Siège de la FAO – Viale delle Terme di Caracalla – Rome ITALYfivoriana antampony iraisam-pirenena faha 36 ny komitin’ny Jono (36th COFI).
Tontosaina eto anivon’ny FAO ny 08 – 12 jolay 2024 ny fivoriana antampony iraisam-pirenena faha 36 ny komitin’ny Jono (36th COFI) ka Firenena miisa 194 mpikambana eo anivon’izany Komity Iraisam-pirenena ny Jono (COFI) izany no samy voasolo tena eto ka anisan’izany i Madagascar amin’ny alalan’ny Rtoa DRPEB Vakinankaratra izay nahazo fanasana manokana amin’ny maha mpanamora « Facilitateur » azy eo anivon’ny Vondrona Afrikana (AU-IBAR) sy ny Vovonana « SIDS’ Afrikana, ny ekipa WWF sy ny solotenan’ny Mpanjono ary ny ekipa ny maso ivohon’ny Madagascar aty Rome. Marihina fa mandray anjara ihany koa isika Malagasy amin’ireo « Side Event » maromaro toy ny « Session 10eme anniversaire PFRS » sy ny « 3eme réunion Plateforme SIDS africaine » ary indrindra ny fisoloana tena an’i Madagascar amin’ny maha Firenena mambra ny COFI azy. Izany no hatao mba hikarohana fiaraha-miasa ho fampandrosoana hatrany ny sehatry ny Jono Malagasy.
Ambodifôtatra, Distrika Sainte Marie, Faritra AnalanjirofoFampiofanana momba ny fambolena lomotra
Nandritra ity iraka nataon’Atoa Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert dia nampiofana ireo solontenan’ny Mpamboly lomotra ao Sainte Marie ny tenany. Niatrika izao fizarana izao ny solontenan’ny Orinasa telo sy ireo Mpamboly tsy miankina. Marihina fa manodidina ny 1.000 ny isan’ireo olona manao izany fambolena lomotra izany ary manodidina ny 200 taonina isan-kerinandro ny vokatra lomotra lena. Nambaran’Atoa Minisitra fa mahatratra 36 tapitrisa taonina isan-taona ny lomotra vokarina manerantany. Ary i Azia no mitazona ny loha laharana satria maherin’ny 70% no lomotra vokarina ao. Manodidina ny 3.000 taonina isan-taona kosa ny vokatra eto Madagasikara ankehitriny raha toa ka 1.200 taonina izany ny taona 2021. Tanjona ny hahatratra 25.000 taonina lomotra maina ny Taona 2030. Manoloana izany tanjona izany dia efa miparitaka manerana an’i Madagasikara ny fambolena lomotra ankehitriny izay hita ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, Menabe, DIANA, SAVA, Analanjirofo. Teknika roa no tena ampiasaina, ilay off bottom na fambolena miala kely amin’ny tany sy ny longline izay miala kely ihany koa ny faritra ambanin’ny ranomasina (surface). Samy mampiasa tady ireo teknika ireo. Ka ilay fampiasana tsatoka na piquet en galva no tena mampiavaka ny fambolena lomotra ao Sainte Marie.
Ambodifôtatra, Distrika Sainte Marie, Faritra Analanjirofo Fitsidihana tsenan’ny trondro sy fihaonana amin’ireo mpivarotra trondro
Nijery ireo toerana ivarotana trondro sy nihaona amin’ny Mpivarotra trondro ao Sainte Marie ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Paubert Mahatante. Hita teto fa tena mbola manana vokatra ity faritra ity ary voamarina fa ny vahoaka aty no isan’ny tena mihinana trondro betsaka eto Madagasikara. Hatsangana tsy ho ela ihany koa ny fikambanana RENAFEP na ny Reseau National des Femmes œuvrant dans la Pêche hahafahana manohana ireo renim-pianakaviana izay misehatra amin’ity fihariana ity. Hatao ihany koa ny fampifandraisana azy ireo amin’ireo tambajotra eto Madagasikara sy ao Afrika.
Ambodifôtatra, Distrika Sainte Marie, Faritra AnalanjirofoFitsidihana ny toerana fampagatsiahana vokatra (chambre froide)
Ity toerana ity dia fiarahamiasa miaraka amin’ny Ministeran’ny fahasalamana, ny tsy miankina ary ny Minisiteran’ny Jono sy Toekarena Manga izay notohanan’ny ONG GRET. Manana fahafahana 08 taonina (capacité de congélation) ary ahitana milina manamboatra ranomandry (la glace en paillette) 500kg isanandro. Mampidi-bola manodidina ny Ar5 tapitrisa isam-bola io toerana io kanefa mbola 800kg amin’ny 08 taonina no tonga ao. Nanentana ny rehetra ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Paubert Mahatante sy ireo Manampahefana izay nanotrona azy ary nanome ireo toromarika ny hanadiovana ny manodidina.
Fokontany Ambatorao, Distrika Sainte Marie, Faritra Analanjirofo Fanolorana fotodrafitrasa ho fanohinam-bokatra Avy andranomasina
Isan’ny mamatsy vokatra andranomasina an’i Ambodifotatra izay ahitana olona betsaka indrindra ao Sainte Marie i Ambatorao noho izy isan’ny ahitana Mpanjono betsaka. 30km any amin’ny tapany avaratr’i Sainte Marie no misy azy. Mivoaka avy ao ny trondro, ny horita sy ny maro samihafa… Natolotra ireo Mpanjono ity fotodrafitrasa ho fanodinana vokatra ity hahafahana manao fumage sy séchage ary manena ilay vokatra simba nohon’ny habetsahany. Ahitana efitra fanodinam-bokatra sy efitra fitahirizana vokatra ity toerana ity ary efa azo ampiasaina. Faly ireo Mpanjono ary nankasitraka ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Paubert Mahatante izay notronin’ireo Olomboafidy sy Olomboafidy aty an-toerana.
Ankôbahôba, Distrika Sainte Marie, Faritra Analanjirofo fihaonana amin’ireo Mpamboly lomotra
Nandritra ity iraka nataon’Atoa Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga eto Sainte Marie ity dia nisy ny fihaonana izay niarahany tamin’ireo Mpamboly lomotra. Nanontany ireto farany hoe maninona no fetraina ho 600 toratady (600 lignes) ny olona iray sns. Ao ihany ihany koa ny resaka vidin’ny lomotra izay Ar100/kg ny lena. Nanambara ny Minisitra fa asiana io fetra io ho an’ny Orinasa NBS izay tsy lalàna akory fa fomba napetraka mba hahafahan’ny olona iray hahavita hikarakara tsara ilay fambolena ataony ka tsy hisy fandotoana ny tontolo iainana. Nanambara ihany koa ny tenany fa Mbola hanao fanadihadiana momba ny vidin’ny lomotra manerana an’i Madagasikara sy aty Afrika (benchmark) ka handroso sosokevitra avy eo. Afa-po amin’ny fifanakalozana ara-teknika sy momba ireo lalàna vaovao toy ny didim-pitondrana laharana 841/2024 mahakasika ny fambolena lomotra eto Madagasikara ny roa tonta. Nanotrona an’Atoa Minisitra teto ireo Olom-boafidy sy Olom-boatendry eto Sainte Marie sy eo anivon’ny Faritra Analanjirofo.
Ankobahoba, Ilampy, Lôhatrôzogno, Distrika Sainte Marie, Faritra Analanjirofo fanarahamaso ireo fambolena lomotra
Raha tsiahivina dia Orinasa Mpamboly lomotra telo no misy eto Sainte Marie (Madalague, SOVALG ary Nosy Boraha Seaweed na NBS). Manodidina ny 200 taonina isam-bolana eo ny vokatra azo ary mampiasa olona mivantana sy ankoloka manodidina ny arivo. Mapidi-bola eo amin’ny Ar1,5 ka hatramin’ny Ar2 tapitrisa isam-bolana ny fambolena lomotra eto Sainte Marie. Ilay teknika fambolena « semi flottante » no hita eto. Mampiasa ilay « piquets en galva » mba hialana amin’ilay fampiasana hazo. Tsy misy intsony ny fampiasana ilay piquets hazo izay nohatsaraina ankehitriny. Marihina ihany koa fa tsy mampiasa bouteilles en plastique ny eto Sainte Marie ary ity modely ity no haparitaka maneraka an’i Madagasikara. Nanao ny fanarahamaso rehetra ny fambolena lomotra izay ataon’ireo Orinasa telo eto antoerana ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert ary nanamafy fa mila fazotoana ity asa ity satria mila fikarakarana isanandro toy ny fanesorana ireo lomotra ratsy (mitovy amin’ny ahi-dratsy ihany amin’ny fambolena antanety). Nanome ireo toromarika samihafa ny tenany hanatsarana hatrany ity sehatr’asa ity.
Ambodifotatra, Distrika Sainte Marie, Faritra Analanjirofo Nivaha tamin’ny alalan’ny raharaham-pihavanana ny olan’ny fambolena lomotra
Taorian’ny fifampiresahana tamin’ny hery velona rehetra izay notarihin’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Paubert Mahatante momba ny olan’ny fambolena lomotra dia hita fa tsy olana ara-teknika velively ny olana nisy nandritry ny volana maromaro fa olana arak’olona. Manoloana an’izany dia niroso amin’ny fampihavana ireo ahitana olana rehetra ny Minisitra Tomponandraikitra ary nahitam-bokany izany. Nanaiky ny fandaminana napetraka ireo hery velona rehetra izay natrehin’ireo Manam-pahefana isan-tsokajiny rehetra aty an-toerana. Voafetra ho isaky ny 15 andro ny fandoavana ny volan’ny mpamboly lomotra. Ho raisin’ny Orinasa NBS sy SOVALGUE avokoa ireo vokatra tsy lanin’ny Orinasa Madalague. Samy hanitatra ireo toerana hanamainana lomotra ireo Orinasa telo ka tsy misy ahiana ny fandraisana lomotra eto Nosy Boraha. Niafara tamin’ny lanonana ara-pomba Malagasy tamin’ny alalan’ny famonoana omby sy ny sakafo mitam-pihavanana ny famahana ny olana nisy teo amin’ny Mpamboly lomotra sy ny Tompon’Orinasa iray eto Sainte Marie. Nisaotra ny rehetra ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga ary nanamafy hatrany ny fahavononany sy ny departemanta tarihiny hanohana ity fihariana lomotra ity mba hisorohana ny tsy fananan’asa eto Madagasikara.
Ambodifotatra, Distrika Sainte Marie, Faritra Analanjirofo Famahana ny olana momba ny fambolena lomotra
Efa amam-bolana maromaro no naharaisana fitarainana ny mahakasika ny fambolena lomotra aty Sainte Marie na Nosy Boraha. Tsiahivina fa Orinasa telo ankehitriny no mamboly sy manondrana lomotra aty an-toerana : Madalgue, SOVALGUE ary NBS na ny Nosy Boraha Seaweed. Mamorona asa mivantana manodidina ny arivo eo ho eo ireo Orinasa ireo ary tanora amam-behivavy avokoa ny ankamaroany. Marihina ihany koa fa vokatra manodidina ny 200 taonina lena (algues fraîches) isam-bolana no raisin’ireo Orinasa telo ireo. 3.000 taonina maina (30.000 taonina lena) isan-taona no vokatra aondran’i Madagasikara isan-taona. Tanjona ny hanondranana hatramin’ny 25.000 taonina maina mialohan’ny taona 2030 ka izany no mahatonga ny Minisitera mametraka ireo paikady rehetra. Navoaka ny « arrêté » na Didim-pitondrana laharana 841/2024 mifehy ny fambolena lomotra eto Madagasikara. Namory ireo mpamboly lomotra, Tompon’Orinasa ary Raiamandreny ahitana olom-boafidy sy Olom-boatendry eto Nosy Boraha ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert hitadiavam-bahaolana maharitra momba ny fambolena lomotra izay mampidi-bola hatramin’ny 02 tapitrisa ariary isam-bolana isaky ny fianakaviana izay manao azy.
Sainte Marie , Faritra AnalanjirofoFitsidihana hiarahana amin’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga
Ankoatran’ny resaka Jono Dia seha-pihariana anisan’ny mampalaza an’i Sainte Marie ihany koa ny fambolena Lomotra izay tena Anisan’ny asa fiharian’ny ankamaroan’ny Mponina ao an-toerana. Mandritra ity fitsidihana izay iarahana amin’A/toa MAHATANTE Paubert ity Dia hifampitafa Sy hampiravona ny olana misy eo amin’ny Orinasa mampiasa izany ny tenany miaraka amin’ireo mpamboly Lomotra mba hisian’ny marimaritra iraisana eo amin’ny roa Tonta hafahana mampiroborobo ity sehatra iray ity ao an-toerana. Ankoatr’izay Dia Hisy ny fitsidihana ny Toerana fambolena ireo Lomotra , ny fihaonana mivantana amin’ireo mpiompy trondro Ary ny fanarahamaso ireo asa fampandrosoana izay sahanin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena manga any amin’ny Faritra iny.