Nanisana , Antananarivo Madagascar.
VITA SOAMANTSARA TAO ANATIN’NY FANGARAHARAHANA NY FANDRAFETANA NY ASA REHETRA AMIN’NY FAMPIASAM-BOLA.
Nifarana anio ny fivorian’ny komity miandraikitra ny « appui sectoriel » izay ahitana ireo avy ao amin’ny vondrona Eropeanina Sy Isika eto Madagasikara ,marihina fa tanterahina isan-taona ity Fivoriana ity izay atrehin’ireo avy ao amin’ny CCGP ( Comité consultatif des gestions des pêcheries) , ny firaisamonim-pirenena sns…. Izao no natao ahafahana nandrafitra ireo asa rehetra ho Tanterahina hampiasana ny volan’ny « appui sectoriel » amin’ity taona 2025 ity. Hita tao anatin’izany fa Nisy Fanatsarana ireo asa izay natao tamin’iny taona 2024 iny. Afa-po tanteraka ny roa tonta izay natao tao anaty firalahiana tanteraka ny Fivoriana. Any Toliara Faritra Atsimo Andrefana no hanantaterahana ny Fivoriana manaraka izay hatao ny volana novembre ho avy izao . Tsara tsiahivina ny hampiasaintsika ireo vola ireo Dia ny : • Fanatsarana ny lafiny jono ( fifidianana pirogue fibre de verre , moteur hors-bord, filet….. ) • fampiroboroboana ny fihariana anaty rano (aquaculture) • fitohizany fametrahana ny Zone d’Emergence Piscicole ho fampandehanana izany eraky Madagasikara. • Fijerena manokana ny asan’ny ASH • ny asan’ny sampana panara-maso ny Jono • Ny lafiny fifampitondrana tsara tantana. #MPEB #UE #CommissionMixte #AppuiSectoriel #SociétéCivil #SecteurPrivé
AMPA Nanisana, Antananarivo Madagasikara:
Fivoriana faharoa iarahana amin’ny vaomiera iombonana (#Commission_mixte) Sy ny Vondrona Eoropeanina (#UE) mahakasika ny fampiasam-bola avy amin’ny fanohanana ny sehatra (#Appui_sectoriel) araka ny fifanarahana ara-jono (#Accord_de_pêche) . 2023 – 2027
Notanterahina Anio 9 Janoary ny Fivoriana mahakasika ny fampiasam-bola amin’ny « appui sectoriel » araka ny fifanarahana ara-jono izay niarahan’ny teto anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga notarihin’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert Sy ireo solotenan’ny firaisamonim-pirenena Ary ny solotenan’ny Vondrona Eropeanina . Anisan’ny teboka noresahina nandritra ny andro Voalohany ny : fampiharana ny fepetra ankapoben’ny fifanarahana , fampiharana ny fepetra amin’ny « Protocole relatives à la flotte de l’Union Ary « Programmation de l’appui sectoriel ». Marihina fa miisa dimy no tena hiompanan’ny fandaniana amin’ity taona ity izay mifanaraka amin’ny politikam-panjakana sy ny Ministera dia ny sehatry ny : Jono (Pêche), Fampiroboroboana anaty rano (Aquaculture), Fiantohana ara-pahasalamana (Sécurité Sanitaire), Fanaraha-maso ny jono (Surveillance des pêches), Fitantanana (Gouvernance). Izao no natao dia mba hisian’ny fangaraharana amin’ny fitantanana sy ny fiasan’ny Ministera manoloana ny fiarahamonim-pirenena sy ireo sehatra tsy miankina. #MPEB #UE #CommissionMixte #AppuiSectoriel #SociétéCivil #SecteurPrivé
Fanentanana mialoha, hisorohana ny tranga ICAM, manoloana ny hafanana misy amin’izao.
MPEB Ampandrianomby, Antananarivo
Fivoriana savaranonando mialohan’ny hiatrehana ny fivorianan’ny vaomiera iombonana (Commission mixte) hiarahana amin’ny Vondrona Eoropeanina (UE) mahakasika ny fampiasam-bola avy amin’ny fanohanana ny sehatra (Appui sectoriel) araka ny fifanarahana ara-jono (Accord de pêche)
Notanterahana androany faha 03 Janoary 2025 tao amin’ny efitrano malalaka fivorian’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny fivoriana savaranonando niarahan’ny Ministera tamin’ireo solontenan’ny firaisamonim-pirenena sy ireo sehatra tsy miankina mialohan’ny hiatrehana ny fivorianan’ny vaomiera iombonana (Commission mixte) hiarahana amin’ny Vondrona Eoropeanina (UE) eto Antananarivo amin’ny herinandro ambony manaraka eo mahakasika ny fampiasam-bola avy amin’ny fanohanana ny sehatra (Appui sectoriel) araka ny fifanarahana ara-jono (Accord de pêche) hiarahana amin’ny Vondrona Eoropeanina. Marihana fa andiany faharoa amin’ny fifanarahana ny amin’ity taona ity izay mitentina 1 100 000€ ka araka ny tapaka dia sehatra miisa dimy no tena hiompanan’ny fandaniana amin’ity taona ity izay mifanaraka amin’ny politikam-panjakana sy ny Ministera dia ny sehatry ny : Jono (Pêche), Fampiroboroboana anaty rano (Aquaculture), Fahadiovana (Sanitaire), Fanaraha-maso ny jono (Surveillance des pêches), Fitantanana (Gouvernance). Izao no natao dia mba hisian’ny fangaraharana amin’ny fitantanana sy ny fiasan’ny Ministera manoloana ny fiarahamonim-pirenena sy ireo sehatra tsy miankina. Amin’ny ankapobeny tsy ampy lavitra io vola io ary mbola maro ny ezaka tratrarin’ny Ministera fa na izany aza dia ezahana ampifan-danjana ny fandaniana mba hipaka tsara amin’ny vahoaka. #MPEB #UE #CommissionMixte #AppuiSectoriel #SociétéCivil #SecteurPrivé
Toliara, Faritra Atsimo Andrefana :
Fivoriana fanomanana ny « Forum des jeunes africains sur l’Économie Bleue » na « Fivoriam-ben’ny tanora Afrikana momban’ny Toekarena Manga »
Araka ny tapaka nandritran’ny filan-kevitrin’ny minisitra ny faha 18 Desambra 2024 lasa teo dia nankatoavina ny handraisana ny « Forum des jeunes africains sur l’Économie Bleue » na « Fivoriam-ben’ny tanora Afrikana momban’ny Toekarena Manga », ny faha 17-19 Aprily 2025 ho avy izao eto Madagasikara. Arak’izany dia nanatanteraka fivoriana savaranonando ho fampahafantarana sy fanentanana ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny fanomanana sy fanatanterahana izany fihaonana izany ny « Cluster Économie Bleue » notarihan’Atoa Minisitrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, niarahana tamin’ireo avy any ivelany tamin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra (en ligne). Mpisehatra miisa 500 no antenaina ho avy amin’ity fihaonam-be faha-02 taorian’ny Lomé ity ka 300 amin’izany no hoavy avy any ivelany. Voaresaka nandritra izany fivoriana izany ny : Fitaterana an’ahabakabaka ireo tanora 300 avy any ivelany, Fitaterana an-tanety, Fampiantranoana sy fampisakafoanana azy ireo, Efitrano sy toerana malalaka hivoriana. Nahavelom-bolo fa samy nandray anjara mavitrika sy naneho ny fahavononany amin’ny soso-kevitra hanatrarana ny tanjona ny mpisehatra tonga tao ka anisan’ny voalaza tao koa ny fanatsarana (fanadiovana, fampihaingoana, fanazavana, fanamboarana lalana, fampandriam-pahalemana) ny Tanànan’ny masoandro. Hisy avy hatrany ny fivoriana voalohany hiarahana amin’ireo Talem-paritra rehetra eto an-toerana ny faha 07 Janoary 2025 izay hotarihin’Atoa Governora. Ny fivoriana manaraka dia ny tapa-bolan’ny Janoary hiarahana amin’ny mpisehatra rehetra amin’ny Toekarena Manga. #MPEB #DRPEBAtsimoAndrefana #ForumDesJeunesAfricains #ÉconomieBleue #TanoraAfrikana #ToekarenaManga
Ambohibao, Antananarivo, Faritra Analamanga:
Fandrotsahana zanatrondro ao amin’ny dobon’ny CIS na ny « Central Intelligence Service »
Resy lahatra fa hiompy trondro ny mpiara-miasa ao amin’ny Sampam-pitsikilovana eto Madagasikara na ny CIS. Dobo mirefy 125m2 no hanombohana azy izay hitarina amin’ny taona ho avy. Nanambara Atoa Tale Jeneraly RAFANOMEZANTSOA Roger fa vonona izy sy ireo mpiara-miasa amin’ny tena handray anjara amin’ny fanaparitahana ny fiompiana trondro eto amintsika ka Zanatrondro miisa 1.000 no narotsaka. Kasaina hanodidina ny 400kg ny vokatra voalohany. Aorian’ny fanitarana dia hahatratra 64.000m2 ny velaran’ny dobo ao amin’ny CIS Ambohibao. Tonga nanatanteraka izany fandrotsahana zanatrondro izany ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga, Atoa MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, sy ireo mpiara-miasa aminy. #Fiompiana_trondro #CIS_Ambohibao #Antananarivo_Analamanga #MPEB
Ankoba, Kaominina Analapatsy, Distrikan’i Taolagnaro, Faritra Anosy:
Fanolorana fitaovam-panjonoana ho an’ireo Mpanarato
Analapatsy dia Kaominina manamorona ranomasina nefa ahitana tsy fanjarian-tsakafo ary ny fambolena atao dia zary raha mamokatra nohon’ny hain-tany. Arak’izany dia mila mifototra bebe kokoa amin’ny resaka jono ny olona aty satria na misy na tsy misy ny orana dia misy harena hatrany ny ao anaty ranomasina toy ny oratsimba (langouste), sihely, valahara sy karazan-trondro hafa… Tonga nanolotra fitaovam-panjonoana eto Analapatsy amin’ny anaran’ny Fitondram-panjakana tarihan’Atoa Filoha hajaina Andry RAJOELINA, ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, notronin’ireo Manam-pahefana aty amin’ny Faritra Anosy ialohavan-dRamatoa Governora. #Fitaovampanjonoana #Lakana_fibre_verre #Moteur_hors_bord #Analapatsy_Taolagnaro #Faritra_ANOSY #MPEB
Anatsakoa, Fkt Lavanono, Kaominina Tranovaho, Distrika Beloha, Faritra Androy :
Fanolorana « Complexe des pêches » sy fitaovana maro samihafa ho an’ireo Mpanjono.
Ny Faritra Androy dia manana sisin-dranomasina 200km sy harena maro samihafa toy ny lamatra, orantsimba (langouste) sy trondro isan-karazany. Raha ny zava-misy nefa dia ahitana olan’ny tsy fanjarian-tsakafo matetika iny Faritra iny satria vitsy ireo olona manao ny asa fanjonoana. Tanjon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny ny hampiroborobo ity sehatra ity any Atsimo ka izany no antony anaovana ireo ezaka maro toy ny fametrahana ilay sekolin’ny Jono sy ireo « complexes des pêches », « Unités de froid » ary ireo fitaovam-panjonoana maro samihafa. Tonga nanolotra ilay « complexe des pêches », lakana vita amin’ny « fibre de verre » ahitana milina manana tanjaka 9,9CV sy fitaovana toy « masques, palmes, tubas » ary famantaranandro tsy matahotra rano aty Lavanono ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, notronin’ireo Manam-pahefana aty ifotony tarihan’Atoa Governora. #Complexe_peches #Lakana_fibre_verre #Lavanono_Anatsakoa #Beloha_Androy #MPEB
Jardin de la Mer, Kaominina Ambonivohitra Toliara, Faritra Atsimo-Andrefana.
Atrik’asam-paritra fanentanana momba ny FiTI na “Fisheries Transparency Initiative”.
Notanterahina tao amin’ny Jardin de la Mer, Kaominina Ambonivohitra Toliara ny faha 20 Desambra 2024 teo ny Atrik’asam-paritra fanentanana momba ny FiTI na ny « Fisheries Transparency Initiative ». Nandritra izany no nitondrana fampahafantarana amin’ny ankapobeny momba ny FiTI (Fisheries Transparency Initiative), ny fiaraha-miasa maneran-tany izay mikatsaka ny fametrahana ny fangaraharahana sy ny fandraisana anjara amin’ny haitondra ara-pitantanana ho an’ ny jono an-dranomasina. Anisan’ny hetsika mangarahara amin’ izany ny fanatsarana ireo tamberin’andraikitra ho an’ny daholobe, ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fanapahana ary ny fanatsarana ny fanaraha-maso sy ny fandraisana andraikitra. Teo ihany koa ny fahampafantarana ny GMN (Groupe Multipartite National) na ny Vondrona Marolafy Nasionaly, ny antompisiany sy ireo anjara asany eo anivon’ny Governemanta, ny andraikitra manandrify ny avy ao amin’ireo Firaisa-monim-pirenena ary ny avy ao amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny fanatrarana miaraka izany tanjona ho amin’ny fangaraharana eo amin’ny sehatry ny jono izany . #MPEB #DRPEB_Atsimo_Andrefana #MIONJO #Fanentanana_FiTI #Jono_Mangarahara #GMN
Faux Cap, Kaominina Betanty, Distrikan’i Tsihombe, Faritra Androy :
Fametrahana vato fototry ny sekolin’ny Jono na « École des Pêches »
Mba hiadiana amin’ny kere, ny tsy fananan’asa ary ny fahantrana amin’ny ankapobeny dia apetraka eto Faux Cap ilay sekolin’ny Jono voalohany eto Madagasikara. Raha ny zava-misy dia na misy na tsy misy ny orana dia misy trondro hatrany ny ao anaty ranomasina. Fotoana izao ny hitodihan’ireo olona aty Atsimo bebe kokoa amin’ny ranomasina. Ity toerana ity dia hampiofana ny olona rehetra aty Atsimo momban’ny Jono, ny fanodinana vokatra ary ny fikojakojana fitaovam-panjonoana maro. Iantohana ny saran-dàlana sy ny sakafon’ireo olona ireo izay tanora ny ankamaroany. Na tsy mahay mamaky teny sy manoratra aza ilay olona dia raisina ato avokoa. Roa herinandro eo ho eo ny faharetan’ny fiofanana izay arahana fampiharana avy hatrany ao anaty ranomasina satria miala 200m ny morontsiraka ity toerana ity. Tonga nametraka ny vato fototry ny « École des Pêches » voalohany eto Madagasikara, aorina eto Faux Cap ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Paubert T. MAHATANTE, notronin’ireo Manampahefana aty amin’ny Faritra Androy. Kasaina ny volana Martsa any ho any no ho vita ny asa. #Ecole_des_Peches #Faux_Cap #Tsihombe #ANDROY #MPEB