Madagascar National Parks – Nosy Hara Vahilava, Kaominina Ambanivohitra Andranovondronina, Distrika Antsiranana II, Faritra Diana
Fisokafan’ny Jono
Tamin’ny 12 Mey 2025 no nanombohan’ny vanim-potoana fanjonoana horita tao amin’ny Faritra Arovana Nosy Hara, izay tantanan’ny Madagascar National Parks (MNP). Vokatra milanja 36,544 taonina no azo tamin’ny andro voalohany nisokafan’ny jono izay nahitana fahombiazana lehibe ho an’ny mpanjono ao an-toerana. Anisan’ny zava-nisongadina tamin’ity fisokafana ity ny fahitana horita iray milanja 4 kilao, izay nampiseho ny haben’ny horita hita ao amin’ity faritra ity. Ankoatra izany, nahavita nanangona horita hatramin’ny 80 kilao ny mpanjono tamin’io andro io, izay porofon’ny harena sy ny fahombiazan’ny fitantanana maharitra ny Nosy Hara eo ambany fiahian’ny MNP. Ny Faritra Arovana Nosy Hara, hita ao amin’ny Faritra Diana, dia tsy vitan’ny manome fivelomana ho an’ny mponina ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Andranovondronina sy ny Distrika Antsiranana II, fa koa mitana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina sy ny fampiroboroboana ny fizahan-tany ara-tontolo iainana. Ny fisokafan’ity vanim-potoana fanjonoana ity dia manamarika ny fandraisana anjara lehibe amin’ny fampandrosoana ara-toekarena eo an-toerana, sady miantoka ny fitandroana ny fifandanjana eo amin’ny tontolo iainana sy ny asa fiveloman’ny mpanjono. Mbola hitohy ny fanaraha-maso mba hiantohana ny fanjonoana maharitra, mifanaraka amin’ny fitsipika napetraka ho fiarovana ny harena voajanahary ao Nosy Hara. #MPEB #DRPEB_Diana #Jono_horita
Faritra Diana, Distrikan’Ambanja, Kaominina Ambonivohitra Ambanja
Atrikasan’ny Komity Marolafy mahakasika ny Jono Makamba.
Notanterahina androany faha 13 Mey 2025 teto Ambanja ny atrikasa fanaon’ireo komity marolafy izay ahitana ireo solontena avy amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) ny solontenan’ny Faritra Diana ny avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy ny solontenan’ny mpanjono, ary ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena. Ity atrikasa ity dia natao hanombanana ny asa vita nandritry ny taona 2024 ary koa hankatoavana ny vinan’asa ho tanterahina amin’ity taona 2025 ity. Tonga nanokatra ity atrikasa ity teto an-toerana A/toa RAZAFIMANDIMBY Jean Chrisostophe, Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Famokarana Anaty Rano eto anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Arak’izany ity fotoana ity dia hifantoka amin’ny fandinihana sy ny fiadian-kevitra momba ny voarakitra ao anatin’ny bokin’andraikitra ifanaovan’ny ministera sy ny orinasa REFRIGEPECHE OUEST izay orinasa mpanjono manana fahazoan-dalana hitrandraka makamba ao amin’ny fari-panjonoana A (Zone de Pêche A). Anisan’ny zava-dehibe hapetraka ny tamberin’andraikitra omena ireo mpanjono madinika, indrindra ireo mivondrona anaty fikambanana ka isan’izany : Fanatsarana ny tontolo iainana, amin’ny alalan’ny fambolena zanaka honko sy ny famoronana ary fampitaovana ireo faritra arovana an-dranomasina (Aire Marine Protégée – AMP). Fanomezana tohana ara-pitaovana toy ny kojakoja enti-manjono, fanofanana ny mpanjono hampiasa fomba fanjonoana vaovao (formation palangre) ary koa fanohanana ny vadin’ny mpanjono mikasika ny fiompiana trondro sy gana. Ny tanjona dia ny hiantohana fa misy fiantraikany mivantana eo amin’ny mpanjono madinika eny ifotony ny vokatry ny fitrandrahana ataon’ireo mpanjono indostrialy. Ankoatra izay, misy ihany koa ireo hetsika fampiroboroboana ny fari-piainan’ny mpanjono madinika, toy ny fampitomboana ny vola miditra ho azy ireo sy ny fampihenana ny fitrandrahana tafahoatra ny vokatra makamba, mba hiantohana ny faharetan’ny harena an-dranomasina. #MPEB #DRPEB_DIANA #REFRIGEPECHE_OUEST #Komity_Marolafy #Jono_Makamba
Nosy Be, Faritra DIANA
Fanamafisana ny ady amin’ny Jono INN.
Efa tafaverina avokoa ireo « Inspecteurs des pêches » miisa 5 an’ireo Nosy mpikambana ato amin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana rehefa avy namita asa fisafoana ny jono tato anatin’ny fari-dranomasina niaraka tamin’ny sambo mpanara-maso ny Jono. Anisany nentina nanatanteraka izany asa fisafoana izany ny Sambo Telonify an’i CSP Mahajanga izay efa nahavita mialoha raha ny 11 Mey 2025 kosa nahavita izany ny sambo mpanaramaso frantsay OSIRIS II. Seychellois miisa 2, Kaomoriana miisa 2, Maorisiana 1 ary Malagasy 1 ireo avy namita iraka ireo niaraka tami-drizareo tompon-tsambo izay naharitra 20 andro. Miisa 11 ireo sambo nanaovana fisavana tato anaty ny fari-dranomasin’i Madagasikara: « 6 chalutiers », « 2 ligneurs », « 1 senneur », « 1 collecteur » ary « 1 navire fileyeur ». Iray no fandikan-dalana tratra, dia fanjonoana tsy nahazo alalana ho an’ny sambo mpanjono salantsalany malagasy izay nampiasa harato 30 x 100 m. Fehiny dia azo lazaina fa tena nihena ny tahan’ny Jono INN tato amin’ny Fari-dranomasin’i Madagasikara nandritra ny fisafoana izay natao. #MPEB #COI #ECOFISH #CSP #OSIRIS_II #PRSP #64ème_mission_PRSP #Jono #INN
Agnilobe Kaominina Amporoforo, distrika Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana
fanarahamaso sy fanolokoloana ireo fambolen-kazo
Notontosaina ny 09 Mai 2025 ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fikolokoloana sy fanarahamaso ireo zanakazo novolena ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana. « Ny ala velona no antoka ho an’ny hoavitsika rehetra », « Hamela lova tsara ho an’ny taranaka aho »; ireo no loha-hevitra sy teny filamatra nanentanana nandritra izany. Isan’ireo sokajin’olona maro samy hafa nandray anjara tamin’izany ny DRPEB Atsimo Atsinanana izay notaritin’Atoa Préfet ny Farafangana sy ny fitaleavam-paritra miadidy ny tontolo iainana Atsimo Atsinanana. #MPEB #DRPEB #Atsimo_Atsinanana
Nosy Fiji
Fifampizarana traikefa sy paikady ho an’ny fiarovana ny fari-dranomasina
Firenena Afrikanina miisa dimy no nitsidika an’i Nosy Fiji ny 4 hatramin’ny 8 mey lasa teo. Anisan’izany i Madagasikara. Anisan’ny tanjon’izy ireo ny hahafantatra ny fomba fiarovan’ny mponina any Fiji ny ranomasina sy ny harena anaty rano. Anisan’ny tetikasa « Fari-dranomasina Lehibe » na « Grand Paysage Marin » io fitsidihana io, izay mikendry ny fitantanana maharitra ny fari-dranomasina. Izy io dia hanampy ny mponina hiaina sy hivelona amin’ny harena an-dranomasina nefa manaja sy miaro azy ihany koa. Tanjona iray koa ny hahatratrarana ny vinan’ny Rindrina Manga Lehibe : ny fiarovana 30%-n’ny ranomasina amin’ny taona 2030. Nitsidika tanàna, nifampizara traikefa sy nanomana Volavolan-Tari-dalana ho an’ny firenena tsirairay izy ireo. Ny Tale Jeneralin’ny Toekarena Manga, Rado Rakotosoa, no nitarika ny delegasiona malagasy. Marihina fa notohanan’ny Conservation International, ny UICN ary ny Mission Inclusion Canada ity fitsidihana ity. # MPEB #Fifanakalozana_Paikady_Fiarovana_Faridranomasina_Toekarena_Manga_CI_UICN_Mission_Inclusion_Canada #Fiji
Antsiranana, Faritra Diana
FAMPIOFANANA FIOMPIANA TRONDRO HOAN’NY FIVAPOVA
Tontosa ny faha 09 mai 2025 teo antampon-tanànan’ny Antsiranana I, tao amin’ny efitrano malalaky ny Fitaleavamparitry ny Filaminambahoaka DIANA ny fampihofanana an’ireo mivondrona anatin’ny « Fikambanan’ny vadin’ny polisy sy polisy vehivavy »na FIVAPOVA izay tarihin-dRtoa Hoby RANDEFIMAMPIANINA , mikasika ny fiompiana trondro, izay manomboka amin’ny fanamboarana dobo sy momba ny fiompiana trondro anaty dobo na ivelan’ny tany, ary koa ny fanamboarana sakafon- trondro. Miisa 36 ireo izay nisitraka izao fiofanana izao ary nanome voninahitra izao fihofanana izao Commissaire Principal de Police RABEARIVONY Joël Izay Talemparitry ny Filaminambahoaka ao amin’ny Faritra DIANA sy Ramatoa vadiny, izay filohamboninahitry ny FIVAPOVA DIANA, tao koa ireo lehiben’ny sampan-draharaha ato anaty ny polisim- pirenena. Santatra ambavarano ihany izy ity, fa Mbola misy koa ny andiany faharoa, dia ny fidinana ifotony hanaovana fampiharana amin’ireo toerana efa misy fiompiana trondro, mba hipàka tsara ny fiofanana izay vao norantovana androany. Izao no natao, mba ho fanatrarana ny vina napetraky ny fitondram-panjakàna, dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo, amin’ny alalan’ny fiompiana trondro andranomamy. #MPEB #DRPEB_Diana #DRSP_Diana #Fampamokarana_ny_Atirano
Tsianolondroa, Distrikan’i Fianarantsoa I, Faritra Matsiatra Ambony
« Fanonkafana amin’ny fomba ofisialy ny iraivolan’ny fiahiana ara- tsosialy »
Tontosa ny faha 09 May 2025 ny varotra fampiratiana ireo vokatra rehetra azo tamin’ny alalan’ny fiahiana ara- tsosialy. Nandray anjara tamin’ny trano eva ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Matsiatra Ambony, izay nampahafantatra ireo tolotra rehetra omena eo anivon’ny DRPEB ho an’ireo mpiara- belona fa indrindra ireo mpiompy trondro. Teo ihany koa ny fivarotana trondro velona avy amin’ireo tantsaha izay nomen’ny #DRBEB_Matsiatra_Ambony fihofanana sy tantsoroka. 35 Kg no trondro namidy io andro io ary lafo tamin’ny vidiny 18 000 Ar/kg izy rehetra. #MPEB
Efitrano fivoriana, DRPEB Est Tribunal Antsirabe, Faritra Vakinankaratra
« Fangaraharana sy ady amin’ny kolikoly »
Taoriana ny fametrahana ny rafitra rejionaly iadiana amin’ny Kolikoly, #STAC teo anivon’ny #DRPEB_Vakinankaratra dia mitohy hatrany ny ezaka mba hisian’ny fangaraharana sy iadiana amin’ny kolikoly manoloana ny andraikitry ny tsirairay. Ho fanamafisana ny fahaiza-manao ny ekipa sy ho fanaraha-maso ny fanatanterahana ny drafi-trasa, PTA, mifanandrify amin’izany ary ho fametrahana ireo « dispositifs Anti -corruption » sy ny « Valeur régionale » dia mandray sy miara-miasa amin’ny ekipa STAC izay iraka avy any amin’ny Ministera Foibe izahay eto anivon’ny DRPEB Vakinankaratra, ny 08 sy 09 May 2025. #MPEB
Ihosy, Faritra Ihorombe:
Resy lahatra amin’ny Fiompiana trondro ireo Tantsaha.
Miha-mitombo hatrany ny olona resy lahatra amin’ny fiompiana trondro ao amin’ny Faritra IHOROMBE, isan’izany ny Fikambanana SOATATA(SOa gne TAnora Tea Asa) ao Ankatsaky, FKT Bemahabo, CR Sahambano, Distrikan’Ihosy.Taorian’ny fiofanana nomen’ny DRPEB Ihorombe sy ny ekipan’ny DA ny volana Avrily lasa teo dia tapa-kevitra ireo mpikambana fa fa hiditra amin’ny sehatra fiompiana trondro an-dobo sy an-tanimbary. Ho fanamafisana ireo toromarika ara-teknika nandritra ny fiofanana mba hahafahan’izy ireo miroso avy hatrany amin’izany seha-pihariana izan dia nidina ifotony tany an-toerana ny DRPEB sy ny CSRPA Ihorombe ny 08 Mai 2025. Marihina fa misy rano mandavan-taona vokatry ny fisian’ny « chute d’eau » avy any amin’ny alan’i Analamanara ity toerana, izay manondraka tanimbary sahabo ho 20Ha ary ireo Fikambanana SOATATA no mitrandraka izany. #MPEB #DRPEB #Ihorombe #Fiompiana_trondro
Mahajanga, Faritra Boeny
Tontosa soa amantsara ny fitsirihina momba ny asa fanjonoana niarahana tamin’ny « Telonify »
Tafaverina soa aman-tsara tao an-tseranan-tsambon’ny Mahajanga ny faha 08 mey 2025 teo ny sambo « Telonify », sambo malagasy mpanao fisafoana ny jono eo anivon’ny CSP na ny « Centre de Surveillance des Pêches » izay rantsa-mangaika eto anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) izay miandraikitra ny asa fanaraha-maso sy fitsirihina ny jono eto anivon’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Naharitra 14 andro izany fitsirihina izany ary notanterahina tany amin’ny fari-dranomasin’ny firenena niisa telo (3) dia i Kaomoro, Tanzania ary i Madagasikara. Nandray anjara mavitrika tamin’ izany ireo « inspecteurs des pêches » avy amin’ireo firenena telo ary izao iraka izao dia tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny fandaharan’asa ny Vaomiera ny ranomasimbe Indianina na COI antsoina hoe « ECOFISH » izay manohana ny « Plan Régional de Surveillance des Pêches » na ny Drafitra Rejionaly misahana ny fanaraha-maso ny Jono izay vatsian’ny Vondrona Eropeanina. Ny Famatsiam-bola ho an’i Kaomoro no nampiasaina nanetsehana ny sambo Telonify nandritra izao iraka fitsirihina izao araky ny fandaminana izay efa voapetraka eo anivon’ny PRSP. Amin’ny ankapobeny dia tsy nahitana sambo mpanjono an-tsokosoko intsony ny fari-dranomasina izay nanaovana ny asa fitsirihina nandritra izao iraka izao raha toa ka sambo niisa efatra (4) no tratra nanao asa fanjonoana tsy ara-dalàna sy antsokosoko no tratra ary nandraisana fanapahan-kevitra nandritra ny fitsirihina izay notontosaina ny taona 2024. #MPEB# COI #ECOFISH #CSP #Telonify #PRSP #63ème_mission_PRSP #Ady_amin_ny_Jono_Tsy_ara_dalàna_tsy voafanambara_tsy voafehin_dalàna #Pêche_INN