Forello Expo Tanjombato, Antananarivo, Faritra AnalamangaLoabary an-dasy niresahana mahakasika ny « Transformation de l’Agriculture à Madagascar »
Nandritra ny hetsika lehibe izay natao hanomezan-danja ny mpamokatra sy ireo mpandraharaha ary koa ireo mpitsidika toy ity foara tanterahana mandritra ny 04 andro eny amin’ny Forello Expo Tanjombato ity dia misy hatrany ny fifampizarana traikefa sy torohay isan-karazany amin’ny alalan’ny loabary an-dasy entina handinihina lohahevitra mifandraika amin’ny Fambolena, ny Fiompiana, ny Jono, ny Indostria, sns… Nandritra ny andro voalohany dia ny loabary an-dasy avo lenta no notanterahana izay niresahana mahakasika ny « Transformation de l’Agriculture à Madagascar » niarahana tamin’Atoa MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert (Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga), Atoa HAJARISON François Sergio (Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana), Atoa RASAMIMANANA Tiana (Filohan’ny SIM), Atoa RASOAMANANA Christian (Filohan’ny CNIM), Atoa HARY Landza (MGA). Eo amin’ny sehatrin’ny Jono dia noresahan’Atoa Ministra ireo paikady entin’ny Ministera amin’ny fampiroboroboana ny Jono sy ny Fiompiana anaty rano. Anisan’izany ny fampiroboroboana ny resaka Fiompiana anaty rano hisorohana ny « surpêche » izay mahalany tamingana ny harena anaty rano. Eo ihany koa ny fanomezana fampiofanana maneran-tany ny Faritra, ny fametrahana ireo foto-drafitrasa toy ny « Unité de froid » sy ny « Unité de transformation », sns…
DIDIM-PITONDRANA LAHARANA FAHA 454/2024-MINTER/PREF.ABE/SG/AE/PECHEMamaritra ny fanakatonana mandritra ny fotoana voafetra ny Jono ara-barotra ao amin’ny Faritra Vakinankaratra manomboka ny 15 Septambra 2024 ka hatramin’ny 15 Novambra 2024
Forello Expo Tanjombato, Antananarivo, Faritra AnalamangaFandraisan’anjaran’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga amin’ny FIA 2024
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny faha 12 Septambra 2024 tao amin’ny Forello Expo Tanjombato, Antananarivo, ny Foara Iraisam-pirenena hoan’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono (FIA) 2024 Andiany faha-06. Tanjona amin’izao Foara izao ny hampiakarana ny taham-pamokarana sy ny fijerena manokana ireo Tantsaha mpamokatra eny ambanivohitra mba hafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo araka ny voarakitra ao anatin’ny Politika ankapobeny Fanjakana (PGE). Noho izany indrindra dia isan’ny nandray anjara mavitrika tamin’izao ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tamin’ny alalan’ny fametrahana Trano heva sy fandraisan’anjaran’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, tamin’ny lohabary an-dasy. Tonga nisolo tena an’Atoa Ministra nandritra ny fanokafana Atoa Talen’ny Kabinetra notronon’Atoa Sekretera Jeneraly sy ny Tale Jeneralin’ny Toekarena Manga.
Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra AnalamangaFitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ireo solotenan’ny Vondrona Afrikana
Taorian’ny famaranana ny atrikasa fankatoavana ny valin’ny « Études sur l’alignement des politiques et stratégies de développement de Pêche et Aquaculture aux instruments mondiaux et le PDDAA’ » natao tao amin’ny Radisson Blu Ambodivona, ny faha 11 Septambra 2024, dia noraisin’Atoa Ministry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Dr. MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, tao amin’ny birao fiasany ireo solotenan’ny Vondrona Afrikana (UA-BIRA) niaraka tamin-dRtoa DRPEB Vakinankaratra, « point focal » eto Madagasikara. Nifantoka tanteraka tamin’ny fomba fanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa ny dinidinika natao ka anisan’izany ireto manakara ireto: – Fanomanana ny « Forum des jeunes PanAfricains en Économie Bleue » izay kasaina hotanterahana eto Madagasikara. – Fampiroboroboana ny « Plateforme SIDS », noho i Madagasikara izay isan’ireo Firenena mitarika ao anatin’izany. – Ny mahakasika ny PFRS manokana hoan’ny eo anivon’ny COMESA izay efa vonona sy handalo famakafakana sy fankatoavana tsy ho ela. Tsiahivina ihany fa ny UA-BIRA dia isan’ireo mpiara-miombona antoka vahiny nasaina manokana ary nahatonga solotena nandritra ny fankalazana ny Androm-pirenena momba ny Toekarena Manga andiany faharoa notanterahina tao Toamasina, Faritra Atsinanana, ny 5 – 6 Septambra 2024 teo ary sambany tamin’ny tantara izany.
Radisson Blu Ambodivona, Antananarivo, Faritra Analamanga « Atelier sur l’alignement des stratégies nationales de Pêche et d’Aquaculture et des plans nationaux d’investissement agricole au référentiel d’action et la stratégie de réforme de la pêche et de l’aquaculture en Afrique et l’adaptation aux changements climatiques, y compris la formulation de recommandations pour la domestication des instruments mondiaux pertinents »
Taorian’ny atrikasa fankatoavana nafahantsika namoaka ny « Document stratégique aligné à la PFRS (Policy Framework and Reform of Fisheries) » na ihany koa tahirin-kevitra mandrafitra ny paikady iraisana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina ho fanavaozana sy fampandrosoana ny tontolon’ny Jono sy ny Fampamokarana anaty rano tamin’ny herintaona katroka toy izao dia miroso amin’ny dingana manaraka isika satria i Madagasikara dia anisan’ny Firenena nahavita nanatanteraka izany tao anatin’ny fotoana fohy. Izao dingana manaraka izao dia mifanitsy tanteraka amin’ny andry iankinan’ny fampandrosoana an’i Madagasikara voasoratra ao amin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (PGE) mahakasika ny harena anaty rano tsara tantana. Ny tanjon’ny fikaonan-doha mandritra izao atrikasa fakan-kevitra sy fankatoavana izao dia ny mba hafahantsika mampifanitsy ireo paikady ananantsika miisa 14, ahitana ireo lalàna sy drafim-pirenena ho fampandrosoana sy fampiasam-bola (plan de développement et d’investissement) mifanaraka amin’izay sy amin’ireo paikady Iraisam-pirenena momba ny fampandrosoana ny Jono sy ny Fampamokarana anaty rano (PFRS et Instruments mondiaux) ary ny Toekarena Manga. Hamoahana ihany koa tahirin-kevitra voahitsy hafahana mandray fanapahan-kevitra sy hafantarana an’i Madagasikara eo anivon’ny Vondrona Afrikanina sy maneran-tany ary hamoahana drafim-pirenena fampifanarahana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro (PNA). Izany rehetra izany dia mba hafahantsika miara-miainga amin’ireo Firenena mivondrona ao anatin’ny Vondrona Afrikanina sy maneran-tany ao anatin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny Jono sy ny Fampamokarana anaty rano. Marihana fa i Madagasikara dia isan’ireo Firenena nahavita nandrafitra izao paikady voahitsy afaka ampiasaina avy hatrany izao ka manomboka izao dia ho raisina eo anivon’ny Vondrona Afrikanina ny mahakasika an’i Madagasikara amin’ny tokony hatao hafahana miroso amin’ny fanatanterahana araka ny tokony ho izy ireny fitaovana nosoniavintsika ireny. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Hôtel Radisson Blu Ambodivona, Antananarivo, ny faha 09 Septambra 2024 ka haharitra 03 andro ity atrikasa fankatoavana ny valin’ny famakafakana ireo atontan-kevitra sy lalana ho an’ny fampandrosoana ny Jono ity izay hiarahan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny Vondrona Afrikanina (AU-IBAR) ao anatin’ny fanatanterahana ny Tetikasa « FISHGOV 2 » izay vatsian’ny Vondrona Eorôpeana. Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izany Atoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga notronin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Ministera. Nisy ny fampahafantarana ny valin’ny fanadihadiana miisa roa narahana asam-baomiera sy fikaonan-doha mialohan’ny fankatoavana azy nandritra ny roa andro voalohany. Tonga nanatrika ny atrikasa famaranana Atoa MAHATANTE Paubert, Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, notronin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Ministera hatrany.
Ankorondrano, Antananarivo« Dialogue national du Fonds pour l’Environnement Mondial de Madagascar » (FEM), huitième cycle de programmation
Notontosana nandritra ny 2 andro teny amin’ny Novotel Ankorondrano, ny Fikaonan-doha nasionaly hoan’ny tahirim-bola ho an’ny tontolo iainana sy ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro ny faha 27 Aogositra 2024. Fihaonana natrehin’ny delegasion’ny FEM notarihin’Atoa Filoha Tale Jeneraliny, Carlos Manuel Rodríguez. Tonga nanome voninahitra ny fikaonan-doha ihany koa ny Minisitry ny Jono Sy ny Toekarena Manga Atoa MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert sy ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy, Atoa Max Fontaine Andonirina. Tsiahivina hatrany fa mifampiankina tanteraka ny resaka tontolo iainana sy ny sehatry ny Jono ary ny Toekarena manga. Ny fisian’ny ala no mampisy ny rano ary ny rano no mampisy ny Toekarena Manga. Anisan’ny tena nojerena nandritra ity fikaonan-doha ity ny fanaovana jery todika ireo Tetikasa efa vita teo aloha sy ireo afaka hanatsarana izany. Marihana fa nandritra ny 30 taona niaraha-niasa tamin’ny Madagasikara dia Faritra 24 no efa nisitraka ny tohana avy amin’ny FEM.
Sambava, Faritra SAVAFankalazana ny Androm-pirenena hoan’ny Fampamokarana Anaty Rano Andiany fahatelo (JNA 3è Edition)
Tontosa nandritra ny 03 andro, ny faha 22 hatramin’ny 24 Aogositra 2024 lasa teo, tao Sambava, Faritra SAVA, ny fankalazana ny Androm-pirenena hoan’ny Fampamokarana Anaty Rano andiany fahatelo (JNA 3è Edition) tamin’ity taona ity, niarahana tamin’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tamin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny Fampamokarana Anaty Rano (DA). Natomboka tamin’ny filaharambe namakivaky ny tanana niarahana tamin’ny solotenam-panjakana, ny teo anivon’ny Ministera, ny mpiara-miombona antoka, ny fiarahamonim-pirenena sy ny fikambanana maro samihafa, ny mpanjono, ny mpiompy trondro ary ireo mpandray anjara rehetra, ny andro voalohany. Nitohy tamin’ny fandraisam-pitenenana samihafa ary nosokafan’Atoa TILAHY Desiré, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana. Nisy tao aorian’izay ny fitsidihana ireo trano heva nahitana fampirantina ny vokatra isan-karazany misy any an-toerana sy ny manodidina. Ny faha 23 Aogositra 2024, andro faharoa, kosa dia niroso tamin’ny fanadiovana ny vinany teo amin’ ny morontsiraka Sambava Centre nu rehetra. Teo ihany koa ny fampiofanana ireo mpanjono, ny mpiompy trondro ary ny mpanao kinanga mahakasika ny fiompiana janga, ny fambolena lomotra, fiompiana trondro ary fanatavezana drakaka. Ny fahatongavan’Atoa Minisitra MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert kosa no nanamarika ny andro faharoa ka nisy avy hatrany ny fitsidihana ny trano heva sy fifanankalozana tamin’ireo mpisehatra rehetra. Niroso tamin’ny fambolen-kazo niarahan’ny rehetra notarihan’Atoa Ministra kosa ny andro fahatelo ka zanakazo miisa 2 000 no novolena tao amin’ny Fkt Hantsamborara, Kaominina Ambanivohitra Farahala, nahitana Hintsim-bazaha (Pongamia pinnata) sy Tsararavina (Intsia bijuga) entina mampiroborobo ny Toekarena Manga sy ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro, niarahana tamin’ny DREDD, ireo mpanjono sy mpiompy trondro ary ireo mpanao kinanga. Tao aorian’izay no nanolorana fampitaovana ny fikambanana « Dauphin Bleue » tao amin’ny Fkt Hantsamborara, Kaominina Ambanivohitra Farahalana, Distrikan’ny Sambava talohan’ny nanakatonan’Atoa Ministra tamin’ny fomba ofisialy ity Androm-pirenena ho an’ny Fampamokarana Anaty Rano andiany fahatelo ity.
Andohatapenaka , AntananarivoFanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Fier mada Andiany faha-25
Toekarena ambanivohitra miroborobo, harovan’ny fanjakana amin’ireo loza rehetra mihatra amin’ny asa famokarana. Io no lohahevitra fanentanana mandritry ity Tsenabe iraisam-pirenena ho an’ny Toekarena Ambanivohitra eto Madagasikara Andiany Faha-25 ity izay tanterahana mandritry ny 5 andro eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. 75% ny Malagasy dia tantsaha avokoa ary isika eto Madagasikara dia manana ireo karazana vokatra maro izay mampiavaka antsika amin’ny hafa ka natao izao Tsenabe izao ho fanomezana-danja manokana ho azy ireo hahafahany mampiranty ireo vokatra na avy amin’ny fambolena na fiompiana na amin’ny sehatry ny Jono ary indrindra ny amin’ny resaka fitadiavana lalam-barotra. Raha hoan’ny sehatry ny Jono dia miankina betsaka amin’ireo sakafo-trondro no mampahomby ny fiompiana azy na tsia , misy ireo vokatra provandy vita avy amin’ny tsako, sns… izay afaka atao tsara ho azy ireo, eo ihany koa ny fiompiana lalitra . Hatreto dia mahatratra 350 000 taonina ny provandy mbola tokony ho vokarina ho amin’izany. Miisa 450 ireo trano heva eny an-toerana ary mandray anjara ao avokoa ireo tantsaha avy amin’ny lafy valon’ny Nosy. Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy androany ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Atoa MAHATANTE Paubert.
MPEB Ampandrianomby, AntananarivoFanolorana fitaovana sy fanamiana ary vatsy hoan’ny delegasion’ny Ministera hanatrika ny lalao ara-panatanjahantena ASIEF 2024
Nitsodrano sy nanolotra fitaovana miampy fanamiana sy vatsy hoan’ireo mpikatroka baolina kitra sy Basket ball, solontenan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, hiatrika ny lalao ara-panatanjahantena hoan’ny mpiasam-panjakana na ASIEF 2024 hotanterahana any Antsirabe ny faha 05 hatramin’ny 18 Aogositra 2024, Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, notronin’Atoa Sekretera Jeneraly sy ireo Tale Jeneraly ary ireo Tale isan-tsokajiny eo anivon’ny Ministera, androany 01 Aogositra 2024, tao amin’ny efitrano malalaka fivorian’ny Ministera ao Ampandrianomby. Marihana fa taranja roa no handraisan’ny MPEB anjara dia ny Baolina kitra sy ny Basket ball ka miisa 35 ireo delegasiona handrafitra izany. Hoan’ny taranja Baolina kitra : – Maillot, Faux bas, Dossard : 25 avy. – Ballon de match : 5 – Brassard capitaine : 2 Hoan’ny taranja Basket ball kosa : – Maillot : 17 – Ballon de match : 4 Ankoatra izay : – Survêtement : 35 – Rano Cristalline 1l : 12 pack – Vary : 6 gony Tsy adinon’ireto mpikatroka no nisaotra tamin’izao fanomezana izao ary nanome toky ny hiezaka sy hanome ny herin’izy ireo rehetra amin’izao lalao ara-panatanjahantena ASIEF 2024 izao mba ho voninahitry ny Ministera. ALEFA MPEB, Ensemble on ira loin !