Efitrano fivoriana, DRPEB Est Tribunal Antsirabe, Faritra Vakinankaratra
« Fangaraharana sy ady amin’ny kolikoly »
Taoriana ny fametrahana ny rafitra rejionaly iadiana amin’ny Kolikoly, #STAC teo anivon’ny #DRPEB_Vakinankaratra dia mitohy hatrany ny ezaka mba hisian’ny fangaraharana sy iadiana amin’ny kolikoly manoloana ny andraikitry ny tsirairay.
Ho fanamafisana ny fahaiza-manao ny ekipa sy ho fanaraha-maso ny fanatanterahana ny drafi-trasa, PTA, mifanandrify amin’izany ary ho fametrahana ireo « dispositifs Anti -corruption » sy ny « Valeur régionale » dia mandray sy miara-miasa amin’ny ekipa STAC izay iraka avy any amin’ny Ministera Foibe izahay eto anivon’ny DRPEB Vakinankaratra, ny 08 sy 09 May 2025.