Jakarta – INDONÉSIE
Atrikasa fanatsarana ny fampitàna ny antotanisa mahakasika ny Jono lamatra (thon)
Tanterahana nanomboka ny 26 May ka hatramin’ny 30 May 2025 izao ao Jakarta – INDONÉSIE ny atrikasa fanatsarana ny fampitàna ny antotanisa mahakasika ny jono lamatra ho an’ireo Teknisianina maromaro avy amin’ny firenena samihafa mivondrona ao anatin’ny CTOI (Commission des Thons de l’océan Indien).
Nisolotena an’i Madagasikara nandritra izao Atrikasa izao Atoa BETKOU Ghislain Thierry, Teknisianin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, avy eo anivon’ny DESP (Direction des Etudes, de la Statistique et de la Planification).
Antoka iray hisian’ny fitantanana maharitra sy mirindra ny lamatra no ifananakalozana ao anatin’ity atrikasa ity ary hitondra fiovana miabo ho an’ny fampandrosoana izany sehatra izany indrindra ho antsika eto Madagasikara ka voakasik’izany avy ireo jono madinika, salantsalany ary indostrialy.