Fokontany Ambohiponana, Kaominina Ambanivohitra Manandona, Distrika Antsirabe II, Faritra Vakinankaratra
TGRH, VOI fahadimy ho an’ny Faritra Vakinankaratra.
Napetraka tamin’ny fomba ofisialy ny 27 May 2025, tao Manandona ny #VOI_FIAMI ary notolorana ny boky izay mirakitra ny famindram-pitantanana ny Farihy Manaramila manaraka ny dingana takin’ny #TGRH.
Ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny Ben’ny Tanàna Manandona ary ny Filohan’ny VOI FIAMI no miara-manao sonia ary hanara-maso ny fanatanterahana ny bokin’andraikitra. Isaorana Atoa Lehiben’ny Distrika Antsirabe II, tonga nanome voninahitra ny fotoana ary nitarika izany.
Ny tanjona dia ny hanomezana asa mahavelona ho an’ny mpanjono, hitantanana ny farihy amin’ny fomba mangarahara sy maharitra, ary hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ao an-toerana.
Naneho ny fahavononany araka izany ity VOI vaovao ity ka dia mirary soa azy ireo. Ankasitrahana hatrany koa ny fanohanan’ny programa #FANAINGA+ amin’ny alalan’ny #koperativa_FIFIMPAVA.