Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

BEALANANA ,FARITRA SOFIA
TONGASOA ETO AMIN’NY DISTRIKAN’NY BEALANANA ,FARITRA SOFIA NY MINISITRY NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA.

Ankoatry maha tanana mamoka-bary an’ny Distrikan’ny Bealalana dia Anisan’ny ahitana mpiompy trondro maro ihany koa eto an-toerana izay hahazo tombony mandritra ity fitsidihana izay tanterahin’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert ity satria hisitraka fampiofanana maimaimpoana arahina fanentanana ny fomba fiompiana trondro ho an’ny vahoakan’ny Bealalana ny tenany . Hisy ihany koa ny fitsidihana ireo toeram-piompiana trondro ao an-toerana Ary ny fifampitafana mivantana amin’ireo izay Efa misehatra ny amin’izany hampiroboroboana ny vokatra ao aminy.
Tsara ny mizara ny fahaizana amam-pahalalana ho an’ireo olona manodidina anao ka izany no Maha zava-dehibe izao fitsidihana izao , ahafahan’ireo izay Liana rehetra mahaleo tena amin’ny sehatry ny asa Fiompiana trondro.
eu-ua.org
kidstravel2.com
oren-sarmats.ru