Espace Royale Bateravola Fianarantsoa, Distrikan’i Fianarantsoa I, Faritra Matsiatra Ambony
Fampahafantarana ofisialy ny #Tetikasa_ASAM_4F ao anatin’ny telo taona manaraka hanohy ny asa natao tao anatin’ny PADM aty Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania ary Atsimo Atsinanana izay vatsian’ny GIZ vola

Ny faha 30 Aprily 2025 no notanterahana ny fampahafantarana ofisialy ny #Tetikasa_ASAM_4F ao anatin’ny telo taona manaraka hanohy ny asa natao tao anatin’ny PADM aty Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania ary Atsimo Atsinanana izay vatsian’ny GIZ vola. Ambompihaonan’ny hery velona rehetra eo amin’ny fiompiana trondro izay nahitana ny solotenan’ny Gouvernora, solotenan’ireo Ben’ny tanàna , OMC, ONG, mpivarotra, ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina ,solotenan’ny mpiompy trondro avy amin’ny Distrika 6, ny fiarahamonim-pirenena ary ireo olom-boafidy sy olom-boatendry. Tao anatin’ny asam- baomiera no nandrafetana ireo angon-kevitra ho famahana ny olana eny ifotony ho fanohitra ho amin’ny fampiroboroboana ny famokarana ny atirano toy ny fitantanana ny rano, ny halatra sy ny sotasota ary ny fitadiavana lalam- barotra. Azo heverina ny fitombon’ny vokatra amin’ny alalan’ireo tantsoroka maro isankarazany avy amin’ny tetikasa iarahana misalahy amin’ny #DRPEB_Matsiatra_Ambony. #MPEB

Ampandrianomby Antananarivo Faritra Analamanga
Tatitra ny mahakasika fitrandrahana sy ny fanondranana Drakaka « Congelé » (Scylla Serrata) 2025.

Ho fanatsarana ny fitrandrahana sy fanondranana Drakaka « congelé » dia nisy ny fihaonana sy fifanakalozan-kevitra nataon’ny ekipan’ny MPEB izay notarihin’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert tamin’ireo mpisehatra rehetra ny 30 Avrily 2025 teny Ampandrianomby. ‎Tanjona arak’izany ny hangalana ny hevitr’ireo mpisehatra rehetra sy hitondrana tolo-kevitra ary fifampizarana ihany koa ho fampiroboroboana ity seha-pihariana ity. ‎ ‎Anisan’ireo Tolo-kevitra nivoitra nandritra ity fihaonana ity ny fanentanana ireo mpisehatra mba hijery ny fanatsarana azo atao mikasika ny vidin’ny vokatra eo amin’ny mpanagom-bokatra sy ny mpanjono, hampirisihina hatrany koa ny tahan’ny fihinanana Drakaka eto an-toerana, ary ny firosoana amin’ny fiompiana Drakaka na « crabiculture ». ‎ ‎Tsiahivina moa fa Vina lehibe ho an’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ny hitantanana maharitra ity harenan-dranomasina amin’ny alalan’ny fametrahana ireo paikady maro toy ny fanarenana ny ala honko na »restauration de mangrove » ny « engraissement de crabe ». ‎#MPEB #Sociétés #Drakaka

Toliara
Atrikasa momba ny fandalinana ny mety hisian’ny fiantohana amin’ny fiovan’ny toetrandro

Tamin’ny 24 Aprily 2025 no tontosa ny atrikasa momba ny fandalinana ny mety hisian’ny fiantohana amin’ny fiovan’ny toetrandro na « l’étude de faisabilité d’une assurance climatique » natao tao amin’ny biraon’ny #WWF Toliara, izay notarihin’ny mpanamahay. Io hetsika io dia mikendry ny hametraka rafitra fiantohana amin’ny fiovan’ny toetrandro ho an’ireo fikambanan’ny mpanjono miisa 02 ao amin’ny Tahirin-Javaboarin’i Tsimanampesotse sy Nosy Ve Androka (Besambay – Beheloke, ary Befasy – Anakao, Faritra Atsimo-Andrefana). Ny tanjona dia ny hanamafy ny fanatsarana sy faharetan’ny fitantanana ny rojom-pifandraisan’ny jono sy ny fambolena eo anivon’ireo mpanjono sy ireo mpifindra monina eny amoron-tsiraka noho ny fiovan’ny toetrandro. Ny fomba fanao tsara dia hotehirizina sy haparitaka eo an-toerana, eo amin’ny sehatra nasionaly, ary manerana ny faritra Atsimo-Andrefan’ny Ranomasimbe Indianina na ny faritra SWIO. Io fandalinana io dia anisan’ny tetikasa fampandrosoana ny fanombanana ny tontolo iainana sy sosialy ary ny fitaovana fiarovana na « Development of an Environmental and Social Assessment and Safeguard Instruments  » ESA, izay hikasika ny Faritra Diana ao amin’ny Helodranon’Ambaro, sy ny Faritra Menabe ao Manambolo syTsiribihina. Dingana lehibe amin’ny fandalinana ny mety ho fahombiazana ny tetikasa, ny fiaraha-miasa sy fanamarinana ny maodelin’ny fiantohana, ary ny fandrafetana drafi-piasana. Nandritra ny atrikasa nifampizarana dia nisy ny fanadihadiana momba ny loza ateraky ny toetrandro (rivodoza, haintany, onja mahery) mba hahatakarana tsara ny fiantraikany amin’ny vondrom-piarahamonina. Tonga nanatrika sy nandray anjara ny avy ao amin’ny #DID, #DRPEB_Atsimo_Andrefana, #CRS, WWF, #BNGRC, #DRTM ary ny #DREDD, ny Faritra Atsimo Andrefana. #MPEB

𝗙𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗛𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗩𝗘𝗛𝗜𝗩𝗔𝗩𝗬
Tontosa Anio 29 Aprily ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fihaonan’ireo 𝗞𝗼𝗺𝗶𝘁𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗲𝗿𝗮𝗻-𝘁𝗮𝗻𝗶𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗩𝗲𝗵𝗶𝘃𝗮𝘃𝘆 𝗹𝗲𝗵𝗶𝗯𝗲𝗻’𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮𝘀𝗮 (𝗙𝗖𝗘𝗠)

Hetsika izay Nokarakarain’ny Komity manerantan’ireo vehivavy lehiben’ny orinasa ( FCEM) notarihin’i R/ toa Marie-Christine Oghly sy ny Vondron’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara ( GFEM) notarihin’ny Filoha mpanorina R/toa Fanja RAZAKABOANA izay natao hampivondrona vehivavy mpandraharaha avy amin’ny Faritra Avaratra sy Atsimon’i Madagasikara Ary firenena maherin’ny 100 toa an’i Frantsa, Soisa, Italia, Alemaina, Ejipta, Armenia, Meksika, Arzantina, Maorisy ary Aostralia. Izao no hatao mba hahafahan’izy ireo mampivoatra ny traikefan’izy ireo any amin’ny orinasany tsirairay avy Ary hananana fiaraha-miasa maharitra Rehefa vita ity Fihaonana ity. Tonga nanatrika izany ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert izay mpiahy ny Faritra Androy , Ny Minisitry ny Raharaham-bahiny R/toa Rafaravavitafika RASATA kosa no nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy. Fihaonana Mankany amin’ny toekarena maharitra sy mitambatra kosa no lohahevitra novoizina nandritra ity Hetsika ity #MPEB #MIC #FCEM #EDBM #GFEM

Kaominina Andrenivohitra Manakara
Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny tsena Fivarotana Trondro napetraka ny FDA

Tontosa ny marina ny faha 25 Aprily 2025 ny Fizarana ny toerana (paillasse) ao amin’ny fotodrafitrasa Fivarotana Trondro izay napetraka ny #FDA ao Manakara izay nataon’ny avy ao amin’ny DRPEB_Fitovinagny. Fantatra Ary fa 32 no mpivarotra zaka ny tsena. Ny tanjona dia ny fampiasana ny fotodrafitrasa araka ny tokony ho izy. Ny tapany hariva kosa no nosokafana amin’ny fomba ofisialy ny tsena izay natrehan’ny Talé Misahana ny fampandrosoana sy fotodrafitrasa #DID eo anivon’ny Faritra, ny avy amin’ny FDA ary ireo mpahazo tombotsoa. Naneho ny hafaliany ireo vehivavy mpivarotra trondro amin’ny zao nahazoana toera-pivarotana manarapenitra izao. Marihana fa ny Vondrona Eropeana no nanohana arabola ny foto-drafitrasa. #MPEB

« Echoes of Akio Foty »
Fifaninanana mahakasika Fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina andiany Voalohany.

Nontaterahina ny 26 Aprily 2025 ny lalao Famaranana ny « Art Oratoire » mahakasika ny #Fiarovana_ny_Ranomasina sy ny tontolo manodidina azy izay nomena ny anarana « Echoes of Akio Foty ». Fifaninanana izay nokarakarain’ny #Natiora_Defenders Teo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB. Tonga nanome voninahitra izany A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert (MPEB) , A/toa RAZAFINDRABE Rinah (DGGE MEDD). Miisa 10 mianadahy ireo nandray anjara nandritra ity lalao Famaranana ity tamin’ny alalan’ny fanaovana ny « slam, poésie, pitch art plaidoirie » mahakasika ny #Conservation_marine izay manana vina lehibe amin’ny hampaharitra ireo harenantsika ho Lovain-jafy Ary koa tsy ho lany tamingana. Ny ranomasina no miantoka ny 25% farafahakeliny ny Rivotra izay hiainantsika , izy ihany koa no Anisan’ny miantoka betsaka ny #famoronana_asa , ny #fitanterana , ny #Sakafo_ara_pahasalamana Ary indrindra fa ny #toetra_Andro kanefa nohon’ny fisian’ny loto, ny fanjonoana miompampana ,ny fandikan-dalana sns dia mihasimba izany ka Mahafaly ny mahita ireo #Tanora mandray andraikitra Ary manolotena sahady amin’ny fanavotana izany tsindry mahazo ny ranomasina izany hoy A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert. Mamporisika ireo Tanora rehetra arak’izany ny tenany mba tsy hijanona ho mpijery fotsiny fa handray an-tanana ny fiarovana ny ranomasintsika . Ny Teo anivon’ny Natiora Defenders ihany koa dia mampatsiahy hatrany fa ireo Tanora eto amintsika dia manana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanomezana fahalalahana miteny ho azy ireo hisian’ny fanentanana maro sy fanatenana ho an’i Madagasikara. #MPEB #MEDD #NATIORADEFENDERS #AXIAN_UNIVESITY.

Birao FIFATA, Fokontany Tsivatrinikamo, Kaominina Antsirabe, Distrika Antsirabe I, Faritra Vakinankaratra
Fivoriam-be FORMAGRI 2025.

Notanterahina tao Antsirabe ny faha 24 Aprily 2025 ny fihaonamben’ireo mpikambana mamorona ny #FORMAGRI manerana ny Nosy ka anisan’izany ny #FIFATA izay mpampiantrano. Isan’ny tanjona lehibe eo anivon’ny FORMAGRI ny fampihofanana ireo tantsaha mpitarika ho lasa matihanina kokoa ara-pamokarana sy hanam-pahalalana mahakasika ny fananan-tany, varotra ary ny ara-tontolo iainana. Mifanojo tanteraka amin’ny tanjonan’ ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga izany. Nandritra ny kabary famaranana nataony ary dia nanamafy Rtoa #DRPEB_Vakinankaratra fa ny ekipa eo anivon’ny #MPEB dia afaka ny hifanome tanana eo amin’ny fampihofanana ireo mpiompy trondro sy ny fanarahamaso ireo mampihatra izany any amin’izay Faritra hiasan’ny ekipa FORMAGRI toy ny Amoron’i Mania, Bongolava, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Itasy ary Vakinankaratra izay samy nahatonga solotena nandritra ity fihaonam-be ity avokoa.

Centre Botovasoa Antsiranana I, Faritra Diana
Atrikasa fifampidinihana regionaly

Notanterahina tao Antsiranana ny 24 Aprily 2025, ny « Atrikasa regionaly momba ny famolavolana ny boky torolalana ho an’ny fametrahana Rafi-pandrindrana ho Fanajariana ny Fari-dranomasina (PSM) eto madagasikara » ,izay notarihain’ny Ministeran’ny Fanapariaham-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany #MDAT, ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB, ary ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy #MEDD niaraka tamin’ny fanohanan’ny #WWF. Ity atrikasa ity dia nahafahana nizara tamin’ny fomba mahomby ireo antanatohatra efa vita tao anatin’ity dingana manan-danja ny #PSM sy nanangona antontan-kevitra tena ilaina avy tamin’ireo mpisehatra an-dranomasina tao amin’ny Faritra Diana. Nivohitra tamin’ity fifanakalozan-kevitra ity ny momba ny firafitra sy ny andraikitra ny #COPIL, ny fitantanana ny angon-drakitra an-dranomasina,ny fomba fisorohana sy fitantanana ny fifandonana, ary ny fanamafisana ny fahaizamanao an’ireo mpisehatra ao an-toerana ho an’ny fampiharana mahomby ny PSM eto Madagasikara.