CCI Ivato, Antananarivo
Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny « Fikaonan-doham-pirenena ho fampivoarana ny famokarana eto Madagasikara » na « Journées de concertation nationale sur la transformation agricole », Andro voalohany
Nisokatra androany faha 23 Janoary 2025 ny « Fikaonan-doham-pirenena ho fampivoarana ny famokarana eto Madagasikara » na « Journées de concentration nationale sur la transformation agricole » izay haharitra 02 andro, tanterahana ao amin’ny CCI Ivato. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izany Atoa Filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina, notron’ireo Ministra sy Olom-panjakana, olom-boafidy ary ireo tompon’andraikitra maro eto amin’ny Firenena. Samy nanamafy avokoa ireo nandray fitenenana amin’ny fahavononana hiara-hiasa ho fampitomboana ny vokatra eto Madagasikara ka hahatonga antsika ho sompitry ny Ranomasimbe Indiana ary hanatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo araka ny vina sy ny tanjon’Atoa Filoham-pirenena. Nanamafy ihany koa Atoa Filoha fa hametraka tetikady maty paika, anisan’izany ny fanomezana fitaovana manaram-penitra ny tantsaha sy fanamboarana foto-drafitrasa ary fanohanana ireo tantsaha entina hampiakarana izany vokatra izany. Tsy maintsy ho avotra ary handroso i Madagasikara araka ny vina izay napetraka hoy hatrany Atoa Filoha namaranany ny fandraisam-pitenenany. Nandray anjara tamin’ny ady hevitra mahakasika ny vina sy traikefa entina hampandrosoana ny sehatra misy azy ihany koa ireo Minisitra izay nandraisan’A/toa MAHATANTE Paubert fitenenana nentiny nanamafisana ny maha-zava-dehibe ny fiompiana trondro sy ny fampiakarana ny vokatra hazandrano entina manatratra ny fahaleovan-tena ara-tsakafo. #MPEB #MINAE #Famokarana #TransformationAgricole #FiompianaTrondro
Ampandrianomby-Antananarivo, Faritra Analamanga:
Fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny MPEB sy ny FMFP na ny Tahiry Famatsiam-bola Malagasy ho Fampiofanana ny Mpiasa
Niroso tamin’ny Fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa ho fanamafisana ny fanohanana ireo tetikasa ho fampiroboroboana ny Toekarena Manga, FMFP na ny Tahiry Famatsiam-bola Malagasy ho Fampiofanana ny Mpiasa sy ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Fifanaovan-tsonia notanterahina teny amin’ny efitrano malalaka fivorian’ny Ministera ny 22 Janoary 2025. Tanjon’ny fiaraha-miasa ny hanamafisana ny asa efa natomboky ny FMFP tao anatin’ny 05 taona nisiany amin’ny fanohanana ireo tetikasan’ny Jono sy Toekarena Manga. Marihina fa nandritra izay fotoana izay dia miisa 34 ireo tetikasa novatsiany. Tafiditra tao anatin’izany tetikasa izany ny fanohanana ireo Mpanjono madinika, mpanangom-bokatra, vadin’ny mpanjono, mpiompy trondro anatin’ny Fikambanana sy ireo maro hafa. Ankehitriny dia hiroso amin’ny fanohanana ihany koa ireo Fikambanana izay miantsehatra amin’ny fitantanana sy fampandehanana ireo fotodrafitrasa mahakasika ny Jono sy ny Fihariana anaty rano izay naorin’ny Ministera manerana ny Nosy, isan’izany ny » hangar de marché » sy ny « chambre froide »,ny ZEP, « complexe de Pêche ». Izany rehetra izany dia mifanindra an-dalana tanteraka amin’ny vinan’ny Ministera amin’ny fanatanterahana ny paikadin’ny Nasionaly ho fampiroboroboana ny Toekarena Manga eto Madagasikara. Nanatanteraka izany fifanaovan-tsonia izany moa Atoa RAKOTOSOA Rado Tale Jeneralin’ny Toekarena Manga sy Atoa RAOELINA Pierre Tale Jeneralin’ny FMFP notronin’Atoa Minisitra MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert sy ireo Tale isan-tsokajiny eo anivon’ny Ministera. #MPEB #FMFP #Fanohanana #Tetikasa #Jono #Toekarena_Manga
NDAO HO FANTARINA
Fantaro anatin’ity horonantsary ity ireo Zavatra 5 lehibe tsara fantarina rehefa hiompy trondro
Kaominina Ambanivohitra Benenitra, Distriktan’i Benenitra, Faritra Atsimo Andrefana
Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2024-2025
Araka ny tetiandron’ny fambolen-kazo isam-paritra dia notanterahana ny faha 17 Janoary 2025 tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Benenitra, Distriktan’i Benenitra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2024-2025 hoan’ny Faritra Atsimo-Andrefana, nampitondrana ny lohahevitra « Ny ala, antoky ny rano sy ny angovo ». 10.000 isa no zanakazo novelena tao anatin’ny velaran-tany mirefy 10Ha, nahitana : Maroserana, Atratra (Jatropha mahafaliensis), Baobab, Kapaipoty, Kily, Bonara ary Daro. Tonga nanome voninahitra an’izany ny Minisitrin’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy niaraka tamin’ny zanakin’ny Filoham-pirenena, nampiatranoin’ny Solombavam-bahoakan’i Benenitra sy ny Lehiben’ny Distrika, notronin’ny Governoran’ny Faritra Atsimo-Andrefana sy ireo FDS, STD, PTFs, fokonolona, mpianatra marobe. Nandray anjara feno tamin’izany ihany koa ny avy ao amin’ny DRPEB Atsimo-Andrefana nisolo tena ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB). Anisan’ny nanamarika ny fotoana ny hafatra avy tamin’Atoa Minisitra ho an’ny Governemanta, ny Solombavambahoaka, ny filan’ny Distrikta fotodrafitrasa (infrastructures hydro-agricoles…), mba hisian’ny fampadrosoana maharitra dia ilaina nyy fanaraha-maso ny zanakazo nifoforana sy voavoly mba tena haniry. #MPEB #MEDD #DRPEBAtsimoAndrefana #Fambolenkazo #Zanakazo
ANJOMA , DISTRIKAN’NY ANOSIBE AN’ALA
VOAVAHA NY OLAN’IREO MPIOMPY TRONDRO
Tamin’ny taona lasa no nampahafatarin’ireo vahoaka izay Liana te hisehatra amin’ny fiompiana trondro ny olan’izy ireo mahakasika ny fahazoana zana-trondro sy famoaham-bokatra entina hitadivana lalam-barotra. Voavaha izany ankehitriny nohon’ny fiaraha-mientana teo amin’ireo vahoaka sy ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny fanamboarana ny lalana ahafahana mamoaka ireo vokatra Téo ihany koa ny fahazoana zana-trondro amin’ny vidiny mora. Nisy ihany koa ny fanazavana misimisy kokoa mahakasika ny fiompiana trondro izay nidina ifotony avy hatrany teny amin’ny Dobo izay tantaninA/toa Jimmy. Ny mahakasika ny fananahan’ireo trondro, sy ny mombamomba azy rehetra . Ankoatr’izay Dia noraisina hatrany ny fanontaniana manitikitika azy ireo. #MPEB #ANOSIBE_ANALA #FIOMPIANA_TRONDRO.
PK38.5 , Anosibe an’ala, Faritra Alaotra Mangoro
FERME PISCICOLE MAHASOA : ZANA-TRONDRO MANODIDINA NY 1 TAPITRISA NO MIVOAKA ARY HO HAPARITAKA AMIN’NY VIDINY 200ar
Taorian’ny fandalovan’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert tamin’ny taon-dasa dia nampihatra avy hatrany ireo toromarika rehetra ny tenany izay nahafahana namokatra zana-trondro manodidina ny 1 Tapitrisa . Tsy ho ela arak’izany Dia hamatsy trondro an’Anosibe an’ala Manontolo ity ny Ferme Piscicole Mahasoa an’A/toa Samoela ity. Marihina fa Dobo Miisa 50 no hita ao an-toerana izay Efa nangalana zana-trondro ho alefa ao anosibe an’ala. Nambaran’A/toa Minisitra rahateo fa vonona ny hanampy azy ny eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga amin’ny fanampiana azy hanatratra izany Tanjona izany. #MPEB #FIOMPIANA_TRONDRO #ANOSIBE #AN_ALA #FARITRA_ALAOTRA_MANGORO.
Ampahitra ,Pk 13 , lalana mampitohy an’i Moramanga sy Anosibe an’ala
MIHA MARO IREO OLONA MISEHATRA AMIN’NY FIOMPIANA TRONDRO TAORIAN’NY FANENTANANA IZAY NATAO
Tamin’ny taona lasa ny volana septambra 2024 no nanao ny fanentanana maro samihafa mahakasika ny fiompiana trondro tao amin’ny Distrikan’ny Anosibe an’ala ny Teto anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga Izay notarihin’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert . Ankehitriny Dia miha maro ireo olona misehatra amin’izany aty an-toerana toa an’i Mr Marcelin izay nomena ny toromarika ara-teknika rehetra ahafahana manatsara sy mampiroboro ny fiompiany. Vonona hatrany ny Ministera miaraka amin’ireo teknisiana rehetra amin’ny fanohanana ara-teknika rehetra sy amin’ny fanaraha-maso isan-karazany ary hiezaka ihany koa amin’ny fitadiavana lalam-barotra ho azy ireo Raha ny nambaran’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert nandritra ny fitsidihana izay nataony. #MPEB #FIOMPIANA_TRONDRO #MORAMANGA #ANOSIBEANALA.
Modernisation des infrastructures et des équipement en soutien
MPEB, Ampandrianomby , Antananarivo.
FAMPAHAFANTARANA IREO ZAVA-BITA NANDRITRA NY TAONA 2024 SY IREO VINAN’ASA HO TANTERAHINA AMIN’ITY TAONA 2025 ITY
Nandritra ny taona 2024 dia hita fa nisongadina ary niroborobo ny sehatry ny jono sy ny Fihariana anaty rano izay manodidina ny 43 088 ny isan’ireo nahazo tombontsoa manerana ny Faritra 24 eto Madagasikara izay niompana tamin’ny fampiroboroboana ny asa manga tamin’alalan’ny fisitrahana ireo fampiofanana isan-karazany toy ny fiompiana trondro , ny fambolena lomotra, ny fiompiana janga, ny fanatavezana drakaka, fanodinana sy fitehirizam-bokatra sns…. Eo amin’ny lafiny fanondranana indray kosa dia manodidina ny 26 541 Taonina ireo vokatra haza an-drano nahondran’i Madagasikara. Tafapetraka ihany koa eto anivon’ny Ministera ny rafitra entina miady amin’ny kolikoly, ny fahavitan’ny tatitra ho fangaraharahan’ny sehatry ny jono an-dranomasina (rapport FiTi 2023) ary ny fanohizana ireo fanentanana eny ifotony momban’ny fanampoizinana ara-tsakafo vokatry ny fihinanana hazan-dranomasina (ICAM) sy ireo didy aman-dalana. Amin’ity taona 2025 ity dia hiompana bebe kokoa amin’ny #fampandehanana sy #fampiroboroboana ary #fametrahana ny Zone D’Emergence Piscicole ZEP hahafahana manandratra avo ny fiompiana trondro eto Madagasikara. Ho an’ny sehatry ny #Jono_madinika Dia ho hatsangana ny sekolin’ny Jono ao faux cap Lavanono/Androy izay anisan’ny toerana ahitana hazan-drano bestaka mandava-taona entina hanampiana ireo mpanjono hiditra amin’ny sehatry ny matihanina sy fampitaovana azy ireo (lakana en fibre de verre, filet multifilament,…) ary ny fametrahana ireo fotodrafitrasa #hanodinana sy #hitehirizana ireo hazandrano mba hampihena ny fahasimban’ireo vokatra azo, ankoatr’izay ny fanatsarana ny hay tondra eo amin’ny fitantanana ny sehatry ny Jono (#bonne_gouvernance). Ho tohizana ny fanentanana amin’ny alalan’ny fametrahana sy ny fampiasana ireo takelaka fampahafatarana mialoha ny mety ho toetry ny Andro eny amin’ireo tanànan’ny mpanjono miisa 3000. Ho tohizana ihany koa ny ezaka ho fanamafisana ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna ( Peche_INN) ka hantenaina fa ho tonga amin’ity taona 2025 ireo sambo miisa roa (Yamaha M-12) vokatry ny fiaraha-miasa avy amin’ny firenena Japoney. Hamafisina ny fampandehanana ireo foto-drafitrasa mahakasika ny jono sy ny Fihariana anaty rano manerana an’I Madagasikara izay miisa 182. Mahakasika ny sehatry ny Toekarena manga dia hotanterahana eto Madagasikara ny volana aprily ho avy izao any Toliara ny fihaonamben’ireo tanora aty Afrika misehatra eo amin’ny Toekarena Manga andiany faharoa ka tanora miisa 500 avy amin’ny firenena miisa 54 no handray anjara mandritra izany. Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert no nanao izany fampahafantarana izany izay notronon’ireo mpiaramiasa rehetra,ireo mpiara-miombon’antoka ,ireo firaisamonim-pirenena Ary ireo Manao gazety. #MPEB #BILAN_2024 #ACTIONS_CONCRETES_2025
« Camp Flacourt », Kaominina Tolagnaro, Distrikan’i Tolagnaro, Faritra Anôsy
Ady amin’ny doro-tanety
Nanatanteraka fivoriana ny mpikambana ao anatin’ny « Centre Operationnelle » na ny CO eo anivon’ny Faritra Anôsy, misahana ny fandrindrana ny ady atao amin’ny doro-tanety, androany 13 Janoary 2025 tao amin’ny efitrano fivoriana « Camp Flacourt ». Tonga nandray anjara sy niatrika ity fotoana ity ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Atoa MAHATANTE Paubert sy ny Minisitry ny Rano, ny fidiovana sy ny fanadiovana. Nisy ny famelabelarana mahakasika ny andraikitry ny CO sy ny iraka ataony, taorian’izay dia notaterina nandritra ny fivoriana ny tatitra mahakasika ny tranga doro-tanety tao anatin’ny 6 andro nijoroan’ity CO ity teto anivon’ny Distrika. Araka ny tatitra dia tranga na doro-tanety miisa 28 no hita ary natrehina tao anatin’izay 6 andro izay. Marihana fa vao omaly 12 Janoary alina no nisy tranga farany ka niara-nisalahy tamin’ny famonoana izany ny tompon’andraikitra eto amin’ny Faritra, niaraka tamin’ny Minisitra mirahalahy voalaza etsy ambony. Nisy ny fandraisana anjara fitenenana avy amin’ny Minisitra ka nanomezany toromarika sy fampaherezana ireo mpikambana ao amin’ny CO manoloana ity ady amin’ny doro-tanety ity. #MPEB #MEAH #CO_CentreOperationnelle #Dorotanety