy Ary Salama tsara avokoa izy rehetra. Nanantitra azy ireo teny an-toerana Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert niaraka tamin’ny Governoran’ny Faritra Sy ireo Tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Narahina fanentanana hatrany ny fifampiresahana teo amin’izy ireo. Isaorana hatrany ireo mpisehatra rehetra tamin’ny fanavotana sy fanomezana fitaova-pitaterana ireo mpanjono. #MPEB #MPANJONO #FEFIKA #AMBOVOMBE.

Tohin’ny vaovao momba ireo Mpanjono aty Atsimo
Namita sidina ambany (survol de basse altitude) ny teo anivon’ny Tafika an’abakabaka

Namita sidina ambany (survol de basse altitude) ny teo anivon’ny Tafika an’abakabaka izay niainga tao Taolagnaro ny tolakandro teo ary nankany Ambovombe Androy. Nanaraka ny sisindranomasina rizareo ny nandroso ary nahazo anatiny kokoa nohon’ny niverina. Tsy misy lakana na Mpanjono hitandrizareo tao anatin’ny adiny roa nanaovana ny sidina. Marihina ihany koa fa efa tody ao Analapatsy avokoa ireo lakana sisa tavela anio tolakandro ihany. Efa mamaram-paranany fitaterana azy ireo mankany aminˋny toerana niaviany ny Minisitera izao. Mamerina ny fisaorana ho anˋny rehetra, indrindra fa ny Tafika anˋabakabaka aminˋizao fifanomezan-tanana izao. #MPEB #MPANJONO #SURVOL #ANDRORATSY #FARITRAATSIMO

FANDALOVAN’NY ANDRO RATSY TAO AMBOVOMBE ANDROY
MIISA 11 IREO MPANJONO MBOLA KAROHINA, TSY MISY KOSA NY AINA NAFOY

Tsy mikely soroka ireo mpisehatra isan-tsokajiny miaraka amin’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert aty an-toerana fa Manao ny ezaka rehetra hanavotana ny ain’ireo mpanjono namana.tavela an-driaka. Hatreto dia mpanjono miisa 424 no Efa an-tanety , miisa 15 kosa ireo lakana tavela any an-dranomasina fa ny mpanjono nitondra ireo no Efa tafiakatra soa amantsara . 11 izany ireo Mbola karohina . Marihina fa Efa mande ihany koa ny sidina (survol) hanainga avy ao tolagnaro hamakivakiky ny ranomasina anelanelan’ny faradofay sy Ambovombe Androy hitady ireo lakana 11 karohina. Hisaorana hatrany ny fiaraha-mientan’ ireo mpisehatra rehetra amin’ny fifanomezan-tanana ao ny Aquatic Service , ny BNGRC , ny QMM … #MPEB #ANDRORATSY #MPANJONO #AMBOVOMBE_ANDROY.

RAMBON-DANITRA FARITRA AMBOVOMBE ANDROY
NANOME VONJY RANO VAKY HO AN’IREO TRABOINA TAO AMBONDRO NY FITONDRAM-PANJAKANA.

Vary miisa 40 gony sy fanitso miisa 186 no natolotra ho an’ireo vahoaka Tao amin’ny kaominina ambondro Anio 31 Janoary 2025 avy amin’ny fitondram-panjakana eo ihany koa ny fiaraha-mientan’ ireo Mpiara-miombon’antoka rehetra ,ny BNGRC , ny avy ao amin’ny Aquatic Service sy ny maro hafa. Nidina teny ifotony A toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert solotenan’ny fitondram-panjakana no sady mpiahy ny Faritra Androy nanolotra ireo vonjy rano vaky ho azy ireo izay narahiny fanentanana hatrany amin’ny tokony hitandremana manoloana ny tranga toy izao. Marihina fa tsy mpitranga matetika izy ity fa nohon’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Na izany Ary Mbola ho avy ireo fanampiana maro samihafa omena azy ireo ,eo ihany koa ny fanohizana ny famerenana tsikelikely ireo mpiandriaka tavela an-dranomasina. #MPEB #VONJYRANOVAKY #RAMBONDANITRA #AMBONDRO #FARITRAANDROY.