Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Distrikan’Anjozorobe, Faritra Analamanga
Fitsidihana ireo mpiompy trondro niarahana tamin’ny projet DYNAMICC/ APDRA.


Miisa 310 isa avy amin’ny fokontany 14 tao an-toerana no resy lahatra amin’ny fiompiana trondro karpa an-tanimbary.
Ny tanjona amin’izy ity moa dia ny hanaovana andrana vaovao amin’ity taona ity mba hanatavezana ny trondro amin’ny alalan’ny sakafo toy ny ravina ambiaty.

Misy ihany koa ny fanentanana ho an’ireo mpiompy trondro ho fanatsarana ny fiompiana trondro an-tanimbary, ny fahazoana alalana amin’ny famokarana ary ny fizarana karatra ho an’ireo mpiompy trondro nomen’ny DRPEB Analamanga. Tsara marihana fa niarahana feno amin’ny projet DYNAMICC/ APDRA ny fanatanterahana izao andrana vaovao izao.