Loharano, Kaominina Ambanivohitra Ambila, Manakara, Faritra Fitovinagny
Fanentanana momba ny lalàna mifehy ny Jono
Nidinana ifotony tany Loharano, Kaominina Ambanivohitra Ambila ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Fitovinagny ny faha 22 May 2025 nanao hetsika fanentanana sy fampatsahivana momba ireo fehezan-dalàna mifehy ny Jono toy ny refy ny Oratsimba na Langouste, izay tokony mihoatra ny 20cm vao azo trandrahana, sy ireo fitaovampanjonoana izay voarara ny fampiasana azy toy ny haratobe, fagnamo, sns.
Ankoatra izay dia nomena fampiofanana izy ireo izay niompana tamin’ny fitantanana ara-bola ao an-tokatrano sy ny fiainam-pikambanana.