San Jose, Costa Rica
Lancement ny tatitry ny FAO momba ny jono sy fihariana anaty rano maneran-tany 2024

   Notanterahana any Costa Rica ny lancement ny tatitry ny FAO momba ny jono sy fihariana anaty rano maneran-tany. Nambaran’ny FAO fa olona 62 tapitrisa no mivelona mivantana amin’ity sehatra ity izay mamelona olona manodidina ny 600 tapitrisa.   Nambara ihany koa fa sambany no nihoatra ny vokatry ny jono (91 tapitrisa taonina) ny vokatry ny fihariana anaty rano (94 tapitrisa taonina). Tsy diso paikady isika eto Madagasikara raha nametraka ireo lamina rehetra hampiroboroboana ny fiompiana trondro sy ny fihariana anaty rano hafa ary nametraka kosa ireo drafitra fanajariana sy fitantanana ny jono.   Isan’ny nandray anjara amin’izao hetsika izao i Madagasikara izay nosoloin’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Paubert Mahatante, tena. Marihana fa ireo kalaza avy ao amin’ny FAO sy ny Ambasadaoron’ny Ranomasina, Atoa Peter Thompson sy ny DG MARE/UE, no niaraka naneho hevitra.

San Jose, Costa Rica
Famelabelaran-kevitra momba ny Faritra arovana an-dranomasina mba hisian’ny Toekarena Manga maharitra

    Ny OFB na « French Biodiversity Agency » sy ny IUCN na ny Fikambanana Iraisam-pirenena miaro ny zava-boahary na ny Natiora dia mikarakara hetsika manokana momban’ny fametrahana Faritra arovana an-dranomasina. Ao amin’ny Faritra Mediteraneanina no tena ananan’izy ireo traikefa.     Nasaina manokana ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Paubert Mahatante, nizara ny traikefa misy aty Madagasikara izay Nosy lehibe faha-efatra maneran-tany ary Firenena manana sisin-dranomasina lava indrindra aty Afrika (5.603km). Nambaran’Atoa Minisitra fa manana Faritra arovana an-dranomasina 23 isika ankehitriny ary tanjona ny hahatratrarana 1 tapitrisa ha ny faran’ny Taona 2025. Manana LMMA na « Locally Managed Marine Areas » 280 isika aty Madagasikara izay mandrakotra 17.000km2 manamorona ny sisin-dranomasina. Ho fanatratrarana ny tanjona 30×30 na ny fametrahana 30% Faritra arovana maneran-tany hatramin’ny taona 2030 kosa dia isan’ny Fikambanana iarahana miasa ankehitriny ny « Blue Nature Alliance » sy ny IUCN isika hanatratrarana izany. 2,4 tapitrisa ha no tokony hapetraka mialohan’ny taona 2030. Marihana ihany koa fa hampiantrano ny « LMMA Forum » aty amin’ny Faritra Andrefan’ny Ranomasimbe Indianina (WIO Region) isika mialohan’ny faran’ny taona 2024 ity any Mahajanga izay hiarahana amin’ny Mozambique, Tanzanie, Kenya, sns…

Convention Center, San José, Costa Rica
Famelabelaran-kevitra momba ny Jono maneran-tany

    Anisan’ny olana atrehin’izao tontolo izao ny fihenan’ny vokatry ny Jono maneran-tany. Izany indrindra no nahatonga ny FAO nametraka ilay torolalana manokana momba ny jono madinika fantatra amin’ny anarana hoe « Small scale fisheries Voluntary guidelines » na SSF VG, mba hijerena manokana ireo zon’ny Mpanjono madinika maneran-tany.    Anisan’ny Firenena modely any Afrika i Madagasikara amin’ny fampiharana izany SSF VG izany. Ohatra amin’izany ny fametrahana ilay Faritra manokana ho an’ny jono madinika izay « 02 miles » miala ny moron-dranomasina, ny fametrahana ilay drafitra nasionaly momba ny jono madinika, ny fizarana ireo fitaovana maro samihafa toy ny salotra Vonjy aina, ny fametrahana ireo foto-drafitrasa momba ny jono manerana ny Faritra… Tonga namaly ny fanasana avy amin’ny FAO sy ny Governemanta Costa Rica i Madagasikara amin’ny alalan’i Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert, izay namelabelatra ny zava-misy aty Madagasikara sy namaly ireo fanontaniana maro avy amin’ireo Mpandray anjara.

San Jose, Costa Rica
Fivoriam-be an-tampon’ny Firenena Mikambana momba ny Ranomasina

      Izao tontolo izao dia miatrika krizy telo ankehitriny, ny fiovan’ny toetrandro, ny fahalotoana ary ny fahaverezan’ny zava-manana aina. Ny ranomasina anefa dia manana anjara toerana lehibe amin’ireo krizy telo ireo nohon’ny antony maro.       Nanomana izao fivoriam-be izao i Costa Rica miaraka amin’ny La Frantsa mba hanairana izao tontolo izao mba hiaro ny ranomasina, indrindra ny fametrahana paikady mazava ho an’ny Firenena tsirairay hanatratrarana ilay tanjona hisian’ny Faritra arovana, handrakotra 30% an’izao tontolo izao, hiady amin’ny fahalotoana indridra fa ny akora plastika ary koa ny momba ny zava-manana aina ivelan’ny Faritra an-dranomasina iadidian’ny Firenena iray na ny BBNJ.      Tonga namaly ny fanasana nataon’ny Firenena Mikambana i Madagasikara, nosoloan’Atoa Mahatante Tsimanaoraty Paubert, Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, izay nanambara fa tsy misy ny Toekarena Manga maharitra raha tsy misy ny fiarovana ny ranomasina sy ny zava-boahary ao aminy. Nambarany fa i Madagasikara no Firenena manana sisin-dranomasina farany lava aty Afrika ary amin’ny maha-Nosy azy dia manao ny ezaka rehetra hiarovany ny ranomasina ananany sy ny zava-boahary ao aminy.

MPEB Ampandrianomby, Antananarivo
Fandalovan’ny mpandraharaha avy amin’ny Firenena Tiorka, BAYSUN A.S

     Tonga nihaona tamin’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga foibe Ampandrianomby, Antananarivo, ireo mpandraharaha avy amin’ny Firenena Tiorka, BAYSUN A.S, notarihan’Atoa Osman SERT, Mpanolo-tsaina ara-barotra ao amin’ny Masoivohon’i Torkia Antananarivo, anio 07 Jona 2024.     Fihaonana izay niompana indrindra tamin’ny fangataham-piaraha-miasa eo amin’ny lafiny hazan-dranomasina. Raha tsorina dia maniry ny hampiasa vola hanangana orinasa lehibe fanodinana trondro majinika ho lasa « Farine de poisson » sy menaka trondro eto Madagasikara izy ireo, raha toa ka mbola orinasa iray any Antsiranana ihany no misehatra amin’ny « Farine de poisson » ary mbola tsy misy eto amintsika kosa ny orinasa misehatra amin’ny menaka trondro.     Noho izany indrindra dia azo heverina hitondra vokatsoa hoantsika Malagasy izany satria hisy handray ny vokatr’ireo mpanjono madinika ary vonona izy ireo ny hampiasa teratany Malagasy izay hiteraka asa ao amin’ny toerana eritreretin’izy ireo hametrahana izany ka hisy fiantraikany amin’ny Toekarenantsika eto Madagasikara. Tafiditra ihany koa amin’ny paikady nasionaly hampiroboroboana ny Toekarena Manga.     Marihana fa Firenena fahadimy eto Afrika hametrahan’izy ireo orinasa fanodinana i Madagasikara raha toa ka mamaly ny filan’izy ireo ny zava-misy eto amintsika dia ny samy hahazo tombony. Hatreto aloha dia mbola fandalinana ny fizotran’ny asa sy ny fifanakalozana ara-teknika no dingana hiarahan’ny roa tonta.

Ankorondrano, Antananarivo Faritra Analamanga
Atrikasa fiaraha-miasa ho fanatsarana ny antontanisa sy ny angom-baovavao eo amin’ny Jono madinika eto Madagasikara

Sehatra manandanja ny Jono madinika eto Madagasikara izay miantoka ny fiveloman’ny fianakaviana an’arivony ary manampy betsaka amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampiroboroboana ny ara- toekarena ihany koa izy. Ho fampaharetana izany sehatra izany dia zava-dehibe ny fanatsarana ireo antontanisa sy angom-baovao mahakasika izany .   Misy arak’izany ny atrikasa ho fanatsarana ny antontanisa sy ny angom-baovavao eo amin’ny Jono madinika eto Madagasikara izay tanterahin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga miaraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ny « Institut Halietique et des Sciences Marines (IHSM), sy ny « Duke University » ary ny FAO, izay atao etsy amin’ny Hotel IBIS Ankorondrano ny 10 sy ny 11 Jona 2024.   Tanjona ny hanomezan-danja ny fanangonana sy famakafakana ireo angom-baovaovao manodidina ny jono madinika eto Madagasikara izay mikendry ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ireo mpikaroka eo amin’izany sehatra izany, eo ihany koa ny fifampizarana sy fandinihana ny traikefa azo avy amin’ny fanadihadiana maneran-tany sy ny fanadihadiana Nasionaly. Tonga nanokatra ity Atrikasa ity moa ny Talen’ny Jono sy ny Fampamokarana ny atirano eo anivonn’y Ministera Atoa RAZAFIMANDIMBY Chrisostophe.

Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga
Fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny MPEB sy ny Faculté des Sciences, Oniversiten’Antananarivo

  Notontosaina anio 06 Jona 2024 teny Ampandrianomby Antananarivo, ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny avy amin’ny Faculté des Sciences, Oniversiten’Antananarivo. Nisolo-tena an’ny roa tonta tamin’izany Fifanaovan-tsonia fifanaovan-tsonia izany Atoa TILAHY Desiré Sekretera Jeneralin’ny Ministera sy Profesora Rakotondramanana Hery Tiana Sojaben’ny Faculté des Sciences.   Tanjona ny fifanakalozana traikefa sy fahaiza-manao indrindra ny fizarana ireo antontan-kevitra momban’ny vokam-pikarohana siantifika miompana amin’ny sehatry ny Jono sy ny karazan-javamanan’aina an-dranomasina. Hanatsarana ihany koa ny haitondra eo amin’ny fitantanana ny tontolo ny Jono sy hampiroboroboana ny Toekarena Manga sy hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Teknisianina isan-tokony,eo ihany koa ny fanamorana sy fanampiana ireo Mpianatra manao ny asa fikarohana mifandraika amin’izany.    Haharitra 5 taona ny fifanaraham-piaraha-miasa ary azo havaozina. Marihina fa ity no fifanarana faha 31 nataon’ny MPEB hatramin’ny niverenany indray ho Ministera.

Canal Olympia Andohatapenaka, Antananarivo, Faritra Analamanga
« Salon International des Acteurs Economiques » (SIAE) andiany fahatelo

   Nosokafana androany 05 Jona 2024 ny « Salon International des Acteurs Economiques (SIAE) » andiany fahatelo. Hetsika izay natao hampivondronana ireo mpisehatra ara-toekarena nasionaly sy amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany lanonam-panokafana izany ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga Atoa TILAHY Desiré.   Tanjona amin’ity hetsika ity ny hanamafisana sy ny hitaranan’ny lalam-barotra eo amin’ireo mpandraharaha isan-tsokajiny, fampihaonana azy ireo ihany koa amin’ny tompon’andraikim-panjakana sy ireo mpisehatra ara-toekarena tsy miankina. Arak’izany dia mandray anjara feno amin’ity « Salon International des Acteurs Economiques (SIAE) » andiany fahatelo ity ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga amin’ny maha Ministera mpiahy azy izany hetsika izany.   Hita eny an-toerana arak’izany ny trano evan’ny Ministera ahitana ireo asa sy ezaka ataony ho tantsoroka ho an’ireo rehetra te ho mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny Jono sy Fiompiana anaty rano. Hifarana ny 08 Jona 2024 moa ity hetsika ity, ankoatran’ny fampirantiana amin’ireo trano eva dia hisy ihany koa ny loabary an-dasy izay hiresahana loha-hevitra maro mifandraika amin’ny sehatry ny Toekarena.

Fkt Manonilaza, Fkt Analila; Kaominina Ambanivohitra Masomelaka, Distrikan’I Mahanoro, Faritra Atsinanana
Hetsika eny ifotony ho fampanarahan-dalàna ireo mpanjono madinika

Notontosaina ny faha 30 Mey 2024 teo ny fanolorana karatra maha mpanjono matihanina miisa 39 ka ny 30 dia nozaraina ho an’ireo mpanjono avy ao amin’ny Fikambanana Mahazoriaka / Fkt Manonilaza ary ny 09 kosa dia hoan’ireo mpanjono izay mpikambana ao amin’ny Fikambanana Miray / Fkt Analila izay samy ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Masomeloka, Distrikan’I Mahanoro, Faritra Atsinanana.   Hetsika eny ifotony izay tafiditra indrindra amin’ny ezaka izay hilofosan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ho amin’ny fampanarahan-dalàna ireo mpanjono madinika.   Nandritra izao fidinana izao ihany koa no nanolorana fitaovam- panjonona hoan’ireo mpanjono traha-pahasembanana miisa 2 ka natolotra azy ireo nandritra izany harato manara-dalàna miisa 9 avy, teo ihany koa ny “flotteurs” ary ireo tady.    Izao no tanteraka dia noho ny fiaraha- miasa avy amin’ny ONG Handicap International sy ny avy eo amin’ny DRPEB Atsinanana ary dia velom-pisaorana ny solontenan’ireo mpanjono teo ampandraisam-pitenenana no nanamafy hatrany ny fahavononan’izy ireo amin’ny fanentanana ireo namany hiroso ho amin’ny fampanarahan-dalàna ny asa fiveloman’izy ireo ary hanamafy ihany koa ny fanajàna ireo didy aman-dalàna mifehy ny jono mba ho tombontsoan’ireo taranaka any aoriana.

Maputo, Mozambique
Fifampizarana traikefa momban’ny fanadihadiana ireo « risque » amin’ny Jono tsy ara-dalana, tsy voafehindalana ary tsy voafanambara

  Notanterahina tao Maputo renivohitr’i Mozambique ny 28 hatramin’ny 30 Mey 2024 izao ny fanamafisana sy fifampizarana traikefa momba ny fomba fanadihadiana ireo risika amin’ny Jono tsy manara-dalana, tsy voafehin-dalana ary tsy voa-fanambara (jono INN) ho an’ireo fanjakana mikambana ao anatin’ny PRSP (Plan Régional de Surveillance des Pêches) dia i Comores , Kenya, Maurice, Seychelles, Somalia , Tanzanie i Mozambique mpampiatrano ary i Madagascar. Mamatsy ara-bola an’izany ny Fandaharan’asa ECOFISH izay famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona Eropeana, eo ambany fitantanan’i COI. Ry zareo avy ao amin’ny « Agence européenne de contrôle des pêches » na ny (AECP) no nitarika ny fizarana ary fampitana ny traikefany.   Tanjona ny mba hanatsarana hatrany ny ady atao amin’ny jono INN arak’izany dia nitarika ireo mpandray anjara miisa telo avy eto Madagasikara ny Tale mpanatanteraka ny Ivon-toerana fanaraha-maso ny Jono.