MIARAHABA ANTSIKA
IREO BIRAO #FITALEAVAM_PARITRY NY #JONO SY NY #TOEKARENAMANGA

INDRO OMENA ANTSIKA INDRAY NY TOERANA MISY IREO BIRAO #FITALEAVAM_PARITRY NY #JONO SY NY #TOEKARENAMANGA TSIRAIRAY AVY ,AFAKA MIANTSO NA MANANTONA AVY HATRANY ISIKA RAHA MISY #FANONTANIANA_MANITIKITIKA NA #TARATASY_ILAINA MAHAKASIKA ITY SEHATRA ITY NA #TORO_HEVITRA SNS… VONONA HANDRAY ANAO IREO, TOMPON’ANDRAIKITRA ISAN-TSOKAJINY ENY AN-TOERANA MIEZAKA MANAKAIKY ANAO HATRANY NY ETO ANIVON’NY MINISTERA KA AM-PITIAVANA SY HAMPANAJANA HATRANY NO ANDEHA HIFANDRAISAN-TSIKA AHAFAHANA MANANA FIFANDRAISANA MAHARITRA ,MATOTRA, MAHAOMBY ARY AHITAM-BOKANY. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue #ENSEMBLE_ON_IRA_LOIN

Kaominina Ambanivohitra Tolohomiady, Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe
Fitsidihana sy fanaraha-maso ny fiompiana trondro

Ny faha 05 Mai 2025 teo dia nidina ifotony tany amin’ny Fokontany Androtsy, Kaominina Ambanivohitra Tolohomiady, Distrikan’Ihosy, ao amin’ny Faritra Ihorombe ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Ihorombe. Ny tanjon’ity fitsidihana ity dia ny fanaraha-maso sy ny fanomezana tohana ara-teknika ho an’ny mpiompy trondro iray izay manana dobo fiompiana trondro miisa enina. Marihina fa ireo dobo ireo dia naorina tamin’ny “engins” avy amin’ny Faritra Ihorombe ny volana Septambra 2024 lasa ary ny Novambra 2024 kosa dia zanatrondro karpa miisa 2.400 sy tilapia miisa 1.000 no narotsaka tao anatin’ireo dobo ireo. Na izany aza, dia misedra olana kely izy ireo ny amin’ny fitomboan’ny trondro satria tsy dia ampy ny sakafo omena azy ireo, ka niteraka fahatarana amin’ny fivoarany .Arak’izany dia nanome torohevitra sy tohana ara-teknika izy reo mba hamahana io olana io, anisan’izany ny fanatsarana ny fitantanana ny lafiny ara-tsakafo. Ny fitsidihana toy izao dia manamafy fampiroboroboana sy fampandrosoana ny sehatry ny jono sy ny Toekarena manga ho tombontsoan’ny mponina. #MPEB #DRPEB_IHOROMBE #Fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga

Faritra Melaky, Distrikan’i Maintirano, Kaominina Ambonivohitry Maintirano, Fokontany Namela
Fambolena Honko ho Fiarovana ny Harena Voajanahary

Ny faha 30 Aprily 2025 teo dia nanatanteraka hetsika lehibe momba ny fambolena honko ny tao amin’ny Kaominina Ambonivohitry Maintirano, Fokontany Namela izay hetsika natao mba ho hanarenana sy hampiroboroboana indray ireo toeram-pambolena honko, izay singa manan-danja amin’ny tontolo iainana amoron-dranomasina. Ny ekipan’ny Fitaleavam-Paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Melaky niaraka tamin’ny solontenan’ny Vondrona Olona na Ifotony (VOI) tao an-toerana izay miisa 23 teo no niaraka nisalahy tamin’ity fambolena honko ity ary ny World Wide Fund for Nature (WWF) no nanohana ara-bola sy fitaovana. Nandritra ny telo andro nanaovana ny fambolena ka zana-honko miisa 43 000 no novolena tamin’ny velaran-tany mirefy 5 hektara. #MPEB #DRPEB_Melaky #WWF #VOI #Ala_Honko

Kaominina Manambaro, Distrikan’ny Tolagnaro, Faritra Anosy
Fampiofanana fiompiana trondro an-dranomamy

Mitohy hatrany ny fampiofanana ny mponina amin’ny fiompiana trondro an-dranomamy ka ny teto amin’ny Kaominin’ny Manambaro, Distrikan’ny Tolagnaro no nisitraka izany ato amin’ny Faritra Anosy. Ny faha 02 May 2025 no nanatanterahana izany tao amin’ny trano malalakin’ny koperativa Baie-rose tao Manambaro, izay Nahatratra 145 ny nandray ny fiofanana izay nahitana sokajin’olona maro samihafa, tanora sy olondehibe ary lahy sy vavy. Nozaraina nandritra izany ireo teknikam-piompiana trondro an-tanimbary, anaty dobo sy ivelan’ny tany, ny famokarana zana-trondro Karpa sy Tilapia ary fanamboarana sakafo. I Manambaro dia anisan’ny voalohany aty amin’ny Distrikan’ny Tolagnaro raha ny vokatra trondro an-dranomamy no resahina saingy hatreto dia mbola trondro nohazaina avy amin’ny dobo sy renirano voajanahary ary taorian’ny fiofanana dia maro no hirotsaka antsehatra avy hatrany amin’ny fiompiana trondro. Ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Anôsy no nanofana. Tonga nanome voninahitra ity fampiofanana ity ny Ben’ny tanana lefitra, ny Sekretera Jeneralin’ny Kaominina ary ny Talen’ny Kabinetrany. #MPEB #DRPEB_Anosy #Fampamokarana_ny_Atirano

SEHATRY NY JONO
HO APARITAKA NY TEKNIKAM-PIOMPIANA TRONDRO ANATY FEFY MITSINGEVANA.

Fokontany Miaramanajaka, kaominina Masindray Distrika Avaradrano Mbola betsaka ireo farihy izay afaka Hanaovana ny fiompiana trondro anaty fefy mitsingevana (pisciculture en cage) eto amin’ny Faritra Analamanga ka anisan’izany ny eto amin’ity renirano lehibe eto amin’ny Kaominina Masindray ity. Nidina teny an-toerana ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert nijery ny fomba rehetra ahafahana mametraka izany , Nijerena ny toetoetry ny rano (ny marimpana ,ny hasirany …) ,Teo ihany koa ny fijerena ny tontolo iainana manodidina ity farihy ity satria zava-dehibe dehibe ny fanajana ny fahadiovana ahafahana mamokatra vokatra madio sy ara-pahasalamana. Manodidina ny 3 hektara ity farihy ity izay mahazaka fefy mitsingevana miisa 5 . Izany no hatao dia hanomezana asa ho an’ny Tanora , hiadiana amin’ny Tsy fanjarian-tsakafo ar indrindra ny ady amin’ny fahahantrana amin’ny ankapobeny Tsy mijanona ho toeram-piompiana trondro ihany ity toerana ity fa afaka hatao tsara ny mitsangatsangana eny an-toerana Rehefa Tafapetraka ireo fefy mitsingevana na Ilay antsoina hoe « pêche récréative » izay ahafahan’ireo mpitsidika mianatra mpanjono sns.. #MPEB #FIOMPIANATRONDRO #ANATYFEFYMITSINGEVANA #FARITRA_ANALAMANGA

Station Piscicole Antanimieva, Compagnie d’Infanterie Antanimieva, Faritra Atsimo Andrefana
Tetik’asa ho fananganana Fari-pisandratana FIHAREA FIA na ZEP (Zone d’Emergence Piscicole).

Vokatry ny fiaraha-miasa sy ho fanamafisana izany eo amin’ny Ministeran’ny Foloalindahy sy ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga dia hovelomina sy hohatsaraina mba hanaraka ny fenitra afaka hamokarana zana-trondro sy hanalebiazana trondro ny station piscicole ao Antanimieva. Notanterahina niaraka tamin’ireo manam-pahaizana manokana avy ao amin’ny Ministera (MPEB) sy ny avy ao amin’ny Génie Rurale/DRAE ny asa ara-teknika hahafahana mamaritra sy manao ny fandrefesana mifandraika amin’izany tetikasa izany ny faha 27 Aprily 2025 lasa teo. Tsara ny manamarika etoana fa dobo fiompiana trondro na « étangs piscicoles » miisa 16 no harenina amin’ny laoniny mandritra izao tetikasa izao sy ny fanamboarana trano vaovao mirefy 5m X 7m izay ho hampiasain’ireo teknisianina hiandraikitra ity ZEP momba ny FIHAREA FIA ity. Tonga nanatrika an’izany ny Kolonely, Komandin’ny Borigadin’ « Infanterie » Atsimo Andrefana ary notronin’ireo mpiara-miasa aminy toy ny Komandin’ny Bataillon d’infanterie ao Toliara sy ny Kolonely lehiben’ny C.OPS/ ZDS FIHERENANA ary ny Kapiteny, Komandin’ny Kaompania Voalohany « infanterie » ao Antanimieva. Teo ihany koa ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga avy ao Atsimo Andrefana sy ireo Teknisiana avy any amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. #MDN #MPEB #DA #DRPEB #Atsimo_Andrefana #ZEP #Station_Piscicole_Antanimieva #Fihariana_Anaty_Rano #Toekarena_Manga

Mananjary, Faritra Vatovavy
Fananganana ny « Comite Regional des suivis » niarahana tamin’ny FSRP (Food System Resilience Program) sy ny PAM

Notontosaina nandritra ny 02 andro tao Mananjary ny fananganana ny « Comite Regional des suivis » niarahana tamin’ny FSRP (Food System Resilience Program) sy ny PAM.Nifantoka amin’ny fanarahamaso ny « Cantine scolaire » sy ny saha sekoly no antom-pijoroan’ny kaomity. Voaresaka tao ny fiaraha-miasa amin’ireo Koperativa maro ao an-toerana amin’ny famatsiana vokatra ho an’ireo sekoly toy ny: « Denrée seche »(tsaramaso…), « Danree fraîche » (traka sy legumes) ary ny trondro sy vary. Narahina fidinanana ifotony moa ity fotoana ity tao amin’ny Fokontany Anjanavorona ho fijerena ireo toeram-pamokarana. Maniry ireto Koperativa mba hiditra amin’ny fiompiana trondro taorian’ity fidinana ifotony natao ity. #MPEB #DRPEB #Vatovavy

Espace Royale Bateravola Fianarantsoa, Distrikan’i Fianarantsoa I, Faritra Matsiatra Ambony
Fampahafantarana ofisialy ny #Tetikasa_ASAM_4F ao anatin’ny telo taona manaraka hanohy ny asa natao tao anatin’ny PADM aty Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania ary Atsimo Atsinanana izay vatsian’ny GIZ vola

Ny faha 30 Aprily 2025 no notanterahana ny fampahafantarana ofisialy ny #Tetikasa_ASAM_4F ao anatin’ny telo taona manaraka hanohy ny asa natao tao anatin’ny PADM aty Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania ary Atsimo Atsinanana izay vatsian’ny GIZ vola. Ambompihaonan’ny hery velona rehetra eo amin’ny fiompiana trondro izay nahitana ny solotenan’ny Gouvernora, solotenan’ireo Ben’ny tanàna , OMC, ONG, mpivarotra, ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina ,solotenan’ny mpiompy trondro avy amin’ny Distrika 6, ny fiarahamonim-pirenena ary ireo olom-boafidy sy olom-boatendry. Tao anatin’ny asam- baomiera no nandrafetana ireo angon-kevitra ho famahana ny olana eny ifotony ho fanohitra ho amin’ny fampiroboroboana ny famokarana ny atirano toy ny fitantanana ny rano, ny halatra sy ny sotasota ary ny fitadiavana lalam- barotra. Azo heverina ny fitombon’ny vokatra amin’ny alalan’ireo tantsoroka maro isankarazany avy amin’ny tetikasa iarahana misalahy amin’ny #DRPEB_Matsiatra_Ambony. #MPEB