Kaominina Ambanivohitra Mariarano, Distrikan’i Mahajanga II Faritra Boeny
Fakan-kevitra momba ny fananganana Faritra Arovana Vaovao (NAP) an-tanety sy an-dranomasina

Ho fanamafisana ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ao amin’ny faritra izay hiarovana ny harena voajanahary ho an’ny taranaka ho avy dia notanterahina nandritra ny dimy andro ny 18 ka hatramin’ny 22 Jona 2025 teo tao amin’ny Fokontany Marosakoa, Kaominina Mariarano, Distrikan’i Mahajanga II, Faritra Boeny ny fakan-kevitra lehibe mahakasika ireo dingana hananganana ireo Faritra Arovana Vaovao na “NAP” an-tanety sy an-dranomasina. Nandritra ny fakan-kevitra, ny fikambanan’ny mpanjono sy ny VOI (Vondrona Olona Ifotony) dia niara-nandray anjara tamin’ny fifampiresahana lalina mba handrafetana ny tetikasa ka lafin-javatra roa lehibe notapahina dia ny : Fiarahana nanamafy ny fananganana ny NAP Nisy ny fifanarahana feno teo amin’ireo mpandray anjara rehetra momba ny filàna sy ny maha-zava-dehibe ny fametrahana faritra arovana vaovao izay ho fampiroboroboana ny fampiasana maharitra ny loharanon-karena. Famaritana ny “noyau dur” sy ny fetra ivelan’ny NAP izay mikendry indrindra ny famaritana mazava ny faritra afovoany na “noyau dur,” izay ho faritra tena voaaro tanteraka sy ny faritra ivelany izay hamaritra ny fetra ankapoben’ny NAP. Nandraisan’anjara tamin’ity hetsika ity ireo solontenan’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny ao an-toerana, ka anisan’izany ny Lehiben’ny Distrikan’i Mahajanga II ,ny Ben’ny tanana ao amin’ny Kaominina Mariarano , ny Solontena avy amin’ny DREDD (Direction Régionale de l’Environnement et du Développement Durable) ary ny Solontena avy amin’ny DRPEB Boeny. Marihina fa ny fikambanana “ Impact Madagascar “ no nanohana ity hetsika ity. #MPEB #DRPEB_Boeny #DREDD #NAP # Impact_Madagascar

Fokontany Andriamasoandro Distrika Betafo,Faritra Vakinankaratra
Tsenabe ho fampivoarana ny Fikambanan’ny mpiompy trondro

Notanterahina tao Fokontany Andriamasoandro, Distrika Betafo,Faritra Vakinankaratra ny 21 Jona 2025 ny Tsenabe ho fampivoarana ny Fikambanan’ny mpiompy trondro FIFAZAN taorian’ny efa-bolana niorenany. Nandritra izany dia nisy kabary nifandimbiasana niaraka tamin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Nampirantiana nandritra izany ihany koa ireo zava-bita toy ny fiakaran’ny taham-pamokarana zanatrondro sy trondro matavy. Narahina atrikasa niarahana tamin’ireo Fikambanan’ny Mpiompy trondro ny fotoana izay namahana ny olana amin’ny fantsona fizaràn-drano ho an’ sasany. Ny fanitarana ny fotoana fanatodizan’ny trondro (fanandramana miaraka amin’ny tetikasa DINAAMICC/CIRAD/APDRA). Nisy ihany koa ny itsidihana ny dobo fitehirizana ireo renitrondro sy fanentanana ary fizarana ny karatra maha mpiompy trondro (miisa 10). #MPEB #DRPEB #Vakinankaratra

Kaominina Ambanivohitra Boanamary, Andranoboka; Distrika Mahajanga II , Faritra Boeny
Fidinana ifotony nakana ny hetahetan’ireo vehivavy mpanjono mikasika ny fanatsarana ny fidiram-bolan’izy ireo amin’ny alalan’ny fitrandrahana ny vokatra an-dranomasina

Tontosa ny 18 ka hatramin’ny 21 Jona 2025 teo tao amin’ny secteur Morahariva, Ambalatany, Amboanio, ary Antsaregy, ao amin’ny Kaominina Amboanary sy Andranoboka, Distrika Mahajanga II, Faritra Boeny ny fidinana ifotony izay nikendry ny hanangona ny hetahetan’ireo vehivavy mpanjono mikasika ny fanatsarana ny fidiram-bolan’izy ireo amin’ny alalan’ny fitrandrahana ny ny vokatra an-dranomasina. Teboka roa lehibe no nisongadina nandritran’ny fitsidihana isan’izany ny fanohanana ara-pitaovana izay ilaina amin’ny asa mba hampitomboana ny vokatra sy hanamora ny fitrandrahana ny harena an-dranomasina, eo ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manao izay nambaran’izy ireo ihany ny maha zava-dehibe ny fampiofanana mba hanatsarana ny fahaizana ara-teknika, ny fitantanana ny vokatra ary ny fivarotana mba hahazoana tombony betsaka kokoa. Ny fikambanana RENAFEP Madagascar no hanohana ireo vehivavy ireo amin’ny fananganana sy fanamafisana ny fikambanana mpanao asa tanana, ankoatra ny fanomezana fampiofanana isan-karazany mifanaraka amin’ny filan’izy ireo. Tonga nanatrika ity hetsika ity ny ekipa avy amin’ny DRPEB Boeny sy ny RENAFEP Madagascar ary ny FAO izay hitondra ny tan-tsoroka lehibe amin’ny famatsiam-bola sy ny fanohanana ara-teknika mba hahazoana antoka fa tanteraka tsara ireo tetikasa napetraka. Tamin’io fotoana io ihany koa dia nisy ny fitsidihana ara-pomba natao tamin’ireo Ben’ny Tanàna ao amin’ny faritra voakasika mba hanamafisana ny fiaraha-miasa sy hanamora izany. #MPEB #DRPEB_BOENY #FAO #RENAFEP_Madagascar

Ambinanibe, Taolagnaro, Faritra ANOSY
Fanolorana fitaovam-panjonoana iarahana amin’ny Orinasa QMM

Toy ny Orinasa rehetra izay manatanteraka ny « Responsabilité Sociétale de l’Entreprise » (RSE), ny Orinasa QMM, miara-miasa amin’ny Fitondram-panjakana dia nanatanteraka fizarana fitaovam-panjonoana ahitana lakana vita amin’ny fibre de verre miisa 10, « moteurs hors bord » miisa 20, harato ZZ miisa 100, « palangres » miisa 300, « glacières » miisa 300 ary salotra vonjy aina miisa 1.000. Tonga nanome voninahitra izao lanonana izao Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, Rtoa Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Taolagnaro, Rtoa Tale Jeneralin’ny Orinasa QMM notronin’ireo Olom-boafidy sy Olom-boatendry avy ao amin’ny Faritra. #RSE_Peche_QMM #Pirogue_Fibre_verre #Moteurs_hors_bord #Filets_ZZ_glacieres_Palangres #MPEB_Madagasikara

AMBOVOMBE , FARITRA ANDROY
Nanatrika ireo lanonana Telo lehibe izay Notanterahina tao Ambovombe Androy ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga no Sady mpiahy ny Faritra A/toa MAHATANTE Paubert

Tonga Nanatrika ireo lanonana Telo lehibe izay Notanterahina tao Ambovombe Androy Ny 20 Jona 2025 Teo ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga no Sady mpiahy ny Faritra A/toa MAHATANTE Paubert. Anisan’izany ny Lanonana ara-miaramila natrehin’ireo manamboninahitra ambony eo anivon’ny zandarimaria, izay nanatanterahana ny Famindram-pibaikoana teo amin’ny kaomandy ny vondro-tobim-paritry ny zandarimaria eto Androy Taloha sy ny vaovao. Fametrahana samboady ireo ben’ny Tanana miisa 57 ato anatin’ny Distrika 05, Faritra Androy Ary ny Fiarahabana sy fanolorana ireo mpitsabo sinoa vaovao miisa 07 hiasa mandritra ny roa taona eto Ambovombe Androy. #MPEB #FARITRA_ANDROY #COACH_ANDROY

Faritra SAVA
Fivoarina niarahana tamin’ireo mpiompy trondro sy mpanjono.

Ho fanamafisana ny fanentanana amin’ny hitantanana maharitra ireo harena an-dranomamy dia nisy ny fivoariana niarahan’ny DRPEB SAVA tamin’ireo ny solontenan’ireo mpiompy trondro ( cages flottantes), ny mpitarika ireo fikambanan’ny mpanjono an-dranomamy any an-toerana ny 19 Jona 2025. Tapaka nandritra izany fivoarina izany fa maro ireo asa ho tanterahina toy ny: -fanentanana any amin’ireo Radio sy manerana ireo tananan’ny mpanjono amin’ny tsy hampiasana ireo fitaovana tsy manara-dalàna(lay, ramikaoko, fankamamo laoko…), – fitsirihana any amin’ny toerana fanjonoana. – ny fampiofanana ny fiompiana trondro. #MPEB #DRPEB #SAVA

Kaominina Ambanivohitra Ifanirea, Distrika Ikongo, Faritra Fitovinagny
hetsika fampiofanana fiompiana trondro.

Tontosa ny 19 Jona 2025 tao amin’ny Tranom-pokonolona Ifanirea, Distrika Ikongo ny fampiofanana fiompiana trondro tilapia sy karpa. Niompana tamin’ny fiompiana an-dobo sy an-tanimbary ny fampianarana satria ireo no hita fa tena mety any an-toerana. Olona miisa 107 no nisitraka ny fiofanana izay avy amin’ny Kaomina telo dia Ifanirea, Ikalafotsy ary Tanakamba. Marihina fa efa manana dobo ny sasantsasany amin’ireo saingy tsy mbola misy zana-trondro tsara kalitao ary mbola tsy voafehy ny teknika. Ny tapany tolakandro dia nisy fidinana ifotony nijerena ireo dobo vitsivitsy nanaovana fampiharana. Tonga nanatrika ity hetsika ity ny Ben’ny Tanàna ao Ifanirea, ny assistant parlementaire ny Solombavambahoaka Ikongo ary ireo Lehibe ny Fokontany. #MPEB #DRPEB_Fitovinagny #Fampamokarana_ny_Atirano

MPEB Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga
Fanolorana fiara tsy mataho-dalana vaovao miisa 02 avy amin’ny Tetikasa MIONJO

Notoloran’ny Tetikasa MIONJO fiara tsy mataho-dalana vaovao miisa 02 miaraka amin’ireo kojakoja miaraka aminy androany faha 19 Jona 2025 ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga vokatry ny fiaraha-miasa misy eo anivon’ny roa tonta. Raha tsiahivina dia efa tamin’ny andron’ny Tetikasa SwioFish 2 no nisitraka fiara vaovao farany ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga izay nanova tanteraka ny fomba fiasan’ny Ministera manerana an’i Madagasikara indrindra teo amin’ny lafiny fidinana ifotony bebe koa satria dia efa samy manana fiara avokoa ny Fitaleavam-paritra manerana ny Nosy ankehitriny. Ireto fiara ireto dia natao hiasana hanatanterahana ny asa mifandraika amin’ny Tetikasa MIONJO indrindra any amin’ny tapany Atsimo no afaka ampiasana amin’ny Faritra hafa ihany koa, hanamafy izay fidinana ifotony, fomba fiasan’ny Ministera izay satria dia efa fantantsika fa betsaka ireo toerana saro-dalana ankehitriny. Marihana moa fa ny Tetikasa MIONJO dia miasa amin’ny Faritra 03 any amin’ny tapany Atsimon’i Nosy iny dia Atsimo Andrefana, Androy ary Anosy, vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola tsy averina. Efa ela no nisy ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ary efa maro ireo asa sy fanampiana azon’ny Ministera tamin’ity Tetikasa ity ankoatra ireto fiara tsy mataho-dalana vaovao miisa 02 ireto dia efa nisy ny : Fanolorana trano fitehirizana mitazona hatsiaka sy famokarana ranomandry, Fanampiana tamin’ny fanantaterahana ny « Mitao Forecast », 150 takelaka fampahafantarana ny mety ho toetry ny andro, telo andro mialoha, Fanolorana fitaovana maro samihafa sy kodiaran-droa (motos) miisa 06, Fanolorana 157 vata mangatsiaka (glacière) sy harato fanjonoana ary salotra vonjy aina (gillet de sauvetage) miisa 128, Fanolorana « tracteur » iray miampy « remorque isotherme » ho famoahana ny vokatra voajono. Fanolorana 11 « fumoirs » hoan’ny fikambanana Maroalomaity, Fitsidihana arahana fifanakalozana hoan’ireo mpanjono miisa 100 nisitraka tao Androy, 987/1300 « Groupes d’entraide » (GE) sy 413/660 « Groupes de moyens de subsistance » (GMS) ka ny 40% dia tantanin’ny vehivavy ary ny 5% tantanin’ny tanora eo an-toerana miampy fanampiana, 120 fikambanan’ny mpanjono. #MPEB #MIONJO #Fanolorana #Fiara_Tsy_Mataho_dalana #4×4

Ankorombe, Ambositra, Faritra Amoron’i Mania
Fanamboarana dobo manara-penitra.

École de la Gendarmerie Nationale » Ankorombe, Ambositra, Faritra Amoron’i Mania: Fanamboarana dobo manara-penitra. Miroso araka ny tokony ho izy ny fanamboarana ny dobo manara-penitra hiompiana trondro ao amin’ny École de la Gendarmerie Nationale » Ankorombe, Ambositra. Tonga nijery ifotony ny fizotran’ny asa fanamboarana ny teo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Amoron’i Mania sady nanome ireo toromarika teknika. Marihina fa tonga teny ihany koa ny injeniera avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Rano Fidiovana sy Fanadiovana Amoron’i Mania (DREAH AMM) nifanome tanana amin’ny fanatanterahana ny fotrodrafitr’asa sy ny fomba hanamorana ny famatsiana rano ireo dobo ireo. #MPEB #DRPEB #AMM

Farihilava, Fkt Tanandava, Kaominina Ambanivohitra Ambatomarina, Distrikan’i Manandriana, Faritra Amoron’i Mania
Fitsidihana ifotony

Nidina ifotony tao Farihilava, Fkt Tanandava, Kaominina Ambanivohitra Ambatomarina, Distrikan’i Manandriana, Faritra Amoron’i Mania ny ekipan’ny DRPEB Amoron’i Mania, ny faha 13 Jona 2025. Zava-dehibe no noresahana nandritra ny fihaonana dia ny : Fanazavana mahakasika ny tokony hananan’ny mpiompy trondro ny karatra maha mpiompy trondro azy ireo, Karinem-pivarotana trondro, Fizarana sy fanazavana mahakasika ny tetiandrom-pamokarana trondro nohon’ny fiovaovan’ny toetr’andro, Fizarana ireo peta-drindrina mahakasika ireo sazy amin’ny halatra sy fisomparana ny fiompiana trondro izay anisan’ny mampiraviravy tanana ireo tantsaha misehatra amin’izany. Resy lahatra moa ny rehetra taorian’ny firesahana ary vonona hifanome tanana mikasika ny ady amin’ny halatra trondro ary samy handray ny anjara andraikitra tandrify azy avy. Vonona ny hiezaka hampiakatra ny vokatra vokariny ihany koa ireo mpikambana rehefa avy nanao fidinana ifotony ny toeram-piompiana ny filohan’ny fikambanana. Marihana fa miisa 25 ireo tonga niatrika izany, nahitana ny Lefitry ny Ben’ny Tanana niaraka tamin’ireo sefo-pokontany miisa 05 mifanolo-bodirindrina dia Tanandava, Anananotra, Vodihena, Vohidrafito ary Farihilalina. Teo ihany koa ny solontenan’ny Fikambanana TARATRY NY HO AVY, notarihan’ Atoa RAFANOMEZANTSOA Jean Léonard. Fikambanana niorina tamin’ny taona 2019 nahitana mpikambana 6 tany am-piandohana ary ankehitriny dia miisa 50. #MPEB #DRPEBAmoronIMania #FiompianaTrondro #TaratryNyHoAvy