FIANARANTSOA FARITRA MATSIATRA AMBONY
FAMPIOFANANA FIOMPIANA TRONDRO ,
Feno ny Fampianarana izay nomena an’ireo olona Liana amin’ny sehatry ny fiompiana trondro Tonga maro be nandritran’ny fampiofanana maimaimpoana izay nomen’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Anio 30 Mai 2025 Teto amin’ny tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera Fianarantsoa.
Nomena avokoa ireo Karazam-piompiana trondro afaka ataon’izy ireo aorian’ny fampiofanana izay natao amin’ny fomba tsotra sy mazava ,ny tombotsoa azo na arak’asa na ara-pivelomana amin’ny ankapobeny.
Hirariana arak’izany fa hitombo ny olona izay hiditra amin’ity sehampihariana mahavelona Sady mampidibola ity ho reharehan’ny Fianarantsoa Manontolo.