DISTRIKAN’NY IKALAMAVONY,FARITRA MATSIATRA AMBONY
FAMPIOFANANA FIOMPIANA TRONDRO
Resy lahatra ny vahoakan’ny Ikalamavony
Tanteraka soamatsara ny fampiofanana fiompiana trondro maimaimpoana ho an’ny vahoakan’ny Ikalamavony Anio 2 Jona 2025 izay niarahana tamin’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert.
Avy amin’ny resaka Fampianarana no hiavian’ny fahalalana hoy izy ka izany indrindra no anton’izao fampiofanana izao entina hampitàna izany fahalalana izany ho an’ireo izay Vonona hiditra amin’ity sehatry ny fiompiana trondro ity Ary Tsy maintsy misy ny fenitra izay arahinana Raha hiompy trondro Isika anatin’ny fohy.
Eo ihany koa ny fihenan’ny vokatra ao an-toerana ka entina hampiroboroboana sy hampitomboana ireo vokatra
Nifantoka tanteraka ny vahoakan’ny Ikalamavony izay resy lahatra fa sehampihariana tena mampidibola no mamorona asa ho an’ny Tanora ny fiompiana trondro.
Karazam-piompiana trondro 2 no Mety eto Ikalamavony dia Anisan’izany fiompiana trondro an-dobo sy ny fiompiana trondro an-tanimbary.
Hirariana arak’izany fa hitombo ny olona hisehatra amin’ny fiompiana trondro eto Ikalamavony Ary hizara izany traikefa izany maimaimpoana ho an’ireo olona satria nomena maimaimpona hoy andriamatoa Minisitra .