Kaominina Ambanivohitra Analalava,Distrikan’Analalava,Faritra Sofia
Atrikasan’ny Komity marolafy
Iray amin’ireo vokatra mampalaza an’i Madagasikara ny makamba.Nasian’ny Ministera ny Jono sy ny Toe-karena Manga MPEB fanavaozana ny fitrandrahana io vokatra io nanomboka ny taona 2021,isan’izany ny fanomezan’ny mpanjono indostrialy tohana hoan’ny mpanjono madinika eny ifotony araka ny voarakitra ao anatin’ny bokin’andraikitra ifanaovany amin’ny mpanjono vaventy.
Orinasa telo no miasa aty amin’ny fari-panjoana B (Sofia sy Boeny) ka ny Pêche Export no manana zo hitrandraka »droit d’exploitation » miara-miasa amin’ny Somapeche sy Refrigepeche Ouest.Ny tohana avy amin’izy ireo no ahafahana manao ny fanofanana ny mpanjono hampiroboroboana ny vadinasany,ny fambolena zanaka honko,famoronana sy fampitaova ny faritra arovana andranomasina ary ny fizarana fitaovana enti-manjono.
Araka izany dia notanterahina eto analalava androany faha 16 Mey 2025 ny atrikasan’ ireo mpikambana mandrafitra ny komity marolafy ahitana ny ekipa avy amin’ny MPEB,ny avy amin’ny faritra Sofia,ny solontenan’ny DREED Sofia,ary ny fiarahamonim-pirenena.
Nialohavan’ny fitsidihana arapomba fanajana ny tomponandraiki-panjakana nampahafantarana ny zavatra hatao sy ny antony ahatongavana eto antoerana.
Natao izao hanombanana ny asa vita tamin’ny taon-dasa sy ametrahana ny vinan’asa hatao amin’ity taona 2025.