Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

KAOMININA ANDROY , DISTRIKAN’NY LALANGINA,FARITRA MATSIATRA AMBONY
FIOMPIANA TRONDRO : HAFAPO TAMIN’NY EZAKA SY NY VOKATRA AZO IREO MPAMATSY VOLA SY TETIKASA MIARA- MIASA AMIN’IREO MPIOMPY TRONDRO.

Mpiompy trondro avy ato amin’ny Kaominina ambanivohitry Androy , Distrikan’ny lalangina no nihaona mivantana tamin’ireo solotena avy amin’ny Tetikasa izay miara-miasa amin’izy ireo androany, niaraka tamin’ny solotenan’ny mpamatsy vola izay ahitana ny GIZ sy ny Masoivoho Allemagne (BMZ) . Izy ireo izay miara-miasa amin’ny Tetikasa ASAM ka ny APDRA no manatanteraka izany eny ifotony.
Fifanakalozan-kevitra nijerena ny zava-misy eny ifotony ahafahana manana vokatra tsara. Anisan’izany ireo endriky ny asa rehetra eny an-toerana ,ny mahakasika ny fikambanan’ny mpiompy trondro, ireo vokatra azo sy ny tombony azo,ny karatra maha piompy trondro,ny sakafony sns….
Izy ireo izay manao ny #famokarana_zana_trondro, #fampanatodizana_trondro ary #fanatavezana_trondro ary efa mamatsy trondro sy mizara traikefa amin’ireo manodidinana ihany koa izy ireo.
Hatreto dia fikambanana miisa 4 no misy ka miisa 60 izy ireo no ao anatiny .
Tena mamokatra Ary mahafapo Raha ny vokatra hita eny an-toerana.Hofanamorana ny famatsiambola ihany koa dia ho avadika koperativa ireo fikambanan’ny mpiompy trondro eto an-toerana izay manampy azy ireo hampiasa vola bebekokoa .
eu-ua.org
kidstravel2.com
oren-sarmats.ru