FAMPIOFANANA FIOMPIANA TRONDRO DISTRIKAN’NY BEALANANA ,FARITRA SOFIA
VONONA ARY RESY LAHATRA NY VAHOAKAN’NY BEALANANA
Karazam-piompiana trondro miisa 4 no nampianarina maimaimpoana ho an’ireo vahoakan’ny Bealalana izay maro Tonga nanatrika ny fampiofanana androany 24 mai 2025 niarahana tamin’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert.
Nomena avokoa ireo #teknikam_piompiana trondro rehetra ahafahan’izy ireo mampihatra izany avy hatrany aorian’ny fampiofanana. Anisan’izany ny fomba fanamboarana Dobo ,ny toetry ny rano, ny sakafon-trondro sns …
Tanana mahavokatra ny Distrikan’ny Bealalana Ary manankarena rano ihany koa izay ahitana matsabory miisa 17 ka afaka atao tsara ny mamadika izany ho lasa loharanombola amin’ny alalan’ny Fiompiana trondro hoy hatrany A/toa Minisitra .
Ankoatry ny asa Mahavelona ary mampidibola betsaka ny fiompiana trondro dia tsara ho an’ny fahasalamana ihany koa ny fihinanana azy.
Anisan’ny vina lehibe ho an’ny Ministera ihany koa ny hampianatra ny tahan’ny fihinanana trondro eto Madagasikara ka ho hampitombointsika izany amin’ny alalan’ny fanomezana fampiofanana toy izao.