Fokontany Sakalava, Kaominina Ambany Morarano Gara, Distrikan’i Moramanga,Faritra Alaotra Mangoro
Akon’nyFampiofanana fiompiana trondro
Tontosa tao amin’ny CirPEB Moramanga ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro an-dobo sy an-tanimbary, izay natao mba ho fampiroboroboana ny fahaiza-manao sy ny famoronana asa ho an’ny vahoaka ifotony ao amin’ny Fokontany Sakalava, ao anatin’ny Kaominina Ambanivohitra Morarano Gara, Distrikan’i Moramanga.
Ity hetsika ity koa dia natao mba hanohanana ny fiarovana ny alan’ Atsinanana izay efa mandalo fahasimbana lehibe ka ny fikambanana Conservation International no niara-niasa tamin’ny CirPeb Moramanga tamin’ny fandaminana sy fanatanterahana ity fampiofanana ity.
Telo amby efapolo (43) ny olona avy amin’ny Fokontany Sakalava tonga nanatrika ity fampiofanana ity. Ireo mpandray anjara dia nampianarina teknika vaovao sy azo ampiharina amin’ny fiompiana trondro, toy ny fomba fanamboarana dobo, ny fitantanana ny kalitaon’ny rano, ny sakafo mety ho an’ny trondro, ary ny fomba fiompiana maharitra mba hiantohana ny vokatra tsara.
Antenaina fa hahay hampihatra izay nianarany ireo mpandray anjara mba hahazoana tombony ara-toekarena sy ara-tsosialy, sady hitondra fampandrosoana ho an’ny fiarahamonina ary indrindra manampy amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’ny mponina ao amin’ity toerana ity