Ibis Ankorondrano, Antananarivo, Faritra Analamanga
Hamafisina ny fiarovana ny sisin-dranomasin’i Madagasikara

  Betsaka ny olana hatrehana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro, ao koa ny fahaverezan’ny zava-manan’aina ary indrindra ny fahalotoana raha eto Madagasikara, betsaka arak’izany ireo firenena mifanome tanana mba ahafahana manatsara hatrany ny fiainan’ny vahoaka aty atsimon’ny Afrika. Ny Tetikasa MarCOSIO miaraka amin’ny vondrona maromaro dia hiaraka hifanome tanana amin’ny fiarovana ny sisin-dranomasin’i Madagasikara ka ny IHSM no hisolotena an’i Madagasikara ao anatin’ity fivondronana ity. Betsaka ny zavatra eritreretina ho ataon’izy ireo eto Madagasikara, anisan’izany ny fijerena ireo Sambo rehetra izay mandalo eto amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara, eo koa ny fanampiana ireo mpanjono sy sambo izay tratran’ny loza an-dranomasina, ny fijerena ireo Faritra izay mbola ahitana vokatra maro ary ny fampivoarana ny fihariana anaty rano. Izany rehetra izany dia hiaraha-miasa miaraka amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny Ministeran’ny fitanterana sy ny famantarana ny toetrandro, ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, ny APMF, sns… izay mifanome tanana amin’ny fanatanterahana izao Tetikasa izao. Nanatrika ny fihaonana voalohany niarahana tamin’ny Tetikasa MarCOSIO, A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Paubert, ny Minisitry ny fitanterana, RAMONJAVELO Valérie, sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny.  

MPEB Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga
Fihaonana tamin’ireo ekipa avy ao amin’ny MarCOSIO

  Noraisin’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert tao amin’ny birao fiasany teny Ampandrianomby, Antananarivo, anio 18 Jona 2024, ireo ekipa avy ao amin’ny MarCOSIO., tetikasa iarahana amin’ny IHSSM, vatsian’ny Vondrona Afrikanina vola. Mandalo eto amintsika izy ireo amin’izao, hanampy antsika hijery ny asa momban’ny ranomasina amin’ny ankapobeny, hanampy antsika ihany koa amin’ny fijerena ireo sambo mandalo eto amintsika ary hijery ny lafiny ara-tsiansa rehetra hafahana manatsara hatrany ny fitantanana ny ranomasina. Raha fehezina izany dia miara-miasa akaiky amin’ireo siantifika maro ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga mba hafahana mahazo ireo antontam-baovao ara-potoana hampaharetana ireo harenan-dranomasina.  

MPEB Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga
Fihaonana tamin-dRtoa Lena Weslund avy eo anivon’ny FAO

  Iray amin’ireo mpiara-miombona antoka manampy betsaka ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga amin’ny fampiroboroboana ny Jono madinika sy ny Toekarena Manga eto Madagasikara ny FAO. Maro ireo ezaka efa nentiny nanampiana ny Ministera, tsy eo amin’ny Jono madinika ihany fa eo ihany koa ny ady amin’ny Jono tsy manara-dalàna, tsy voafanam-bara ary tsy voafehin-dalàna, ny fanomezana fiofanana an’ireo tanora sy vehivavy maro ho fanatsarana ny fiainan’izy ireny. Nanampy ny Ministera ihany koa ny FAO tamin’ny fanamboarana ireo antontan-taratasy mirakitra ireo paikady hafahana manatsara hatrany ny Jono madinika sy ny fihariana anatirano izay hivoaka tsy ho ela ihany koa ny boky « Guide de l’investissement » ho an’ny fiompiana anatirano. Manarak’izany dia hanao ny fanaingana ny paikady mahakasika ny Jono madinika isika eto Madagasikara, atao ny 24 Jona 2024 hoavy izao, tombony lehibe hoantsika izany satria dia Firenena 03 eo ho eo ny manana izany aty Afrika, izay mahatonga antsika mirehareha ho anisan’ny lohalaharana aty Afrika nohon’ny fanampiana ataon’ireo mpiara-miombona atoka, sangany amin’izany ny FAO. Ho fanamafisana hatrany izay fiaraha-miasa eo amin’ny Ministera sy ny FAO izay dia noraisin’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert tao amin’ny birao fiasany teny Ampandrianomby, Antananarivo, androany Rtoa Lena Weslund avy amin’ny FAO.  

MPEB Ampandrianomby, Antananarivo
Fitsidihan’Atoa David Ashley, Masoivohon’i Royaume-Uni, niaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny DEFRA Londres

  Mitohy hatrany ny fiaraha-miasantsika miaraka amin’ny Firenena Royaume-Uni, tonga nitsidika an’Atoa Minisitriny ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, tao amin’ny toeram-piasany tao Ampandrianomby, Antananarivo, androany 17 Jona 2024, ny Masoivohon’i Royaume-Uni, Atoa David Ashley, niaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny DEFRA (Department for Environment, Food & Rural Affairs) avy any Londres ahitana siantifika maromaro. Tonga eto Madagasikara izy ireo nanontany sy namantatra ireo fanamby hatrehantsika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao mahakasika ny Toekarena Manga, indrindra fa ny fanjonoana. Noho izany indrindra dia zavatra efatra no nifampiresahana : 🔸Afaka manampy antsika izy ireo amin’ny fanangonam-baovao eo amin’ny lafiny fanombanana ny tahiry ananantsika (évaluation des stocks) ka mila manana antontanisa (donné) isika mahakasika izany. 🔸Afaka manampy antsika ihany koa izy ireo amin’ny hafahantsika manatsara hatrany ireo rohy voahary (écosystèmes) toy ny ala honko, ny ahitra anaty ranomasina ary ny vatohara (récif corallien) satria ireo no toerana ipetrahan’ny harena anaty ranomasin. 🔸Voaresaka ihany koa ny fanatsarana ny fiainan’ireo Mpanjono amin’ny alalan’ny ny fanatsarana ny fitaovan’izy ireo sy ny fahalalana ananan’izy ireo amin’izao vanim-potoana fiovan’ny toetrandro izao. 🔸Ny farany dia ny fanampiana ireo ONG rehetra miasa eto Madagasikara mahakasika ny jono sy ny tontolo an-dranomasina, anisan’izany ny Blue Ventures, Reef Doctor, sy ny sisa maro hafa mba hafahany manatsara hatrany ny fomba fanakaikezana (approche) ampiasany mba hafahana mahazo valiny (résultats) tsaratsara kokoa raha ampitahana amin’ny teo aloha.  

Ampandrianomby – Antananarivo, Faritra Analamanga
Fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Ministera sy ny CNRO Nosy Be

Ho fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny « Centre National de Recherches Océanographiques » Nosy Be na ny CNRO amin’ny fampiroboroboana ny Toekarena Manga dia nisy ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta androany 12 Jona 2024 tao Ampandrianomby.     Zava-dehibe tokoa izao fifanaraham-piaraha-miasa izao satria ahafahana manamora ny fampandrosoana ny sehatry Toekarena Manga eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fampiasana ireo vokam-pikarohana ataon’ity ivontoerana ity indrindra eo amin’ny tontolon’ny ranomasina.     Nisolo-tena an’ny Ministera tamin’izao fifanaovan-tsonia izao moa Atoa RAZAFIMANDIMBY J. Joseph Chrysostophe Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Fampamokarana ny atirano ary ny avy amin’ny CNRO kosa Dr Aly Bachiry. Marihina moa fifanaraham-piara-miasa faha 33 nataon’ny Ministera moa ity vita sonia androany ity.

Libanona, Distrikan’i Tolagnaro I, Faritra Anôsy
Fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny MPEB sy ny IESA Tolagnaro.

Notontosaina ny faha 10 Jona 2024 ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) sy ny avy ao amin’ny Institut d’Enseignement Supérieur (IESA) Anôsy izay nisoloan’ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toeakarena Manga (DRPEB) Anôsy tena dia Atoa ANDRIAMANANTSOA sy Dr ANDRIANARIVELO Norbert izay Talen’ny IESA. Tanjona amin’izao fifanaovan-tsonia izao moa: – Ny hametrahana lasitra fifanaraham-piaraha miasa sy ny fandrindrana ary ny fanatanterahana ny asa iraisana eo amin’ny sehatry ny Jono sy ny fihariana anaty rano, ny karazan-javamananaina ary ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fikarohana ara-siantifika. – Ny hanatsarana ihany koa ny haitondra eo amin’ny fitantanana ny tontolon’ny Jono sy ny fampiroboroboana ny Toekarena Manga, ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Teknisianina isan-tokony ary ny fanamorana sy fanampiana ireo mpianatra manao ny asa fikarohana mifandraika amin’izany.    Haharitra 5 taona eo moa ity fifanaraham-piaraha-miasa ity ary azo havaozina izany. Marihina fa ity no fifanarahana faha 32 nataon’ny MPEB hatramin’ny niverenany ho Minisitera.

Wapiles, Faritany Limon, Costa Rica
Fitsidihana ivotoeram-pikarohana mamokatra tilapia fotsy mahazaka toerana mangatsika

   Mbola eto amin’ity toerana fanaovana fikarohana momba ny fihariana anaty rano ity hatrany, isan’ny nahagaga ny nahita ilay tilapia fotsy, vokatra azo amin’ny fampiarahana tilapia karazany roa samihafa. Mahazaka hatsiaka ity tilapia ity ary mbola afaka mitombo ara-dalana amin’ny maripana manodidina ny 20 degré Celsius. Mahazo hangeza ihany koa ity tilapia ity izay mahatratra 1,5kg ao anatin’ny 08 volana eo ho eo.     Hita eto ihany koa ny fampanatodizana « Macrobrachium » na tsitsika vaventy an-dranomamy. Afaka ahazoana zanany manodidina ny 400 ka hatramin’ny 500 eo ho eo izy ity ary tena azo atao tsara ao Marovoay. Efa manana tetikasa hanao izany isika amin’ny alalan’ny CDA Annexe hapetraka tsy ho ela ao an-toerana. Mamokatra trondro fanaovana haingon-javatra na poissons d’ornement izay efa ataontsika ihany koa. Nitsidika ity toerana ity ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Paubert Mahatante, sy ireo Mpiara-miasa ao amin’ny FAO Costa Rica. Midika izao fa mety tsara ilay paikady napetrakantsika eto an-toerana momba ny fametrahana ireo « Zone d’Emergence Piscicole » na ZEP izay hamokatra zanatrondro sy trondro azo hoanina avy hatrany.

Wapiles, Faritany Limon, Costa Rica
Fitsidihana ny Ivotoeram-pikarohana momba ny fihariana anaty rano

   Mitovy tsy misy valaka amin’ny « Centre de développement de l’aquaculture » na CDA ao Mahajanga ity toerana ity raha ny andraikitra sahaniny no jerena. Atoa Carlos Alvarez no Lehiben’ny Mpikaroka ato izay biologistes avokoa izy ireo. 25 taona lasa izay no nitsanganan’ity ivotoerana ity.    Karohana eto avokoa ny momba ny Tilapia, ny makamba, ny Karpa, ny tsitsika macrobrachium, ny pangasus sy ny maro samihafa. Manao ilay fiompiana tilapia amin’ny alalan’ny aquaponie, ahitana densité 100 isa isaky ny 1 m3 ny eto, amin’ny alalan’ny RAS na ny « recycling area system » (tsy misy rano very fa diovina sy ampiasana indray). Efa manao ity teknika ity isika eto Madagasikara amin’ny alalan’ilay « aquaculture urbaine » iarahana amin’ny Miotisoa Aquarium ao Toamasina. Nitsidika ity toerana ity ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Paubert Mahatante, sy ireo Mpiara-miasa avy ao amin’ny FAO Costa Rica. Samy afa-po ny rehetra ary nahagaga fa mbola 30% ny filana eto ihany no vokatra eto raha ny filana momba ny trondro no jerena. Marihana ihany koa fa efa mahatratra 18,6kg/olona/taona ny tahan’ny fihinanana trondro eto Costa Rica raha toa ka mbola 07kg/olona/taona ny eto Madagasikara.

San Ramon, Costa Rica
Fitsidihana toerana fanodinana ireo harato tsy miasa intsony sy plastika hafa avadika ho fitaovana hafa

   Ireo harato efa tsy ampiasain’ny Mpanjono na tavela anaty ranomasina miampy ireo plastika izay angonin’ireo « gardes côtes » costa rikana dia ahodina hanamboarana fitaovana maro toy ny seza, latabatra, trano, estrade, tafo, dabilio sy ny maro samihafa eto amin’ity toerana ity. Ny orinasa « IPS Recycle » no manao izany ary manodina plastika 90 ka hatramin’ny 300 taonina isan-taona izy ireo.    Efa 25 taona lasa no niditra nanao izao asa izao ry zareo costa rikana ho fiarovana ny tontolo an-dranomasina. Marihana fa i Costa Rica no isan’ny Firenena modely maneran-tany amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Miara-monina tsara ny olombelona miisa 5 tapitrisa eo ho eo sy ny Natiora izay tena arovany fatratra. Ny Mpanjono dia tena sarotiny amin’ny fikajiana ny tontolo an-dranomasina. Nitsidika ity toerana ity ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Mahatante Paubert, sy ny Mpandrindra ny Tetikasa « Global Ghost Gear Initiative » ary ny « Glolitter » ka nisy ny fifanakalozan-kevitra amin’ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny Firenena iasan’ny tetikasa « Glolitter » ny eto amintsika.

Puerto Caldera, Costa Rica
Fitsidihana ny toerana misy ny Gardes Côtes (Guarda Costa) na Mpiandry sisin-dranomasina

   Midadasika ny ranomasina eo ambany fiandrianan’ny Costa Rica nohon’ny fisian’ilay Nosy Cocos, 550km any andrefan’ity Firenena ity no misy azy. Miatrika ny jono tsy manara-dalàna, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalana na « Peche INN » ihany koa izy ireo toy ny Firenena rehetra manana ranomasina maneran-tany. Manampy anio peche INN io ny resaka tambajotra mpanao rongony.    Ny Mpiandry sisin-dranomasina na « gardes côtes » dia miady amin’ireo tranga ireo ary manao ihany koa ny fanadiovana ny ranomasina iadivana amin’ny fahalotoana izay iarahan’izy ireo miasa miaraka amin’ireo Mpanjono. Ny Tetikasa « Glolitter » izay tanterahana miaraka amin’ny « Global Ghost Gear Initiative » dia manao ny fanangonana ireo harato izay tavela anaty ranomasina noho ny antony maro sy ny plastika izay mandoto ny tontolo an-dranomasina ao amin’ny « baie de Nicoya », iveloman’ireo mpanjono maro. Avadika hanamboarana fitaovana maro ireo harato (plastique) efa tsy ampiasana intsony ireo. Marihina fa misy Mpanjono 20.000 eo ho eo ny any.   Nitsidika ity toerana ity ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert, sy ny Minisitra Lefitra misahana ny Tontolo iainana Allemana ary ny Tompon’andraikitra avy amin’ny « Global Ghost Gear Initiative ». Mampiasa sambo haingam-pandeha 900CV roa ny « Gardes Côtes » Costa Rikana eto amin’ity toerana ity.