FIANARANTSOA, FARITRA MATSIATRA AMBONY
HIARA-HIASA NY MINISTERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA SY NY ONIVERSITEN’ NY FIANARANTSOA
Mitohy eto Fianarantsoa ny fitsidihana entina hampiroboroboana ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga izay hiarahana amin’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert.
Betsaka ireo fanamby ho tratrarina hoy A/toa Minisitra ka Ilaina ny fifanomezan-tanana amin’ireo hery velona rehetra. Anisan’ny ho Hamafisina arak’izany ny fiaraha-miasan’ny Ministera sy ny Oniversiten’ ny Fianarantsoa amin’ny alalan’ny fijerena ireo toerana rehetra ahafahana miompy trondro ao an-toerana Ary mba ahafahana ihany koa mamantatra ny tena zava-misy amin’ny mahatonga ny olona sasany tsy Liana amin’izany.
Ho hatsangana ihany koa ny ivontoeram-pikarohana sy fitiliana mahakasika ity sehatra iray ity ho fanohanana ireo mpianatra ho lasa mpandraharaha amin’ity sehatra ity ihany.
Nohamafisiny fa Rehefa toerana misy rano dia afaka Hanaovana ny fiompiana trondro avokoa 
