Hôtel Le Vesseau, Cocody Abidjan, Côte d’Ivoire
Fikaonan-doha iraisam-pirenena ho fanjohiana ireo dingana vitan’ny Firenena tsirairay mpikambana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina makasika ireo fifanarahana iraisam-pirenena sy kaotinantaly ary rejionaly momba ny Jono sy ny Toekarena Manga.
Tanterahina ao Abidjan mandritra ny telo andro, ny faha 27 la hatramin’ny faaha 29 May 2025, ny « Fikaonan-doha iraisam-pirenena ho fanjohiana ireo dingana vitan’ny Firenena tsirairay mpikambana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina makasika ireo fifanarahana iraisam-pirenena sy kaotinantaly ary rejionaly momba ny Jono sy ny Toekarena Manga. »
Ankoatra ireo Firenena Afrikanina maro dia manatrika manokana ity Fikaonan-doha ity ihany koa ny FAO, ny AUC, ny AFRI-FISHNET, ny AWFISHNET, ny CDEAO sy ireo ORGP (ICCAT) ary ireo mpanamahay maro. Mandray anjara mavitrika mandritra izany i Madagascar amin’ny alalan’ny Rtoa #DRPEB_Vakinankaratra sy Point Focal ny Birao Iraisan’ny Afrika momba ny Biby sy Harena anaty rano eo anivon’ny Vondrona Afrikanina (AU-IBAR) eto Madagascar.
Nambara fa miisa 22 ankehitriny ireo fifanarahana nosoniavin’ny Madagasikara ary miroso amin’ny fanatanterahana izany isika ka isan’ireo nozaraina manokana ny momba ny fampiharana ny fifanarahana AMREP/PSMA sy ny dingana misy Antsika eo amin’ny fankatoavana ny hampiharana ny BBNJ. Notsiahivina ihany koa fa mifanitsy 76,75% amin’ny paikady Iraisan’ny Afrika (PFRS) ny paikady nasionaly ny Toekarena Manga momba ny Jono sy ny Fampamokarana Anaty rano malagasy.
Mahaliana ny Firenena maro hafa araka izany ny ezaka vita na eo aza ireo mety ho olana atrehina ary midera sy mankasitraka izany ireo mpiara-miombon’antoka amintsika.