Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Fkt Tanambao, Kaomina Andrenivohitra Ihosy, Faritra Ihorombe
Fanolorona foto-drafitrasa « Tsenan’ny Fia »

 

Vita soa aman-tsara ilay foto-drafitrasa « Tsenan’ny Fia » eto Ihosy izay ahitana toerana ivarotana trondro manara-penitra misy rano (forage sy Château d’Eau) sy jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro.

Marihana fa Ihosy dia malaza amin’ny resaka karpa ary nisy fotoana nantsoina hoe zazamena akory izany nohon’ny hangezana. Mandalo eto avokoa ny olona mihazo ny RN7 sy ny RN13 ary ny RN27 ka stratejika Ihosy.

700 taonina isan-taona ny trondro vokatra eto Ihorombe isan-taona ary tsy mitsahatra ny mitombo izany. Izany no nahatonga ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga nametraka ilay « Zone d’émergence piscicole » eto Ihosy ary mbola hametraka ihany koa « Chambre froide » ato ho ato.

Natolotr’Atoa Minisitra MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert ity foto-drafitrasa ity izay miantefa mivantana amin’ny Kaomina Ihosy ary hampiasan’ireo Fikambanan’ny Mpivarotra Fia eto Ihosy. Nanotrona azy tamin’izany ireo manam-pahefana aty ifotony.

 

eu-ua.org
kidstravel2.com
oren-sarmats.ru