Carlton Anosy, Faritra Analamanga
Fikaonandoha ho fanetsehana ireo famatsiambola sy ireo fiaraha-miombon’antoka maharitra ho an’ny jono sy ny fihariana anaty rano eto Madagasikara
Araka ny efa fantantsika dia Firenena efa manana ny fitaovana rehetra afaka hampiasana hafahana mampiroborobo ny Toekarena Manga i Madagasikara. Maro amin’ireo Firenena eo anivon’ny SADC no maka tahaka antsika noho izany. Manoloana izany indrindra dia mila mitady loharanom-bola ny Ministera entina hanatanterahana an’izany, mamadika ny loharanon-karena ho holoharanom-bola. Eo ihany koa ny fanamby hafahana manome sakafo ara-pahasalamana ny Malagasy na ny fanjarian-tsakafo sy ny famoronana asa hoan’ny Tanora amam-behivavy, indrindra fa ny fampihenana ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara manoloana ny fampiroboroboana ny Toekarena Manga.
Noho izany rehetra izany indrindra dia miaraka mifanome tanana amintsika ankehitriny ireo mpiara-miombona antoka hatramin’izay toy ny Vondrona Eoropeanina (UE), COI, ny fandaharan’asa Tetikasa ECOFISH, FAO, OIT, MIONJO sy ireo mpiara-miombona antoka rehetra ary ireo fikambanana maro mivondrona ao anatin’ny GAPCM, fikambanan’ny mpiompy trondro, vonona hanatanteraka ireo paikady izay napetrak’i Madagasikara hanatontosana amin’ny antsakany sy handavany ny fampiroboroboana ny Toekarena Manga eto amintsika.
Hodinihana mandritra ny roa andro eto amin’ny Hôtel Carlton Anosy, manomboka androany 27 Mey 2025 mandritra ny Fikaonandoha ho fanetsehana ireo famatsiambola sy ireo fiaraha-miombon’antoka maharitra ho an’ny jono sy ny fihariana anaty rano eto Madagasikara (Forum de mobilisation des financements et partenariats durables pour la pêche et l’aquaculture à Madagascar) ireo fanambarana misy mahakasika ny tombony mety ho azon’ireo mpampiasa vola amin’ny sehatry ny Toekarena Manga, eo ihany koa ny fanatsarana ny lalàna rehetra mety ho sakana hampihena ny fahazotoan’ireo mpampiasa vola eto amintsika. Hisy noho izany ny tondrozotra hametrahana tontolo madio sy mangarahara, hisitomana ireo mpandraharaha sy mpampiasa vola ho tonga eto Madagasikara hampiasa ny volany.