Fokotany Ambavarano, Kaominina Mahavanona, Distrika ny Antsiranana II, Faritra Diana
Fisokafan’ny Jono Horita 2025 ilany atsinanana Faritra Diana
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny faha 28 Marsa 2025 tao Baie d’antalaha, Fokotany Ambavarano, Kaominina Mahavanona, Distrika ny Antsiranana II izay anatin’ny faritra arovana tantanan’ny Conservation Internationale, ny jono horita ato amin’ny faritra Antsinana ny Diana raha nihidy nanomboka ny 01 Janoary 2025.
Ny lehiben’ny Distrika ny Antsiranana II no nitarika ny solontenam-panjakana nandritra izany fotoana izany ary notron’ireo delegasiona hafa avy amin’ny Ministera roa mpiahy dia ny #MEDD sy #MPEB ary ireo olona rehetra misehatra amin’ny fampiasana, fiarovana sy fikobabiana ny harena an-dranomasina sy ny rohivoahary ao aminy.
Marihina fa tsara ny vokatra horita tamin’ity taona ity noho ny taona lasa izay ratsy noho ny fandalovan’ny rivo-doza GAMANE.
Nisy nahatratra hatramin’ny 102kg ny horita azon’ny mpanjono iray tamin’ity andro voalohany ity. Tsara fantarina fa mbola misy andro maromaro hiasana ireo mpanjono mandritra ity samonta voalohany ity izay mbola alefa miandalana eo ny antotan’isa.