Kunming , Chine: Zaikabe andiany fahatelo amin’ny fampandrosoana mikasika ny fifanarahana eo amin’ny fanjakàna Sinoa sy ireo Firenena aty amin’ny Ranomasimbe Indianina
Notanterahina tao Kunming , Chine, ny 15 Desambra ka hatramim’ny 17 Desambra 2024, ny Zaikabe andiany fahatelo amin’ny fampandrosoana mikasika ny fifanarahana eo amin’ny fanjakàna Sinoa sy ireo Firenena aty amin’ny Ranomasimbe Indianina momba ny fampiroboroboana ny Toe-karena Manga. Nisolotena ny Ministeran’ny Jono sy ny Toe-karena Manga tamin’izany ny Tale Jeneralin’ny Toekarena Manga RAKOTOSOA Rado Aimé. Ity zaikabe ity dia natao hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakàna Sinoa sy ireo firenena aty amin’ny Ranomasimbe Indianina, anatin’izany Madagasikara. Ny Fanjakàna Sinoa dia vonona ny hanohana amin’ny lafiny rehetra mikasika ny fanetsehana ny Toekarena manga mba hampadroso ireo firenena voakasika ireo. Izany dia mamaly sy manohy ny tanjona voafaritra nandritra ny zaikabe nataon’ny Afrika sy Chine tamin’ity taona ity. Nandritra io zaikabe io dia nisy ny fandraisam–pitenenana nataon’i Madagasikara izay niompana indrindra amin’ireo tatitry ny asa vita mikasika ny fampandrosoana ny Toekarena Manga sy ny laharampahamehana ao anatin’izany ary ny fihatrehana ireo loza voajanahary misy any Madagasikara anatin’ny fiovaovan’ny Toetr’andro izay mety manohitohina ny fampiroboroboana ny Toekarena Manga. Namaranana ny zaikabe dia nisy ny fihaonana tamin’ireo Mpanao gazety sinoa nahafahana nanazava ireo lalam-piharian’ny toekarena manga aty Madagasikara ary koa niantsoana ireo mpandraharaha sinoa ho avy. #MPEB #DGEB #Toekarena_Manga
Fermeture de la pêche continentale SOFIA
Mahajanga, Faritra Boeny : Fankalazana ny herinandro maneran-tany ny RAM.
RAM na « Résistance aux AntiMicrobiens » na ihany koa Tohitra ody aina bitika
Ny RAM na « Résistance aux AntiMicrobiens » na ihany koa Tohitra ody aina bitika dia fahafahan’ireo mikraoba manohitra ireo fanafody ohanina izay loza hoan’ny olombelona, ny biby ary ny tontolo iainana. « Manabe, Mandresy lahatra,Mandray andraiktra dieny izao » no teny nentina nisantarana ny fakalazana ny herinandro maneran-tany amin’ny fanentanana ny #RAM ny taona 2024. Eo amin’ny sehatry ny Fampamokarana ny atirano dia tsy ahitana soritra fanafody tohitra amin’ny mikraoba na ny eo amin’ny fiompiana trondro, na eo amin’ny famokarana sakafon-trondro. Izany dia tafiditra amin’ny tajon’ny Ministera ny Jono sy ny Toekarena Manga ahafahana mahazo vokatra azo antoka sy ara-pahasalamana izay mitondra ny teny « Fihariana anaty tsy ahitana fanafody miady amin’ny mikraoba, antoky ny fahasalamana » ho ady amin’ny #RAM. Natao teto Mahajanga ny faha 18 Desambra 2024, ny fankalazana ny herinandro maneran-tany amin’ny fanentanana ny RAM izay nokarakarain’ireo Ministera mivondrona ao anatiny One Health ( MPEB, MINAE, MEDD,MSANP, MESUPRES, MEAH) notohanan’ny #OMS, #FAO, #OMSA, #PNUE. Izay mbola hitohy any Antananarivo. #MPEB
La Pêche aux poulpes sous quelque forme que ce soit est INTERDITE
MPEB Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga
Fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa amin’ny tetikasa vaovao hiarahan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny FAO mahakasika ny jono madinika
Mamelona Malagasy mihoatra ny 7 tapitrisa ny jono madinika eto Madagasikara raha toa ka somary hadinodino izy ireny ary anisan’ny mampidi-bola ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana sy manome asa mivantana hoan’ny olona miisa 170 000 ihany koa. Manodidina ny 60% ny vokatra eto Madagasikara ihany koa dia avy amin’ny jono madinika. Izany dia manambara fa manan-danja tokoa ny jono madinika eto amintsika na ara-tsosialy na ara-toekarena. Manoloana izany dia notanterahana androany 17 Desambra 2024 ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa amin’ny tetikasa vaovao mitentina 6,8 tapitrisa dolara ($) avy amin’ny « Agence suédoise de coopération internationale au développement (Sida) mahakasika ny fanamafisana sy fanatsarana ary fampiroboroboana ny jono madinika ara-drariny eto Madagasikara tsy ho voahozongozon’ny fiovaovan’ny toetrandro ary koa mba haharitra hiarahan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tamin’ny alalan’Atoa Minisitra MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert sy ny FAO tamin’ny alalan’Atoa Mbuli Charles Boliko, Mpisolo-tena maharitra, miasa sy monina eto Madagasikara. Ity tetikasa ity dia hiompana bebe kokoa amin’ny : Fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra eo an-toerana amin’ny fampandraisana anjara mavitrika ny tanora sy ny vehivavy amin’ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina sy amin’ny dingana fandraisana fanapahan-kevitra. Fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina, miaraka amin’ny fandraisana andraikitra vaovao ho fitahirizana ny toeram-ponenana manan-danjan’ireo zava-manana aina toy ny vatohara. Fandrisihana ny fiatrehana ara-toekarena amin’ny fanohanana ny fivelomana mifanaraka amin’ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny fanamby ara-toekarena ankehitriny. Fampiroboroboana ny andraikitry ny vehivavy amin’ny jono madinika amin’ny alalan’ny fanasongadinana ny fandraisan’anjaran’izy ireo izay matetika tsy voajery nefa tena ilaina. Tsy adino ny fanampiana ara-pitaovana ireo mpanjono madinika sy ny tantsoroka hoan’ireo fikambanan’ny mpanjono manoloana izany fiovaovan’ny toetrandro izany sy ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary an-dranomasina. Tanjona ny hanatratrarana ny fihinana trondro eto amintsika 11kg/isam-batan’olona/isan-taona manodidina ny farany taona 2025. Marihana fa i Madagasikara dia tafiditra ao anatin’ireo firenena 06 mpitarika voafidy hisitraka ity tetikasa ity ao anatin’ny 03 taona miaraka amin’i Colombie, Ghana, Philippines, Tanzanie ary Ouganda noho ireo ezaka maro vitan’ny Ministera. #MPEB #FAO #Sida #JonoMadinika #Mpanjono
ARRETE n° 038-24/REG-BN/GOUV
Portant la fermeture de la pêche continentale dans la Région Boeny-Campagne 2024/2025
Orinasa PFOI, Antsiranana, Faritra DIANA
Lanonana fifanaovan-tsonia mahakasika ny fifanarahana momba ny Jono Lamatra
Ny Orinasa PFOI na « Peche et Froid de l’Ocean Indien » dia Orinasa Malagasy manodina sy manondrana vokatra an-dranomasina toy ny Lamatra izay mampiasa olona hatramin’ny 1.500 eto Antsiranana (Diego). Ankehitriny dia te hanitatra izay fiaraha-miasa izany izy ireo ka nangataka ny hampidirana Sambo Mpanjono miisa roa, mitondra saina Malagasy ka hanjono Lamatra ato amin’ny fari-dranomasintsika mba tsy hampisy olana ny « approvisionnement » amin’ny vokatra fototra. Hampiditra vola manodidina ny Ar5 lavitrisa isan-taona ity fifanarahana ity. Mba hisian’ny mangarahara, taorian’ny fankatoavan’ny filan-kevitry ny Minisitra, dia notanterahina teo imason’ny daholobe ny fifanaovan-tsonia ity fifanarahana ity teo amin’ny Orinasa PFOI izay miara-miasa amin’ny CFTO na ny « Compagnie Française des Thons Océaniques » sy ny Minisiteran’ny Jono sy Toekarena Manga eto Antsiranana. Haharitra roa taona azo havaozina ity fifanarahana ity izay mahakasika ny fampiasana sambo Mpanjono Lamatra roa ka manodidina ny 7.000 ka hatramin’ny 10.000 taonina eo ho eo no ho jonoin’izy ireo. Hampiasa Tantsambo sy tanora maro ary indrindra ny fikojakojana ny sambo na ny « carénage » ao amin’ny Orinasa SECREN isan-taona. Hisy ihany koa ny fametrahana ilay Sekolin’ny Jono na ilay « école des pêches » izay hapetraka eto Antsiranana sy fanomezana vatsim-pianarana mankany ivelany hoan’ny mpianatra miisa folo isan-taona avy amin’ny Oniversiten’ny Antsiranana izay manaraka ny lalam-piofanana Jono sy Toekarena Manga. Niatrika sy nanome voninahitra izao lanonana izao Atoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta sy ireo Manam-pahefana maro indrindra ny vahoaka sy ireo Mpanjono mba hisian’ny mangarahara kokoa ary ho fanatanterahana ny voalaza amin’ny fifanarahana amin’ny FiTI na ny Fishery Transparency International. #MPEB #PFOI #CFTO #Lamatra #Thons #Jono #Fifanarahana
DIDIM-PITONDRANA FAHA 002-2024/MININTER/PREF/IHS/STD Mamaritra ny fanakatonana mandritra ny fotoana voafetra ny jono ara-barotra ao amin’ny Faritra Ihorombe
DIDIM-PITONDRANA LAHARANA 14-MDAT/REGAN/GOUV/SG/24 Mamaritra ny fanakatonana mandritra ny fotoana voafetra ny fe-potoana fanjonoana ao amin’ny Faritra Analamanga
ARRÊTÉ N°054-2024/MDAT/REG-ATS portant fermeture de Pêche dans les plans d’eau continentaux et saumâtres du domaine public de l’État dans la Région Atsinanana