NOSY FALY , FARITRA DIANA
Fisokafan’ny fanjonona mahaloky

Tamin’ny 5 ora maraina dia Efa nanainga ireo mpanjono handeha hanjono mahaloky izay Marihina fa Anio 01 Aprily no fisokan’izany raha nihidy nandritran’ny 3 volana . Teny an-toerana niara-dalana tamin’izy ireo hatrany ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert #MPEB #JONO_MAHALOKY #NOSYFALY

NOSY FALY , AMBANJA , FARITRA DIANA
VONDRON’NY MPANJONO ATY AMIN’NY TAPANY AVARATRY NY NOSY : VONONA NY HIFANOME TANANA HISIAN’NY FITANTANANA MAHARITRA

Nanantateraka #fifampizarana sy #fifanakalozan_kevitra niarahan’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert tamin’ireo Filohan’ny fikambanan’ny mpanjono miisa 30 aty amin’ny Faritry Diana izay miara-miasa amin’ny #TetikasaReSea izay tantanin’ny #UICN. Hampiofanina izy ireo hisian’ny fahaiza-mitarika eny anivon’ny fiaraha-monina indrindra ny fiaraha-monin’ny mpanjono . Ankoatr’izay Dia anisan’ny nomen’ireo mpanjono fitokisana izy ireo ka Mila mahafehy izany hai-tarika izany indrindra amin’ny Fiarovana ny tontolo an-dranomasina sy ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary anaty ranomasina mba ho Lovain-jafy. Anisan’ny nampatsiahivan’A/toa Minisitra ny Maha zava-dehibe ny fanajana ireo lalàna mifehy ny Jono eto Madagasikara, ny fanajana ny fitaovam-panjonoana rehetra , ny antony ihany koa mampihena ny vokatra ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro, ireo dina isan-karazany hanatsarana ny tontolon’ny fanjonoana, Nisy ihany koa ny fametrahana ireo fanontaniana izay manitikitika azy ireo amin’ny mahakasika ny asan’ny Ministera sy ny andrasan’ny Ministera amin’izy ireo . #MPEB #PROJET_RESEA #UICN #MPANJONO #FARITRA_DIANA #NOSY_FALY.

Baie de Tsimipaika , Nosy Faly ,Faritra DIANA
Toerana Anisan’ny malaza hatramin’izay amin’ny fanjonoana mahaloky

Toerana Anisan’ny malaza hatramin’izay amin’ny fanjonoana mahaloky ity toerana ity, trondro izay anisan’ny tsara tsiro indrindra . Raha tsiahivina,tamin’ny 3 taona lasa dia mahatratra 30 taonina ny vokatra azo , nidina 18 taonina kosa izany tamin’ny 2 taona nohon’ny Fandalovan’ny rivodoza gamane ka ny taona lasa teo dia niakatra 30 taonina indray. Inoana kosa fa ho amin »ity taona ity dia hitombo mihoatra lavitra amin’ izany raha ny vokatra hita nandritra ny fanjonoana teny an-toerana ho an’ny Andro voalohany fanampin’izay ny habehin’ireo trondro. Hirariana fa hihinana finaritra Isika malagasy satria Mbola ho aparitaka amintsika ity mahaloky ity ,Isika ao analamanga,sava , Vakinankaratra sns… Izao no porofo fa ireo mpanjono dia Anisan’ny mampisakafo ara-pahasalamana ho antsika . #MPEB #MAHALOKY #NOSYFALY

Nosy Faly , Antafiambotry, Distrikan’ny Ambanja , Faritra DIANA
Fizarana marim-pakasitrahana nomena ireo nanaraka Fiofanana mahakasika ny Fitadiavana vahaolana miankina amin’ny natiora niarahana tamin’ny Tetikasa Resea

Ankoatry ny fanokafana ny Jono mahaloky dia nisy ny fizarana marim-pakasitrahana nomena ireo nanaraka Fiofanana mahakasika ny Fitadiavana vahaolana miankina amin’ny natiora mba hitondra vokatra ho an’ny firenena Izay niarahana tamin’ny Tetikasa Resea. Ny fampitaovana ho an’ny fikambanan’ny mpanjono toy ny Vedette hanaovana ny surveillance communautaire avy amin’ny Blue Ventures. Misy ihany koa ireo tady mahazaka hampiasaina eny ampanjonoana avy amin’ny Blue Ventures, ireo kits de surveillance ho an’ny polisin-drano, ny permis de collecte sns… Hisaorana hatrany ireo Mpiara-miombon’antoka sy izay nisalahy rehetra nandritra ny hetsika fanokafana amin’ny fomba ny fanjonoana mahaloky #MPEB #PROJET_RESEA #RESAU_MIHARI #UICN #PROJET_RIAKA #BLUE_VENTURE

NOSY FALY , AMBANJA, FARITRA DIANA
LANONAM-PANOKAFANA NY FANJONOANA MAHALOKY

Nandritra ny 3 volana nanomboka ny 31 décembre hatramin’ny 31 mars no nikatona ny fanjonoana mahaloky ho an’ireo mpanjono eto aty amin’ny Faritra avaratry ny Nosy eto Madagasikara. Notanterahina Anio 31 Martsa ny lanonana fanokafana izany amin’ny fomba ofisialy Raha ny 01 Aprily kosa no mandeha manjono midina an-dranomasina ireo mpanjono. Ny Antony dia ahafahana mampanara-dalana hatrany ireo mpanjono izay misehatra amin’ity mahaloky ity . Hazan-drano Anisan’ny mampidibola ny mahaloky. Nisy kosa anefa ny fanentanana maro samihafa nandritran’izany ahafahana mahazo vokatra maro. Ny firaisankina sy firaisan-tsaina no tena mampiavavaka an’ireo mponina satria izay no ahafahana manatsara sy mahita tombotsoa hoy a/toa Minisitra MAHATANTE Paubert nandritra ny fandraisam-pitenenany. Izao no tanteraka dia nisy ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny sehatra tsy miankina isan-tsokajiny. Marihina fa Hananan’ny Faritra avaratra avokoa ireo harena mampiavaka an’i Madagasikara izay ho lovain’ireo taranaka fara-mandimby. Hisaorana ireo sehatra tsy miankina sy mpiara-miombon’antoka toa ny Projet Resea , blue Ventures, Projet Mihari , UICN , Projet Riaka , C3 sy ireo izay niara-nisalahy tamin’ny Fanantaterahina izany. MAHALOKY ,FIVELOMAKO KA AROVAKO #MPEB #JONO_MAHALOKY #FANOKAFANA #MPIARA_MIOBON_ANTOKA #FARITRA_AVARATRY_NY_NOSY

FARITRA DIANA
FITSIDIHANA IARAHANA AMIN’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert

Mitohy eto amin’ny Faritra Diana indray ny fitsidihana entina hampandrosoana ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga izay tarihin’A/oa Minisitra MAHATANTE Paubert. Tonga soa amantsara eto Nosy be ny tenany Anio 30 Martsa 2025 Maro ireo hetsika izay ho Tanterahina anisan’izany ny : FANOKAFANA ny #JONO_MAHALOKY ao #Nosy_Faly Fizarana « Vedette » hanaovana ny surveillance communautaire ao #Nosy_Faly . Fizarana ireo lakana en fibre de verre ho an’ny fikambanan’ny mpanjono ao Nosy Faly. Ary fitsidihana ireo foto-drafitrasa rehetra mifandraika amin’ ny sehatry ny Jono ao Nosy be sy ny ahafahana mampiasa ireo araky ny tokony ho izy . Haharitra 4 Andro kosa ny fitsidihany eto an-toerana. #MPEB #FARITRA_DIANA.

Ampasikely , kaominina Antafia Ambotry , Distrika Ambanja
MIFAMENO NY ASA FANJONOANA SY NY FAMBOLENA LOMOTRA

Efa an-taonany maro ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga no manao izao asa fampiroboroboana ny asa fambolena lomotra izao eto Madagasikara, Raha tsiahivina dia lomotra manodidina ny 3000 taonina d’algues sèche  no ho tratrarina manodidina ny taona 2030. Ho an’ny androany dia nijery Mivantana ny toerana izay hambolena lomotra izay ataon’ny orinasa Riaka A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert, orinasa noho ny Mampifandray ny asa fanjonoana sy ny asa fambolena lomotra , Mamelona olona maro ny fambolena lomotra satria dia ao anatin’ny ray volana dia mahazo hatrany amin’ny 2 tapitrisa ariary ireo mpanjono, Raha eto amin’ity toerana ity manokana dia mahazo 225 000 isan-kerinandro ireo mpanjono. Ny Tanjona amin’ny ho avy arak’izany dia ny ahafahana manodina azy ireto vokatra ireto eto Madagasikara #MPEB #FAMBOLENA_LOMOTRA #ORINASA_RIAKA #FARITRA_DIANA #AMBANJA.

TOLIARA , FARITRA ATSIMO ANDREFANA
Fizarana zana-trondro maimaimpoana ho an’ireo tanora sy Renimpianakaviana

Tanteraka soamatsara ny fizarana ireo zana-trondro maimaimpoana ho an’ireo tanora sy Renimpianakaviana izay efa nisitraka ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro Teto Toliara , miisa 50 izy no hisitraka izany. Hisaorana ny Teo anivon’ny « la bonne fermière » tamin’ny fanomezana ireo zana-trondro Ary Hisaorana ihany koa Isika Tanora izay niarahana nisalahy tamin’ny lamina sy fandaminana rehetra Ho antsika izay te #hisitra #fampiofanana #fiompiana_trondro eto toliara kosa dia manome fotoana antsika afaka roa herinandro dia Efa hanantateraka izany eto an-toerana A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert hanantateraka izany ka dia Efa mampiomana antsika sahady. #Ndao_hampiroboroboantsika_ny_sehatry_ny_fiompiana_trondro.

Hôtel NAMBININA Ambositra, Faritra Amoron’i Mania
Atrikasa fampahafantarana ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa 4F/ASAM

Atrikasa fampahafantarana ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa 4F/ASAM, vatsian’ny #BMZ coopération Allemande vola, iarahana amin’ny Minisitera ny Jono sy ny Toekarena Manga ka ny #ONG_APDRA no manatanteraka ny asa ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania, izay notanterahina ny faha 28 Marsa 2025. Nisy ny fanaovana tombana ny ezaka vita tamin’ny PADM mba hahafahana manatsara ny fomba fiasa amin’ny #4F_ASAM. Ny tanjony tetikasa dia ny fampiroboroboana ny sehampihariana trondro mba ho ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ho fidiram-bola maharitra ho any isam-batan’olona. Izao atrikasa izao dia natrehan’ny Mme VPAN sy Solombavambahoaka 2 voafidy tao amin’ny Distrika ny Ambatofinandrahana sy Manandriana ary ny AP ny solombavambahoaka voafidy tato amin’ny Distrika Ambositra, tao iany koa ny SG any Faritra sy ny Ben’ny Tanàna ao amin’ny Kaominina 28 izay iasan’ny Tetikasa ary ireo solotenany mpiompy trondro sy ireo mpiaramiombonantoka isantsokajiny ao amin’ny Faritra. #MPEB #DRPEB_Amoron_i_Mania #Fampamokarana_ny_Atirano