Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga
Fanaingana amin’ny fomba ofisialy ny drafitrasam-pirenena momban’ny Jono madinika an-dranomasina sy an-dranomamy sy ireo torolalana mahakasika ny fampiasam-bola amin’ny fihariana anaty rano.

  Lanonana roa sosona no notanterahana teto amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga Ampandrinomby, anio 24 Jona 2024, ankoatran’ny fanaingana amin’ny fomba ofisialy ny drafitrasam-pirenena momban’ny Jono madinika dia notanterahana androany ihany koa ny fampisehoana ireo boky mahakasika ny torolalana ny fampiasam-bola amin’ny fihariana anaty rano. Hatreto dia tahirin-kevitra miisa 12 no navoakan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ho fampiroboroboana izany eto Madagasikara tafiditra anatin’izany ny Jono madinika sy ny fihariana anaty rano. Arak’izany dia afaka mirehareha isika satria isika eto Madagasikara no manana izany « document stratégique » maro indrindra, izay lasa modely aty Afrika. Mpiara-miombona antoka maro no nanohana an’i Madagasikara nahatongavana amin’izao, anisan’izany ny FAO. Nitarika izany Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert notronin’ny avy ao amin’ny FAO sy ireo Mpiara-miombona antoka amin’ny Ministera. Marihana fa efa azo jerena ao anatin’ny tranokalan’ny ministera amin’ny teny gasy sy frantsay ireo tahirin-kevitra sy torolalana ireo.  

Kaominina Ambonivohitra Antsiranana I, Faritra DIANA
Fihaonana amin’ireo mpiompy sy ireo izay te-hisehatra amin’ny fiompiana trondro

  Mbola malalaka ny tsena anatiny ho an’ny fiompiana trondro an-dranomamy ao Antsiranana. Ho fanatsarana ny fiompian’ireo mpiompy trondro ao an-toerana sy hidirany amin’ny sehatry ny matihanina kokoa ary ho famporisihina an’ireo izay te-hisehatra amin’izany seha-pihariana izany dia nisy ny famelambelaran-kevitra nataon’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert tamin’izy ireo androany 22 Jona 2024. Tonga maro tokoa izy ireo namaly ny antso tamin’izany, ahitana mpivarotra, mpiompy trondro, mpanjono, mpianatra ary olona tsotra. Namafisin’Atoa Minisitra nandritra ity famelambelaran-kevitra ity moa fa tanjon’ny Ministera ny hanao ny fiompiana trondro toy ny fiompiana akoho amam-borona ka samy hanao izany avokoa ny isan-tokatrano. Tsy adinony ihany koa no nanome ireo toro-hevitra teknika isan-karazany manodidina izay fiompiana trondro izay. Hita sy tsapa fa resy lahatra ny rehetra taorian’izany famelambelaran-kevitra izany ary naneho fahavonona izy ireo fa hisehatra amin’ny fiompiana trondro izay hamorona asa ho azy ireo. Tapaka ary fa hatsangana amin’ny herinandro ho avy izao ny fikambanan’ny mpiompy trondro ao an-toerana.*  

Oniversiten’i Busan, Korea Atsimo
Fanamafisam-pahalalana ataon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Matsiatra Ambony sy Sofia

  Nitohy ny 21 Jona 2024 tao amin’ny Oniversiten’i Busan, ny fanamafisam-pahalalana atao any Korea, ka androany dia ny tatitra isakin’ny firenena mpandray anjara no natao toy ny Politikam-panjakana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina, ireo vinan’ny fanjakana Malagasy izay nasongadina manokana ny fampiroboroboana ny toekarena amin’ny alalan’ny fampamokarana anatirano, tafiditra indrindra amin’ny ady atao amin’ny fiovaovan’ny toetrandro ary ireo karazana fitatera an-dranomasina misy aty amintsika. Narahana fifanakalozana sy fanontaniana naraham-baliny izany rehetra izany niarahana tamin’i Phd Yeajin Jung Oniversité Geogia, « Marine Science ».  

Maputo, Mozambika
Fivoriana voalohany ho an’ny Filan-kevim-pitantanan’ny Ivon-toerana Fandrindrana ny Fanaraha-maso ny Jono ho an’ny Faritra SADC

  Notanterahana tao Maputo, Mozambika, ny 20 Jona 2024, ny fivoriana voalohany ho an’ny Filan-kevim-pitantanan’ny Ivon-toerana Fandrindrana ny Fanaraha-maso ny Jono ho an’ny Faritra SADC (MCS CC SADC) tao aorianan’ny nampanan-kery ilay sata « Charte MCS CC SADC » nanomboka ny 08 Avrily 2023. Miisa 11 ny mpikambana nahazo ny fankatoavan’ny fivorian’ireo Ministra misahana ny Fambolena, ny fanjarian-tsakafo ary ny Jono ato amin’ny Faritra ny SADC tamin’ny 17 Mey 2024 tany Luanda renivohitry Angola, ka isan’izany ny Tale mpanantanteraky ny Ivon-toerana ny Fanaraha-maso ny Jono eto Madagasikara. Ny andron’ny 21 Jona 2024 kosa no nitsidika ilay toerana hanorenana ny Ivon-toerana ao Ka-Tembe, Maputo ireo Mpikambana ao amin’ny Filan-kevim-pitantanana. Misy ireo mpitan-tsoroka sy mpiara-miombona antoka nampiseho ny fahavononana hifarimbona hanohana sy hiara-dalana amin’ny Ivon-toerana ka anisan’izany ny AU-IBAR, WWF, SIF, Traffic, ILO, FishFORCE.  

New York, USA
Fivoriana iraisam-pirenena faha-24, niompana manokana amin’ny fandinihana ny fampiasana ny Ranomasina sy ny Toekarena Manga

  Solontenan’i Madagasikara nanatrika ny fivoriana iraisam-pirenena faha-24, niompana manokana amin’ny fandinihana ny fampiasana ny Ranomasina sy ny Toekarena Manga mba ho fanoitra manampy amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eran-tany, notanterahana ny 18 Jona hatramin’ny 21 Jona 2024, tao amin’ny Ivon-toeran’ny Firenena Mikambana tao New York, ny Tale Jeneralin’ny Toekarena Manga, eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, Rado RAKOTOSOA. Nanazava ny zava-misy eto Madagasikara, ny politika sy ny paikady ary ny asa miandry hilàna fanohanana amin’ireo mpanohana iraisam-pirenena mba hahafahana mitrandraka maharitra ny ranomasina sy manetsika ny Toekarena Manga ho fanatsarana ny fampanjarian-tsakafo eto Madagasikara ny tenany nandritra ny fandraisam-pitenenana amin’ny maha-isany « Paneliste » azy. Anisan’ny notsindriana manokana tamin’izany ny mikasika ireo mponina any amin’ny Faritra Atsimon’i Madagasikara noho izy ireo mbola ao anatin’ny tsy fahampian-tsakafo sy ny hanoanana tanteraka mba ho afaka hitrandraka ny ranomasina hanatsara ny fivelomany ankapobeany.  

SECREN Antsiranana, Faritra DIANA
Fanolorana fitaovana avy amin’ny Orinasa mpanjono lehibe ALBACORA

  Nitohy tamin’ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana avy amin’ny Orinasa mpanjono lehibe ALBACORA, orinasa mpamatsy trondro lamatra (thon) ny orinasa PFOI, mba ho fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Firenena roa tonta, Governementa Espagnol sy Madagasikara, ny dian’Atoa MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, Minisitriny ny Jono sy ny Toekarena Manga, tao Antsiranana. Fitaovana nahitana : Radar (01), SIMRAD (01), VHF Sailor (01), Furuno (02), YAESU (01), AOR (01), Fishing gear for tuna (200) ary Fish hook (250) no natolotr’Atoa Imanol LOINAZ EGUIGUREN, Tale Jeneralin’ny Orinasa ALBACORA. Tombanana ho 350 Tapitrisa Ariary ny tombam-bidin’ireto fitaovana azo ireto ka ny mpanjono no mpahazo tombotsoa mivantana amin’izany. Marihana fa mitentina 7 Tapitrisa Euros ny tetikasa hoentin’ireo « Armateur espagnol » aty Madagasikara amin’ny alalan’ny sehatry ny Jono. Nisy ny fanentanana nataon’Atoa Ministra nandritra ny fotoana ny amin’ny maharatsy ny fanaovana jono miafina (pêche clandestin) sy ny fampiasana fitaovana tsy manara-dalàna izay manimba ny tontolo iainana. Nangataka fanomezan-tanana ihany koa izy ary nanentana ny rehetra mba ho sarotiny amin’ny fiarovana ny harena an-dranomasina. Farany, nanaraotra niresaka ny fametrahana ny ZEP Antanimiavotra, Kaominina Ambanivohitra Mantaly, Distrikan’Ambilobe, ihany koa ny tenany, izay tombanana hamokatra zanatrondro 5 Tapitrisa isan-taona. Notanterahana tao amin’ny SECREN, Antsiranana, ny lanonana anio 21 Jona 2024, natrehan’ny solotenan’ny Fanjakana foibe tamin’ny alalan’Atoa Minisitriny ny Jono sy ny Toekarena Manga, Rtoa VPAN, ny solotenan’ny mpikambana eo anivon’ny Parlementa, ny solotenan’ny Faritra Diana, ny Prefektioran’Antsiranana, ny solotenan’ny Ben’ny Tanànan’Antsiranana, ny Tale Jeneralin’ny Orinasa Albacora izay sady nisolotena ny Governementa Espagnol, ny APMF, ny Oximad, ny IST, ny SECREN, ireo manamboninahitra maro isan-karazany ary ireo mpanjono.  

Antsiranana, Faritra Diana
Fandraisana amin’ny fomba ofisialy ny Sambo ATSANTSA V

  Noraisina sy notokan’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, tamin’ny fomba ofisialy ny Sambo iray haingam-pandeha ANTSANTSA V, natokana hanara-maso ny fandikan-dalàna eo amin’ny Jono sy hiarovana ny sisin-dranomasin’i Madagasikara anio 21 Jona 2024 tao Antsiranana, Faritra Diana. Marihana fa tafiditra amin’ny ezaka tsaratondra (Bonne gouvernance) izao hetsika izao izay fanomezana avy amin’ny Governemanta Japoney. Manana halavana 13m latsaka kely, ahitana milina YAMAHA M12, « Moteur hors bord 900 CV », manana hafainganam-pandeha 100 Km/h ary mandany solika eo amin’ny 250 à 300 l/h eo ho eo. Ao anatin’ny programa « Appui sectoriel » sy ny loharanom-bola manokan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga no hamatsy solika ity sambo haingam-pandeha ity izay efa misy toe-bola 1 miliara Ariary natokana hoan’izany efa vonona. Marihana fa miisa 03 amin’izao ny sambo miasa ao amin’ny Faritra Diana satria dia efa misy sambo miisa 02 miasa any amin’ireo Nosy manodidina ankoatra ity iray eto Antsiranana ity. Natao hampiasan’ny Fanjakana Malagasy ity sambo ity fa tsy hoan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga irery ihany, porofon’izany ny « Marine Nationale » no mitondra azy.  

Sujeong-gu, Seongnam-si, KOREA
« Capacity Building of Policy and Technology to Respond to changes in the Marine Environment »

  Tao amin’ny foiben’ny KOREA INTERNATIONAL COOPERATION AGENCY na KOICA no nanatanterahana ny fivoriana ho fampahafantarana ireo mpandray anjara nasaina amin’ilay programam-pampianarana sy fifanakalozana traikefa momba ny « Capacity Building of Policy and Technology to Respond to changes in the Marine Environment » izay haharitra 02 herinandro. Firenena 07 no voasolotena amin’izany dia i Côte d’Ivoire, Nigeria, Algerie, Bangladesh, Grenada, Maorisy ary anisan’izany i Madagascar ka ny DRPEB Matsiatra Ambony sy Sofia no misolo tena ny MPEB. Ny tanjona amin’izany dia hanatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpandray anjara rehetra mba hiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina ka ahafahana miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro. Hisy ny fizarana traikefan’ny Koreanina amin’ireo politikam-panjakany hiatrehana ny fiovaovan’ny toe-trandro. Manomboka ny 21 Jona 2024 ny fampianarana sy ny fizarana traikefa ka ao anatiny ny fitsidihana ireo toerana maro voakasik’izany. Ny KOICA no mpiara-miasa sy mpamatsy vola.  

MPEB Ampandrianomby, Antananarivo
Fitsidihan’ny Filohan’ny vovonan’ny firaisamonim-pirenena miantsehatra amin’ny Jono sy ny Fampamokarana ny atirano aty Afrika no sady Filohan’ny CAOPA

  Araka ny efa voalaza sy fantantsika fa i Madagasikara dia anisan’ny Firenena mitana ny loha-laharana amin’ny fifampitondrana tsara tantana raha aty Afrika no resahana, raha tsy hiresaka ankoatra ny fangaraharana, ny ezaka maro atao amin’ny ady amin’ny jono tsy manara-dalàna, tsy voafanambara, tsy voafehin-dalàna, eo ihany koa ny ezaka atao amin’ny fampandrosoana ny Toekarena Manga… Raha miresaka an’i Madagasikara nefa isika dia tsy adino ny Firenena Afrikana rehetra satria raha ny fandrosoan’i Madagasikara irery dia mety harefo raha tsy eo Afrika, noho izany indrindra, raha miresaka jono eto isika dia miresaka ny jono manerana ny Afrika rehetra. Manoloana izany dia manana anjara toerana i Madagasikara afaka hitokisana hitondra, ho mpitarika eo anivon’ny Afrika hafahana mitondra teny tokana mba hafahana mampivondrona ireo Firenena maro eto Afrika, mba hisian’ny firaisankina, hampandroso sy hampiroborobo ny sehatry ny jono indrindra fa ny jono madinika sy salantsalany aty Afrika izay mamelona olona maro amin’izao fotoana izao. Marihana moa fa aty Afrika no tena ahitana trondro betsaka amin’izao ka izany indrindra no mahatonga ireo Firenena maro mihazakazaka manao fifanaraham-piaraha-miasa aty Afrika mba hafahan’izy ireo mahazo trondro tsara. Noho izany indrindra dia mbola hisy ny fanatsarana ireo « Accord de pêche » amin’ny fotoana fanavaozana izany mba hitondra sy hampiakatra hatrany ny Toekarenantsika eto Madagasikara. Tonga nitsidika an’Atoa Minisitriny ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, tao amin’ny biraony, tao Ampandrianomby, Antananarivo, moa Atoa Gaoussou GUEYE, Filohan’ny vovonan’ny firaisamonim-pirenena miantsehatra amin’ny Jono sy ny Fampamokarana ny atirano aty Afrika (Président de la plateforme des acteurs non étatiques en Afrique pour la pêche et l’aquaculture) no sady Filohan’ny CAOPA (Confédération Africaine des Organisations de Pêche Artisanale) ahitana Firenena mpikambana 29 aty Afrika, androany 20 Jona 2024, niresaka sy nifanakalo hevitra mahakasika izany.  

Panorama Andrainarivo, Antananarivo, Faritra Analamanga
Atrikasa fanofanana hoan’ny fikambanan’ny firaisamonim-pirenena (OSC) sy ny vondrom-piaraha-monina mpanjono madinika

  Atrikasa fanofanana hoan’ny fikambanan’ny firaisamonim-pirenena (OSC) sy ny vondrom-piaraha-monina mpanjono madinika mahakasika ny fifanaraham-panjonoana miaraka amin’ny vondrona Eropeanina sy ny Firenena hafa ary ny fiantraikan’izany eo amin’ny jono eto Madagasikara. Notanterahana ny 19 Jona 2024 tao amin’ny Panorama Andrainarivo ny Atrikasa niarahana tamin’ny OCS sy ireo fikambanan’ny mpanjono madinika niaraka tamin’ireo mpiara-miombona antoka isan-tsokajiny nandinihana ny mahakasika ny fifanaraham-panjonoana izay natrehin’ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert. Tanjona ny hanofanana sy hanomezana ireo OCS, fiarahamonim-pirenena sy fikambanan’ny mpanjono madinika, ny : -Fampahafantarana misimisy kokoa mahakasika ny fitsipiky ny fifanarahana mahakasika ny jono sy ny fiaraha-miasa maharitra (APPD) sy ny fizotran’ny fifampiraharahana. -Fanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo ahafahana mandalina sy mamakafaka ary mahafantatra kokoa ny anjara andraikiny eo amin’ny fifampiraharahana amin’ny fifanarahana amin’ny resaka Jono. -Fampahafantarana ireo dingana sy fomba fiasa amin’ny fampivelarana sy ny « mise en oeuvre de l’appui sectoriel » -Fahafantarana ireo rafitra ara-dalàna sy ny fitsipika mifehy ny fanomezana fahazoan-dàlana manjono eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta, fifanarahana tsy miankina, sns…