Incheon, Repobilkan’i Korea Atsimo🇰🇷. Fihaonambe-iraisam-pirenena faha-3 momba ny Jono (ICFC 2025), 09-12 Novambra 2025

Notontosaina tao Incheon, Repoblikan’i Korea Atsimo ny fihaonambe Iraisam-pirenena faha-3 momba ny Jono (ICFC 2025) izay natao ny faha 9 ka hatramin’ny 12 Novambra 2025 teo. Nandritra izany dia lohahevitra lehibe niisa 6 no nifampizarana izay niresahana ny momba ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fomba hahafahana maitrika azy, ny fifindra-monina any ambanivohitra sy ny faharetan’ny fiaraha-monina, ny fampivoarana ny toekarena ambanivohitra sy ny toekarena manga, ny fanavaozana sy fiovàna nomerika, ny fiarovana ireo harena voajanahary ary mikasika ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena sy ny fandaminana eo amin’ny lafiny fitantanana maneran-tany. Nandritra izao fihaonambe iraisam-pirenena izao dia nisolotena an’i Madagasikara tamin’izany ny avy eto anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) ka nandritra izany no nahafahana namelabelatra ireo paikady maro isankarany izay novolavolaina nandritra izay taona maro izay fitaovana nahafahan’i Madagasikara nitantana amin’ny fomba maharitra ny sehatry ny jono sy ny toekarena manga. Nisy ihany koa ny fihaonana tamin’Atoa Park Jongmin, Talen’ny Sampan-draharahan’ny Fambolena, ny Jono ary ny Siansa momba ny Fiainana, izay niresahana manokana ireo fiaraha-miasa misy eo amin’i Madagasikara sy i Korea Atsimo. Nohamafisina nandritra izany fa misokatra amin’ny fiaraha-miasa sy famatsiam-bola amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra i Madagasikara, singanina manokana ireo mpandraharaha matihanina koreana izay liana amin’ny fitrandrahana, fanodinana ary fanondranana ireo vokatry ny jono sy ny fihariana anaty rano avy eto Madagasikara. Tsara ny mampatsiahy fa efa misy eto Madagasikara ny biraon’ny KOICA na ny Ivotoerana Koreanina miandraikira ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena na ny « Korea International Cooperation Agency ». Antenaina fa làlana iray lehibe hahafahana misintona ireo mpandraharaha avy any ivelany izao fandraisan’anjaran’i Madagasikara tamin’ity ICFC 2025 ity ka hampitombo ny vokatra azo avy amin’ny jono, hanatsara ny fidiran’ny vola vahiny ao amin’ny tahirimbolam-panjakana ary hiteraka asa maro hanatsarana ny sosialin’ny vahoaka Malagasy. #MPEB #ICFC_2025 #KOICA #KMI #TOEKARENA_MANGA #JONO
Kaominina ambonivohitra Soanierana Ivongo, Distrikan’i Soanierana Ivongo, Faritra Analanjirofo : Fizarana zana-trondro sy sakafo trondro hoan’ireo tantsaha.

Tsy mijanona amin’ny fampiofanana ara-teknika ireo tantsaha ny tohana omen’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB fa mitohy hatramin’ny Fanomezana ireo hana-pamokarana.Araka izany dia nozaraina zana-trondro Tilapia niisa 5000 sy sakafo trondro 30kg ireo mpiompy trondro miisa 10 ao Soanierana Ivongo ny faha 07 Novambra 2025 teo. Nifarimbona nahatontosa izany ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB sy ny Ofisim-paritry ny fanjarian-tsakafo ORN avy ao Analanjirofa tamin’ny alalan’ny tetikasa HAFA VELOTEGNA izay vatsian’ny UNICEF vola. Tonga nanotrona izany ireo olo-manakaja sy tompon’andraiki-panjakana maro any an toerana.Velom-pisaorana ireo nahazo ny tohana ary maniry ny hihitaran’izany amin’ireo kaominina manodidina. #MPEB #DRPEB #ORN #Analanjirofo #Fiompiana_trondro #VELOTEGNA #UNICEF
Atelier de vulgarisation de la Politique Intégrée de Gouvernance de l’Océan.
Un atelier de vulgarisation de la Politique Intégrée de Gouvernance de l’Océan ou « PIGO » a eu lieu ce mardi 19 mars 2024 à Akoba Beach Taolagnaro, Région Anôsy avec la participation de toutes les parties prenantes, les CTDs et les STD au niveau de ladite région. On a vu également la participation des différents acteurs locaux qui contribuent à la promotion de l’Économie Bleue. L’objectif de cet atelier est d’établir un cadre de gouvernance inclusif de la mer, des côtes et du fond marin en intégrant tous les organismes responsables des affaires maritimes et océaniques, et harmonisant les actions régionales relatives aux ressources marines de la région. Ceci dans le but de promouvoir le développement d’une économie diversifiée, compétitive et durable au profit de la population locale. L’atelier a présenté le concept, les principes et les nécessités de cette politique « PIGO », ainsi qu’une liste d’actions prioritaires pour sa mise en œuvre et sa déclinaison au niveau régional. #MPEB #DRPEB_ANOSY #PIGO #PROJET_MIONJO #GOUVERNANCE _OCEAN
