Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy
Tsy namela nandalo fotsiny ny Fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga …

Tsy namela nandalo fotsiny ny Fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga fa dia anisan’ireo Ministera feno fahavitriana nazoto nandray anjara feno hatrany hatramin’ny lanonam-panokafana ofisialy fiatombohan’ny Fankalazana ny faha 02 Jona 2025, nanatanterahana ny diam-piaraha-mientana notanterahin’ny Andrimpanjakana sy Ministera nanasongadina ny Faritra 24, teo amin’ny Arabe’ny Fahaleovantena Analakely (Parvis).
Anio 04 Jona 2025 ihany koa dia mbola tonga mavitrika nandray anjara feno tamin’ny Diaben’ny Fahaleovantena niarahana tamin’ireo Andrimpanjakana sy Ministera maro, niatomboka teo Ambohijatovo hatrany amin’ny Kianjan’i Barea Mahamasina, ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga notarihin’Atoa Ministra MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert notronin’Atoa Talen’ny Kabinetra sy Atoa Sekretera Jeneraly niampy ireo Tale isan-tsokajiny ary ireo mpiara-miasa maro.
Anisan’ny nandray anjara tamin’ny « Match de gala football » nifanandrinan’ny mpikambana ao amin’ny Governemanta sy ireo Andrimpanjakana tamin’ny MDF ihany koa Atoa Ministra.
NY FITIAVAN-TANINDRAZANA, MITARIKA FANDROSOANA
eu-ua.org
kidstravel2.com
oren-sarmats.ru