Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Fahombiazan’ny Hetsika FIA-Mora, tao Toamasina sy teto Antananarivo

Ny FIA-MORA na Drafitra ara-tsosialy izay hiarahan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) amin’ireo orinasa tsy miankina misehatra amin’ny fanjonoana an-dranomasina toy ny Orinasa Refrichepêche Est sy ny SOPROMER izay ao anatin’ny Groupe Refrigepêche dia hetsika iray hanohanana ny Vahoaka Malagasy hanjifa ny vokatra an-dranomasina amin’ny vidiny mirary noho ireo vokatsoa maro azo avy amin’ny fihinanana azy.
 Ho fampiharana ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny rehetra izay voakasika izany dia nitohy ny hetsika tao Toamasina nanomboka tamin’ity taona ity (Volana Martsa 2024) ary nitohy tamin’ny andiany fahatelo kosa ny teto Antananarivo sy ny manodidina.
Nahatratra hatramin’ny 9592 kilao ireo haza an-dranomasina (drihy sy tretreky) lafo nandritra ny herinandro 5 nanaovana ny hetsika tamin’ny toeram-pivarotana niisa 7 izay miparitaka teto Antananarivo raha toa ka 2226 kilao kosa ny totalin’ny haza an-dranomasina (drihy sy tretreky) lafo tamin’ny toeram-pivarotana 3 niparitaka tao an-tampontanànan’i Toamasina Renivohitra.
Raha novinavinaina hatrany amin’ny 8000 kilao ny vokatra ho lafo mandritra izao hetsika izao hoan’i Toamasina sy Antananarivo dia nihoatra lavitra izany ny zava-nisy satria dia nahatratra hatrany amin’ny 11 788 kilao ny haza an-dranomasina lafo nahitana ny drihy sy ny tretreky nahafahana nahatratra ny ezaka nihoatra ny vinavina izay nofaritana satria toga hatrany amin’ny 147% ny tahan’ny vokatra rehetra lafo.
Tsara marihina etoana fa tao anatin’ny 5 herinandro no nahazoana izao vokatra izao izay tafiditra teo anelanelan’ny voalohan’ny volana marsa ka hatramin’ny 08 avrily 2024 lasa teo.
Raha oharina tamin’ny fotoana mbola tsy nampisy ny hetsika FIA-Mora sy ankehitriny zao dia hita fa nisy fiakarany hatrany amin’ny 38% ny tahan’ny fanjifan’ny olona ny karazan-trondro tretreky sy drihy.
Mahavelombolo ny vokatra ary resy lahatra ny rehetra fa ho tohizana ny hetsika ho tombontsoan’ireo mpanjifa Malagasy ary ho ezahina ihany koa haparitaka amin’ny Faritra hafa ety anivon-tany toy ny any Moramanga, Antsirabe, sy ireo maro hafa.